Tantara tamin'ny 02 Marsa 2018
Palestina/Gaza: Fiomanana Ho Amin'ny Diaben'ny Fahalalahana ao Gaza
Ny 31 Desambra 2009, natao ny Diabem-pahafahana ao Gaza mba hanamarihana ny faha-herintaona ny "Operation Cast Lead", fanafihan'ny Israeliana an'i Gaza.
Nilaozan'ny Gazety Lehibe Indrindra ao Brezila ny Facebook, Nampangainy ho Akanin'ny ‘Vaovao Faikany’

Ampangain'ny tonian'ny Folha ny Facebook ho "...manilika ny fanaovan-gazety matihanina tamin'ny pejiny ho fanomezana vahana ireo votoatin'olontsotra sy ny fanokafana ny sehatra hampiroboroboana ny "vaovao faikany".
Tsy Afaka Mifandray Sy Miantso Vonjy Ny Mponina Ao Sinay, Saikinosy Egyptiana Noho Ny Fahatapahan'ny Tambajotra

"Tsy afaka nampandre ny trangana fahafatesana vokatry ny fanafihana na ny ratra mahazo azy ireo ireo mponina any avatr'i Sinay ary voafetra ny fidiran'izy ireo amin'ny tolotra vonjy taitra" raha tsy nisy ny tambajotram-pifandraisana.
Rakipeo: Famahanana Bilaogim-pitiavana Amin'ny Teny Shinoa
Tany Shina ny Profesora Charlie Nesson, mpanohana mahafatra-po ny Global Voices. Nandrakitra rakipeo izay nanatontosany antsafa tamin'ny bilaogera Shinoa iray niarahany tamin'i Ben Walker, mpanao gazety ao amin'ny onjam-peo antserasera iray; mampiasa ny bilaoginy ity bilaogera Shinoa ity hifandraisany amin'ny sipany izay indrisy fa mipetraka any an-tanàndehibe hafa.
Kazakhstana: Ny Maha-Hafahafa Ny Ankehitriny Nomerika
Tao anatin'ny herinandro vitsivitsy, nifantoka kokoa tamin'ny fanandratana ny sehatrin'ny fifandraisandavitra sy ny vaovao mifandraika amin'ny Aterineto ao Kazakhstana ny tontolon'ny bilaogy any.