19 Janoary 2018

Tantara tamin'ny 19 Janoary 2018

Sary Mampiseho Tovolahy Mijery Afomangan'ny Taombaovao. Nahoana No Milaza Ireo Breziliana Sasany Fa Malahelo sy Mahantra Izy?

Ny olona mijery ny sary dia efa vonona hilaza fa mifandray amin'ny fahantrana sy olona nilaozana ny sarin'ny olona mainty hoditra, kanefa raha ny tena izy, ankizy mainty hoditra fotsiny eo amoron-dranomasina izy. Fanavakavahana ara-drafitra ity fitsarana an-tendrony ity, izay ny faharatsian'ny fampianarana ny vahoaka Breziliana tenany no niaviany.

19 Janoary 2018

Arzantina: Maneho Hevitra Ao Anatin'ny Fanadihadiana Ifarimbonana Amin'ny Teny Frantsay “Hijos” Ireo Ankizy Niharan'ny Jadona

Tao anatin'ny tetikasany fahasivy, nandeha tany Arzantina ny Blogtrotters (bilaogin-dahatsary ifarimbonana Frantsay) mba hanatontosa ny Hijos, fanadihadiana hiombonana momba ny ankizy tsy hita nandritra ny didy jadona ary miezaka ny hanoritsoritra ny niaviany sy ireo ray aman-dreniny izay tsy hita popoka ihany koa.

19 Janoary 2018

Népal : Krizin'ny Angovo

Lohahevitra resahana manerantany ny fitsitsiana angovo sy ny fitadiavana loharanon'angovo tsy manimba ny tontolo iainana. Ho an'ny firenena mandroso sy ny an-dalampandrosoana, iray amin'ireo olana manan-danja ny angovo. Resahana ankehitriny any Washington ka hatrany Riyadh ny tahotry ny tsy fahampian'ny angovo amin'ny hoavy.

19 Janoary 2018