- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fanamarihana Tamin'ny Fivorian'ny Fikambanana Nandritra Ny Fihaonambe 2017: Apetraho Ny Fanehoan-kevitra!

Sokajy: Mediam-bahoaka, Blaogim-Piarahamonina GV
[1]

Tia miara-miasa sy mifampizara hevitra ny mpikambana ao amin'ny GV. Sary [1] avy amin'ny mpanoratra, Jer Clarke [2]

Miarahaba ny GVers rehetra! Indrisy, tonga ary efa lasa ny fihaonambe GV 2017 [3], saingy mbola manana fahatsiarovana isika – ary fanamarihana marobe nangonina nandritra ireo fotoam-pivoriana maro. Tamin'ny fotoana farany, nanangona ireo fanamarihana rehetra azonay ny ekipa fototra sasantsasany (Eddie, Ellery, Lauren sy ny tenako) ary nametraka azy ireo tamin'ny endrika azo zaraina.

Ity misy fomba ahafahanao mamerina mijery ny zavatra nangoninay hatramin'izao, ary lazao ny eritreritrao momba izay zavatra adinonay.

Mizara fanamarihana ao amin'ny Google Drive izahay mba ahafahanao manampy fanehoan-kevitra sy miadihevitra

Bokotra “Manampy fanehoan-kevitra” ao amin'ny Google Docs, azafady, apetraho ao amin'ny fanamarihana ny eritreritrao ! 

Nanapa-kevitra hamoaka ireo fanamarihana isan-karazany tahaka ny ao amin'ny Google Docs izahay. Amin'izay ianareo afaka mikaroka izay mahaliana anao ary manampy fanehoan-kevitra momba izay zavatra rehetra mahaliana anao, na amin'ny fizarana izay tsapanao fa misy zavatra azonao ampiana. GVers maro no mamoaka lahatsoratra momba ny fivoriana eto amin'ny blaogin'ny Vondrom-piarahamonina, saingy nihevitra izahay fa ny fomba tsara indrindra hahazoana ny traikefa feno sy mikorontana dia ny mametraka azy rehetra amin'ny endrika azo zaraina.

Nizara azy ireo ho “afaka maneho hevitra izay manana ny rohy ” izahay, noho izany, sady afaka maneho hevitra momba ny zava-drehetra ianao na manolotra soso-kevitra fanitsiana ny lahatsoratra, izay hiseho amin'ny loko maitso. Aza misalasala mametraka izay ao an-tsainao araka izay tianao, ary ampio valin-teny ny fanamarihana ataon'ny olon-kafa raha manan-kolazaina betsaka ianao.

Fantaro fa tsy feno ireo naoty ireo. Betsaka no asehon'izy ireo- saingy tsy ny rehetra – izay vitsy amintsika no afaka maka sary an-tsaina ny ezaka ataontsika handinihana sy handraketana ny resadresatsika sy ny fivoriana. Ankoatra izay, ninia nanadino fotoam-pivoriana, resadresaka sy anaran'olona sasantsasany izahay, mba hiarovana ny fiainana manokana sy ny tsiambaratelon'ny hetsika.

Ity misy rohy mankany amin'ny tari-dalana lehibe Google Drive, izay ahitanao ny fandraketana rehetra, arahin'ny TOC (tabilaon'ny tondro) isaky ny tahiry tsirairay.

Colombo Notebook: Mitatitra indray ny Fihaonambe 2017 [4]

Fivorian'ny EKIPA REHETRA / 28 Novambra

NEWSROOM / 28 Novambra

LINGUA / 28 Novambra

COMMUNITY / 29 Novambra – 1 Desambra

Misaotra namaky-sy naneho hevitra!

Hihaona amin'ny fisintahana goavana amin'ny faran'ny volana martsa 2018 ny ekipa fototra (atidoha) ary hiasa momba ny tetikady, ny vondrom-piarahamonina, ny iraka, sy ny ho avin'ny GV. Ireo fanamarihana ireo – sy ireo fanehoan-kevitra rehetra antenainay ho azo – dia hanampy anay handinika momba ny fihaonambe ary handrakitra ny fomba tianay hanatsarana ny dingana sy ny traikefa amin'ny hoavy.

Ny fanehoan-kevitry ny fiarahamonina momba ireo fanamarihana ireo, na ireo izay teo sy ireo izay tsy teo, dia ho sarobidy amin'ny fanampiana anay hametraka tondrozotra sy laharam-pahamehana ho amin'ny fandrosoan'ny GV.

Misaotra indray ireo rehetra izay nandray anjara taloha, nandritra sy taorian'ny fihaonambe, noho ny fanaovana izany ho hetsika manan-danja sy mampisoka-maso. ❤