Tantara tamin'ny 29 Marsa 2018
Rosia: Vavahadin-tserasera Iray Niharan'ny Fanarahamaso Momba Ny Ekstremisma

Lasa rafitra manerantany ampiasain'ny manampahefana Rosiana hiadiana amin'ny fahalalahana maneho hevitra an-tserasera ny ady amin'ny ekstremisma. Tamin'ny 11 Febroary, nanomboka nanao fisavana tamin'ny tranokalan'ny mpanohitra Grani.ru ny polisy, miezaka mamantatra raha mampiroborobo ny ekstremisma ny tranonkala na tsia.
Mpanao Gazety Vehivavy Miampanga An'ilay Rosiana Mpanao Lalàna Malaza Ho Manao Fanorisorenana Ara-nofo, Tohanan'ny Depiote Namany Anefa Izy

Mpanao gazety vehivavy telo farafahakeliny no niampanga an'i Leonid Slutsky (tononina hoe Sloo-tski), mpikambana malaza ao amin'ny parlemanta, tamin'ny fanorisorenana ara-nofo. Na izany aza, manohana azy ny ankamaroan'ireo mpiara-miasa aminy ara-politika, misy vehivavy amin'izany.
Maraoka: Mifanakalo Hevitra Amin'ny Lova Napetraky ny Malalaka Fisaina Iray
Voamarika kely tao amin'ny fampitam-baovao ny fahafatesan'ilay Maraokana filôzôfy sady mpanao teoria sosialy iray antsoina hoe Mohammed Abed al-Jabri. Nefa mifandraika indrindra amin'ny fotoana ankehitriny ny fandraisana anjaran'i al-Jabri manoloana ny fifandonan'ny rafi-pisainana (rationalité) sy ny fomba fisaina ara-pivavahana (pensée relisieuse).
Liberia : Tetikasa “CeaseFire Liberia” Mitantara Ny Krizy Ao Lofa

Nahitàna herisetra indray tao Liberia vao haingana: tovovavy iray no nisy namono, ho valifatin'izany, 4 hafa ihany koa nisy namono tahaka izany tao amin'ny faritra Lofa ao avaratry ny firenena. Nandritra ny korontana, nisy nandoro ireo fiangonana sy ny moskea. Nitantara momba izany korontana izany ny Global Voices.
Azerbaijan: Fihetsiketsehana Tany Londres sy Paris Ho An'ireo Mpikatroka Bilaogera Tanora Nogadraina
Nanao fihetsiketsehana manoloana ny masoivohon'i Azerbaijan tany Londres sy Paris ireo mpanohana an'ireo bilaogera tanora mpikatroka nogadraina Adnan Hajizade sy Emin Milli ny andro nanemoran'ny fitsarana ambony ny raharaha.