- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Etiopia: Mampiasa Ny Haino Aman-Jery Vaovao Mba Hiantohana Fifidianana Malalaka Sy Madio Ireo Mafàna fo

Sokajy: Afrika Mainty, Etiopia, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Teknolojia

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny May 2010)

Raha teo am-piomanana amin'ny fifidianana parlemantera [1] hatao amin'ny 23 May 2010 ny Etiopiana, ireo fikambanana anankiroa kosa dia mampiasa ny haino aman-jery vaovao mba hiantohana fifidianana malalaka sy madio. Ny tambajotra sosialy Facebook no ampiasain'ny  Ethiopia CommonBorders [2], fikambanana mifototra amin'ny fiarahamonina, hanaovana ny ampahany amin'ny fanentanany, raha toa ka ny sehatra mifototra amina tranonkala kosa ny an'ny Ethiopia Vote Monitor [3], tetikasa filamatra avy amin'ny fiarahamonim-pirenena etiopiana, mba hanangonana sy hijerena ireo torohay momba ny fifidianana eo amin'ny sarintany.

“Support a Free and Fair Election in Ethiopia” [4] ( Tohano ny Fifidianana malalaka sy madio ao Etiopia) no iantsoana ny pejy Facebook-n'ny CommonBorders. Efa  2.904 sahady ny isan'ny mpikambana amin'io pejy io ary lohahevitra 23  [5] no efa navoaka hiadian-kevitra hatramin'izao.

Tahaka izao no famariparitan'ny [6] fikambanana ny asany [6] ao amin'ny tranonkala ôfisialiny [7] :

Ethiopia CommonBorders dia fikambanana mifototra amin'ny fiarahamonina, tsy miandàny, tsy mitady tombony, izay miara-miasa amin'ny delegasiona mpanaramaso ny fifidianana. Rehefa miasa amin'ny maha-mpanaramaso ny fifidianana ry zareo, manome fahafahana manokana ny mpikambana ao aminy mba haka traikefa sy hianatra ny momba ny sori-dàlana demokratika sy ny tontolo politika any Etiopia ny Ethiopia CommonBorders .

Manantena fifidianana malalaka sy madio ve ianao amin'izao rafitra politika sy ny fizotrany izao ? [8] hoy ny fanontanian'ny vondrona amin'ireo mpikambana ao amin'ny Facebook.

Ireo santionan'ny valitenin'ny mpikambana :

Ekena fa eo ambany fifehezan'ny foko mpanao didy jadona stalinista, tsy manana fandeferana amin'ny sitrapo sy ny fanirian'ny vahoaka isika – indro ny rohy momba ny “fifidianana” 2010.

Misy ny famaritana mazava ny atao hoe demokrasia sady tsotra ny heviny !  Fasisma – tsy misy ifandraisany amin'ny demokrasia- no endriky ny TPFL napetraka aty Etiopia.

Tsy hisy ny fifidianana malalaka sy madio ato anatin'ny fotoana fohy ary tsy mbola nisy.  Iray ihany ny fahagagàna – tsy maintsy atositsika ireo mpanohitra rehetra mba handray anjara sy haneho amintsika ny nofinofiny, miaraka amin'ny isan'ireo vato hosoka azony, rehefa izay vao hatomboka ny fanontaniantsika–  asaintsika miala ry zareo. fa hatreto aloha, ho antsika, dia tsy mbola fotoana izao hitanilàna na amin'iza na iza amin-dry zareo. Ohatra, efa azon'ny OLF ny 60%-n'ny seza tao amin'ny parlemanta tamin'ny 93, fa rehefa vita sonia ny fifanarahana ” Firenena iray Tafika iray” dia niala tamin'ny parlemanta ry zareo satria ny vondron'ny miaramilany no tiany hiasa tao nefa nosakanana. Ny tiana ho lazaina aminareo fotsiny — io sarisary izay nentin-dry zareo efapolo taona lasa io no tsy maintsy hadihadiana alohan'ny hanehoantsika hevitra.

