- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ilay Mpitrandraka Avy Any Shily

Sokajy: Amerika Latina, Shily, Mediam-bahoaka

(Marihina fa tamin'ny 4 Martsa 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Nalain'i Guillermo Olivares [1] ny sarin'i Daniel rainy ary navoaka [2]niaraka tamin'ny fanazavana manaraka  amin'ny teny Espaniola :

This is my dad, today on October 20th, he turns 56-years-old. He has been a miner his entire life and here he is in one of the tunnels of the largest copper mine in the world.

Izy no raiko, 56 taona izy androany 20 Oktobra. Mpitrandraka izy nandritra ny fiainany iray manontolo ary ao anatin'ny iray amin'ireo tonelina toeram-pitrandrahana varahina lehibe indrindra erantany izy eto .

Volana maromaro taorian'ny nangatahako voalohany taminy ny fanomezan-dàlana hamoaka ny sary miaraka amin'ny rohy mankany amin'ny bilaogin'ny rainy, antsoina hoe ” Ilay Mpitrandraka (ES) [3]” i Guillermo vao namaly. Na dia tsy nohavaozina nandritra ny fotoana elaela aza izany dia feno sarin'ny fianakavian'i Daniel Olivares, ny fireneny ary ny asany ny bilaogy. Fomba iray lehibe ahafahana mijery anatiny an'i Shily avy amin'ny fomba fijerin'ny dadabe iray mahafinaritra ihany koa izany.