Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

24 Desambra 2017

Tantara tamin'ny 24 Desambra 2017

Fijery Arabo: Feon'Ireo Mpandalina Ny Finoana Silamo

Tsy ireo bilaogera miteny Anglisy avy any Afovoany Atsinanana irery ihany no miezaka tsy an-kiato mampitohy ny hantsana ara-kolontsaina, fa misedra ady mitovy amin'io koa ireo bilaogera miteny Arabo ao anatin'ny tontolon'ny bilaogy Arabo. Mitsikera ny sasany amin'ireo fady anatin'ny rafitra misy azy ireo mpandalina ny finoana Silamo.

Advocacy: Ampio Hiaro Ireo Bilaogera Eran-tany

Nametraka takelaka manara-maso ireo tranga amin'izao fotoana izahay ato amin'ny Global Voices ho fanampiana amin'ny fanangonana ireo hetsika rehetra manohana ny bilaogera. Manana takelaka wiki ihany koa izahay - Global Voices Advocacy - izay ahafahan'ny tsirairay manampy vaovao momba ireo bilaogera voarahona sy ireo hetsika natao ho azy ireo.

Tian'ireo Mozambikanina Ho Fantatra Raha Toa Ka Ao Ambadik'ireo Fanafihana Biraon'ny Mpitandro Filaminana Ny Vondrona Mpikatroka Al-Shabaab

"*RY RAHALAHY MOZAMBIKANINA*…Aza manaiky ho voafandrika, aza latsaka amin'ny fampilendalendan'ny mpanararaotra… Ny tanjon'ny trangan-javatra niseho tany avaratry ny firenena io dia ny hamoronana ady..."

Fitsidihana Ny Tontolon'ny Bilaogy Kiorda

Roj Bash! Satria miha akaiky ny famaranana, dia ho kely kokoa noho ny mahazatra ny lahatsoratra androany, ity ny jery todika isan-kerinandro:

Ilay Mpitrandraka Avy Any Shily

Nalain'i Guillermo Olivares ity sarin'ny rainy Daniel ity ary navoaka niaraka tamin'ny fanazavana manaraka amin'ny teny Espaniola : Izy no raiko, 56 taona izy androany 20 Oktobra . Mpitrandraka izy nandritra ny fiainany iray manontolo ary .....