- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bangladesh: Politika, Politika Hatrany ary Bilaogera

Sokajy: Azia Atsimo, Bangladesh, Ady & Fifandirana, Fahasalamàna, Fanoherana, Fifidianana, Fifindràmonina, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Sakafo, Saripika, Zon'olombelona

(Marihana fa efa tamin'ny volana Desambra taona 2006 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Politika: Lazaina fa fitaratry ny fiarahamonina ny bilaogy. Manakorontana ny olom-pirenena sy maka toerana be ao amin'ny tontolon'ny blaogy ny fisalasalana ara-politika vao haingana ao Bangladesh.

Mizara roa amin'ireo foto-kevitra ara-politika ny firenena ary tsy afaka manohana iray hafa ny olona. Naeem Mohaiemen  miresaka [1] momba ny politika ao Bangladesh ary mampitandrina momba ny hery fahatelo amin'ny fampidirana fifandrafiana eo amin'ny antoko politika lehibe.

ShahidulNews naneho hevitra [2] momba ny tranga vao haingana mikasika ny fitsabahan'ny fitsarana ambony ao amin'ny fitsarana tampony mba hanakanana didim-pitsarana iray mamely antoko politika. Mampiseho ny fanaovana politika ny fitsarana izany, izay marika ratsy ho an'ny firenena.

Novazivaziana sy navahan'ireo bilaogera ny teny malaza indrindra eo amin'ny politika. Crosses and acrosses mamazivazy ny hevitry ny hoe  ‘tsy fitanilana [3]‘ amin'ny politika. ElectricBlues indray manome tsiny ny politika mahery setran'ny ‘fitakiana [4]‘. Olana hafa niadian-kevitra be ny hoe ‘Mpifidy sandoka [5]‘ ary manolotra vahaolana roa hiatrehana izany ny Journal of a Disturbed Mind .

Niteraka adihevitra be [6]tao amin'ny bilaogy Drishtipat ny vahaolana momba ny krizy avy amin'ilay Mendrika tamin'ny Nobel Dr. Muhammad Yunus.

Araka ny voalazan'ny Change Bangladesh, miatrika olana  [7]ny mpifidy mikasika ny hoe iza no hofidian'izy ireo amin'ny fifidianana ho avy. Tsy mino kosa ny sasany fa ho tontosa ny fifidianana.

Andrew Morris avy ao amin'ny Morris the pen niresaka [8] momba ny mpiady ho an'ny fahafahana iray ao Bangladesh, izay leo ny fomba fandehan'ny politika ao amin'ny firenena sy naneho hevitra hoe “tsy ity no Bangladesh nitolomako”.

Mandritra izany, nanomboka ny fampielezan-kevitra ary nandefa sary sasantsasany  [9]momba ny fampielezan-kevi-pifidianana any Bangladesh i Shahidul Alam ao amin'ny ShahidulNews.

Bangladesh Talk kosa namoaka  [10]sary tsy dia fahita firy ahitana polisy Bangladesh manampy vehivavy jamba. Nahazo laza ratsy ny polisy satria ampiasain'ny antokon'ny fitondrana amin'ny famoretana ara-politika izy ireo.

Take Back Bangladesh [11] indray dia ezaka natomboky ny bilaogera sasany. Nilaza  [12]tamin'ny resadresaka ny iray tamin'ireo mpikarakara fototra, Nazim Farhan Chowdhury ao amin'ny Conversations with an optimist hoe: ahoana no hanavotana an'i Bangladesh amin'ny krizy. Nahasarika olona manodidina ny 13000 ny fanombohan'andraikitra [13] nataony.

Sary: Ershad Ahmed nandefa [14]ny sarin'i Dhaka mamirapitra amin'ny alina tao amin'ny bilaogin-tsariny.

Am-pielezana: Rehefa nonina 30 taona tany ivelany, miezaka ho lasa Bangladeshita [15] indray i Ulysses ao amin'ny Back to Bangladesh.

Sakafo: Shafiur ao amin'ny imperfect | world | 2006 mampiseho [16] Bhapa peetha [16], mofomamy boribory ao Bangladesh, hita rehefa ririnina.

Teknolojiam-baovao: Developera Bangladeshita Hasin Hyder ao amin'ny Storyteller blog nanoratra boky iray mitondra ny lohateny hoe ‘Wordpress complete’, izay torolàlana feno sy mazava tsara momba ny fananganana, fanavahana, sy bilaogy ara-barotra mampiasa WordPress. Vakio ny fanadihadiana [17] niarahana taminy momba ny boky.

Russell indray manoratra [18] ao amin'ny bilaoginy cyber journal momba ny fivorian'ireo “mpi-chat” IRC ao Dhaka. Efa ela ny karajia ao amin'ny IRC no nankafizin'ireo tanoran'ny aterineto sy ny teknolojia ao Bangladesh.

Fahasalamana: Jyotirmoy Banik ao amin'ny Share The Magic manoritsoritra [19] tranga tsy niriana vitsivitsy eo amin'ny sehatry ny fahasalamana any Bangladesh, mampiseho ny fihenan'ny isan'ny dokotera mampihatra ny fitsipi-pitondrantena sy ny fahamarinana.