- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Azerbaijan: Fihetsiketsehana Tany Londres sy Paris Ho An'ireo Mpikatroka Bilaogera Tanora Nogadraina

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Eoropa Andrefana, Angletera, Azerbaijan, Frantsa, Fahalalahàna miteny, Fifandraisana iraisam-pirenena, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Tanora, Zon'olombelona

(Marihina fa tamin'ny 23 Janoary 2010 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)
hands_off_demo

Nanao fihetsiketsehana manoloana ny masoivohon'i Azerbaijan tany Londres sy Paris [1] ireo mpanohana an'i Adnan Hajizade [2] sy Emin Milli [3], ireo bilaogera tanora mpikatroka nogadraina tamin'ny andro nanemoran'ny fitsarana ambony ny raharaha noho ny fangatahan'ny mpiaro tamin'ity indray mitoraka ity. Nokarakaraina niaraka tamin'ny Reporters Sans Frontieres [4] ny fihetsiketsehana tany Frantsa ary nandray anjara tamin'ny fihetsiketsehana tany Londres ny mpitarika ny media sosialy Dan McQuillan [5] .

dan [6]

paris protest 0002

paris protest 0004

paris protest 0003

Fihetsiketsehana tao Paris © Ehsan Meliki, nahazoana alalana avy amin'ny Komity Mpanohana an'i Emin Milli sy i Adnan Hajizade

Nanameloka ilay didim-pitsarana ny Prezidansan'ny Vondrona Eoropeana [7] , ny Antenimiera Parlemanteran'ny Vaomiera Eoropeana [8] (PACE), ny Fikambanam-Piarovana sy Fiaraha-miasa any Eoropa [9] (OSCE), ny Mpanara-maso ny Zon'Olombelona [10] ary ny Reporters Sans Frontières [11]. Gadra noho ny fanehoan-kevitra ireo lehilahy roa [12] ireo araka ny fanambarana nataon'ny Amnesty International  .

Azo jerena ao amin'ny Global Voices amin'ny tamberina bilaogin'i Kaokazia 2009 [13] sy ao amin'ny Threatened Voices [14] ny tantaran'ity raharaha ity.

zoom_poster