- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Skypecast Libanona #1: Bilaogera Gustave Cordahi

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Libanona, Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra teny anglisy tamin'ny 21 jona 2005)

Teo am-pandrenesana ny fandresena tamin'ny alalan'ny fifidianana [1] azon'ny fiaraha-mientana anti-Syriana ao Libanona sy ny namonoan'ny sasany [2] politisiana iray anti-Syriana, dia niresaka tamin'ny bilaogera roa monina ao Beirota izay mpanoratra ao amin'ny bilaogy malaza antsoina hoe Lebanese Political Journal [3] (Diarim-politika Libaney) aho.

Ny antsafa nataoko voalohany dia nifanaovako tamin'iĀ Gustave Cordahi, bilaogera sary mpanao gazety, izay mibilaogy amin'ny anarana “Cedar Guardian.” (fanamarihana ara-teknika: niantso azy avy amin'ny solosaina tamin'ny fampiasana Skypeout mankany amin'ny findainy aho, nandrakitra ny resaka tamin'ny alalan'ny Hotrecorder [4], ary avy eo namindra azy tao amin'ny Audacity [5] hanapaka sy hanitsy ny haavom-peo talohan'ny namoahana azy nankao amin'ny lohamilinay.)

Niresaka ny antony namahanany bilaogy, ny hatsotran'ny tatitra ataon'ny fampitam-baovao iraisampirenena momba an'i Libanona i Cordahi, ary ny fanjavozavoan'ny politika libaney. Ny zavatra azoko indrindra: Tsy misy zavatra araka ny ahitana azy izany, samy manana ny fikafikany daholo ny rehetra, ary aza mandray fampahafantarana na inona na inona azonao avy any Libanona – na avy amin'ny bilaogy izany, fampitam-baovao mahazatra, politisiana, na iza na iza – araka ny atrehina mandra-pahitanao izay fikafika sy ny fitongilanan'ny loharanom-baovao niaviany.

Trohy eto ny antsafa nifanaovana tamin'i Cordahi [6] (14 MB, 29min)

Ho avy manaraka: antsafa lalina sy mahatalanjona nifanaovana tamin'ny mpiara-mibilaogy amin'i Cordahi, “Lebanon Profile.” Miara-henoy izy. Samy manana ny fomba fijeriny sy ny zavatra jereny ry zareo.