Fa ho an'i Etiopia manokana, ny fitondrana amin'izao fotoana izao dia mbola mankasitraka ny fanohanan'i Etazonia ny fanoheran-dry zareo ny ideolojia iray, ary mahita fa tsy mbola ilaina ny fanovàna governemanta amin'izao. Mahatonga ny vahoaka hiady amin'io andrim-panjakàna io izany.

Maharikoriko ahy ny mijery ity governemanta Etiopiana ity, ny fandravàna ny ICU tao Somalia ary ny fanamanrinana amin'ny fanoavana fanentanana isam-baravarana amin-tahotra izany rehefa matahotra ny hifandona momba ny Ogaden izy. Ny fiafaràny dia angamba tsy misy ny fifidianana malalaka sy mangarahara raha tsy tafiditra ao amin'ity rafitra ity avokoa ny olona rehetra .

Mikasa ny hampiasa ny fanaovan'ny mponina tatitra ny Ethiopia Vote Monitor [3] mba hisian'ny demokrasia mangarahara sy tomponandraikitra :

Inty ny vakin'ny ampahany amin'ny pejy About Us [9] (ny momba anay):

Noho ny herin'ny fahalalahan'ny teknolojia sy ny fisokafan'ny loharano dia afaka manangona ireo vaovao zaraina amin'ny Somaiso, imailaka na haba-tranonkala sy mahita izany ara-potoana amin'ny sarintany isika.

Ethiopia Vote Monitor dia tetikasa filamatra tarihin'ny fikambanan'ny vondron'ny fiarahamonim-pirenena Etiopiana, miaraka amin'ny fanohanana ara-teknikan'ny Demokrasia Dizitaly  amin'ny alàlan'ny fampiasàna ny rafitra Ushahidi.com.

Ilay tetikasa dia mitetika ny hanaparitaka ny torohay fototra sy ireo hafatra ho an'ireo mpiasa any an-toerana, ny hanamoràna ny serasera ao amin'ny samy vondrona, ny fanangonana ny angon-drakitra izay azo raketina an-tsarintany anaty tranonkalam-panjakàna, mizara haingana ny vaovaon'ny herisetra sy ny fanararaotana ho any amin'ireo vondrona iraisam-pirenena, ireo vondrona mpisolo vava, ary ireo mpisehatra fototra eto an-toerana amin'ny alàlan'ny haino aman-jery.

Mampiasa ny sehatry ny Ushahidi [10] ny Ethiopia Vote Monitor. Ushahidi, izay midika hoe ‘ fijoroana ho vavolombelona’ amin'ny teny Swahili, dia haba-tranonkala izay tany am-boalohany dia natao hitaterana an-tsarintany ny herisetra tany Kenyà taorian'ny tsy fahombiazan'ilay hetsika taorian'ny fifidianana tamin'ny fiandohan'ny 2008. Maimaimpoana io sehatra io ho an'ny tsirairay na fikambanana izay te-hanangona sy hijery torohay.

Azon'ny mponina atao ny mitatitra any amin'ny Ethiopia Vote Monitor izay zava-misy mifandraika amin'ny fifidianana ao Etiopia, amin'ny alàlan'ny fandefasana imailaka any amin'ny ethiopia@digital-democracy.org, na amin'ny fandefasana bitsika miaraka amin'ny tenifototra ethiopia na ethiopiavotereport, na amin'ny famenoana ny andiam-panontaniana ao amin'ilay haba-tranonkala.

Hita any amin'ny tranonkala fanoratana bilaogy madinika, Twitter, [11] ihany koa ilay tetikasa.  [12]

Narahanà fifandonana mihoson-drà [13] teo amin'ny mpitandro filaminana mpandrava korontana sy ireo mpomba ny mpanohitra ary fisamborana bontolo ireo mpanao politika mpanohitra ilay fifidianana farany tamin'ny 2005. Misy ny tahotra hoe mety ho ratsiratsy kokoa ny amin'ity taona ity (2010). Maty voatsatoka antsy [14] ny mpifaninana avy amin'ny mpanohitra, Gebru Asrat, tamin'ny volana Martsa tamin'ity taona ity. Nambaran'ireo mpanao poltika mpanohitra fa isan'ny politikan'ny fampitahorana sy sotasota mialohan'ny andron'ny fifidianana ny famonoana azy.