- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tanjon'ny Fanontàna 2018: Fandrafetana Tatitra Amin'ny Aterineto Ho An'i Azia Atsimo-Atsinanana

Sokajy: Mediam-bahoaka, Blaogim-Piarahamonina GV, efitrano famoahambaovao, fametrahana tanjona

Ireo mpikambana amin'ny Global Voices ao Azia Atsimo-Atsinanana nandritra ny Fihaonambe tao Cebu tamin'ny taona 2015.

Mandritra ny taona 2018, hanao fanandramana fomba vaovao eo amin'ny asantsika ireo mpanonta avy ao amin'ny efitrano famoahambaovaon'ny Global Voices, mpitarika ny zana-tsampana, ary mpikambana ao amin'ny ekipa foibe: mametraka ara-potoana ny tanjona amin'ny antsipirihany ary manaraka ny fivoarantsika ao amin'ny Blaogin'ny Fikambanana. Ao amin'ity lahatsoratra manaraka ity, manolotra ny sosokeviny hanomboka Tatitry ny Mpisera amin'ny dika avy ao Azia Atsimo-Atsinanana (NR SEA) ny tonia ao amin'ny faritra Azia Atsimo-Atsinanana, Mong Palatino.

Nanomboka hatramin'ny nandefasan'ny mpiara-miasa tamin'ny Global Voices Rebecca MacKinnon ny Tatitry ny Mpisera Advox [1] tamin'ny taona 2011, lasa vatofototr'ireo fandrakofan'ny GV mikasika ny olan'ny zon'olombelona ao anatin'ny vanim-potoana nomerika sy famintinana isan-kerinandro an'ireo fandrahonana amin'ny aterineto ny fahafahana maneho hevitra manerana an'izao tontolo izao izy io.

Ao Azia Atsimo-Atsinanana, ilaina mazava ny manamafy sy mampivoitra an'ireo fandrahonana miseho ao amin'ny faritra amin'ny fotoana izay maha-simba tsikelikely ny demokrasia arakaraky ny ametrahan'ireo governemanta ireo didy aman-dalàna famoretana, ny ankamaroan'ireo dia maka endrika anaty tambajotra.

Ato anatin'ny volana vitsy ho avy, hiasa amin'ny fandrafetana ny Tatitry ny Mpisera mampiavaka azy ny tarika avy ao Azia Atsimo-Atsinanana, natokana ho an'ny faritra izay mikatsaka ny hahazo fifantohan-tsaina misimisy kokoa sy hifantoka amin'ireo media anatin'ny tambajotra ao Azia Atsimo-Atsinanana, amin'ny alalan'ny fanipihana tsy ireo fandrahonana fotsiny fa ireo olana izay mety hanetsika ny fanohanana iraisam-pirenena na ny fisoloana vava ihany koa. Amin'ny fanatanterahana izany, manantena izahay ny hanaparitaka ny sahan'asa avy amin'ny Advox ao amin'ny faritra ary hampitombo ny fifantohan'ny Tatitry ny Mpisera amin'ireo olana ao amin'ny faritra misy anay.

Azia Atsimo-Atsinanana: nikororosy ny fahalalahan'ny aterineto ao Azia Atsimo-Atsinanana, miteraka ahiahy mafy ho an'ny adihevitra politika https://t.co/iGUkuqcUga [2] pic.twitter.com/VinZQ7Ijxd [3]

Fizotrany sy ny Tarika

Manantena aho ny hiaina indray ny fandraisana anjaran'ireo mpanoratra tsy navitrika tato amin'ny GV ka hanangana fahatsapàna fiarahamiasa anatin'ny tarika, amin'ny alalan'ny fanomezana fahafahana an'ireo mpandray anjara mba ho tafiditra anatin'ny fikarohana sy ny fiarahana miasa tsindraindray amin'ireo vaovao fohy, izay tsy dia mandany fotoana loatra amin'ny ankapobeny raha oharina amin'ny manoratra lahatsoratra GV iray manontolo.

Ny famoahana NR SEA ihany koa dia ho ampiasaina mba hanohana ny famoahana erantany. Hahitàna an'ireto ny tanjonay:

Azonay trandrahana ny fisian'ireo mpiara-miasa aminay mikasika ireo tantara ho ampidirina ao anaty tatitra: Prachatai (Thailand), Irrawaddy (Myanmar), Loa (Vietnam). Azoko atao ihany koa ny mitanisa ireo tranonkala ao amin'ny faritra izay mamintina ny ireo tantara misy ifandraisany amin'ny NR, toy ny SEAPA, IFEX (Mpiara-miasa amin'ny GV), Forum Asia, ary ny Engage Media.

Fitohizam-potoana

Volana voalohany: Fanomanana ny Tatitry ny Mpisera: Famoahana an'i Azia Atsimo-Atsinanana

Volana faharoa: Vakiraoka sy fanombohana

Volana fahatelo: Famoahana Tatitry ny Mpisera miisa roa an'i Azia Atsimo-Atsinanana!

Manantena hamporisika fandraisana anjara goavana avy amin'ny tarik'ireo mpanoratra ato aminay amin'izao fotoana izao aho; mamelona indray ireo mpanoratra GV monina ao amin'ny faritra; ary mandray olona marobe liana ny hametraka ireo tantara na ireo hevitra ho an'ny tatitra. Raha mahomby ny tetika, mino aho fa hampiasa ho loharano ny tatitra avy ao amin'ny faritra ireo vondrona mpaninjara vaovao, vondrona mpiaro ny zon'olombelona, sy ireo manam-pahaizana izay handrakotra ireny olana ireny.