- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Medellin, Colombia: Renivohitra Nalaina An-keriny, Avy Eo Tanàna Teraka Indray

Sokajy: Hiper-barrio, Mediam-bahoaka, Rising Voices

(Marihana fa efa tamin'ny volana Aogositra taona 2007 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nitsidika an'i Bangladesh izahay tamin'ny fandraisam-peo voalohany Rising Voices [1], izay misy ny Foibe Nari Jibon mampianatra ny zatovovavy ao Dhaka haneho hevitra amin'ny fandraisana anjara amin'ny resadresaka an-tserasera. Amin'ity herinandro ity, manova ny endrika izahay ary mamoaka ity fandraketam-peo ity amin'ny fizarana roa samihafa.

Voalohany, lasa nahafantatra an'i Medellín, Colombia; ny lasany feno herisetra, ny fandriampahalemany amin'izao fotoana izao, ary ny ben'ny tanàna matematisiana izay nanao tranomboky vaovao ao amin'ny faritra mahantra indrindra ao an-tanàna izahay.

Ao amin'ny fizarana faharoa amin'ity fandraisam-peo ity, izay ho avoakanay amin'ny herinandro farafahatarany, hifantoka amin'ny tetikasa HiperBarrio [2] izahay ary hamantatra ny fomba nampandrisika ireo bilaogera vitsivitsy ao Medellin nankany amin'ny havoana ao an-tanànan'izy ireo mba hampianatra momba ny fitaovam-pampitam-baovaon'olom-pirenena ho an'ny tanora sarangan'ny mpiasa.

Trohy amin'ny Endrika MP3 [3]

Trohy amin'ny Endrika AAC [4]

Tamin'ny fandraisam-peo androany, niresaka tamin'ireto olona ireto izahay:

Ny mozika fampahafantarana dia ny “Madrugada a la Gil Evans [12]” avy amin'i Paloseco Brazz Orchestra ary hita ao amin'ny ccMixter [13]. Ny hira famaranana dia, “Del Cielo Que Nos Robaron” avy amin'ilay mpiangaly mozika Kolombiana trova sy ilay bilaogera [14], Lizardo Carvajal. Navoaka teo ambany lisansa Creative Commons 2.5 [15]izay tafiditra ao anatin'ny iSummit 2006 DVD [16] izany.

Tsara ihany koa ny mamaky ny eritreritra momba ny MetroCable [17] nosoratan'i Andres Duque sy ny fomba nanampian'izany nanova an'i Medellin.

Misorata anarana ao amin'ny fandraketam-peo Global Voices amin'ny fampiasana ny iray amin'ireto rohy ireto:

RSS [18] | iTunes (podcast page) [19] | iTunes (direct subscription link) [20] | Odeo [21]