- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Afganistana: Vaovao Momba Ilay Voafonja Sayed Pervez Kambakhsh

Sokajy: Afganistana, Fahalalahàna miteny, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka

(Marihina fa tamin'ny 25 Novambra 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Afaka nihaona tamin'ilay mpianatra ho mpanao gazety Sayed Pervez Kambakhsh [1] izay nogadraina tao amin'ny fonjan'i Pul-e Charkhi i Nasim Fekrat, Afgana mpanao gazety tsy miankina iray.

Il semblait déçu et m'a fait désespérément signe de la main. J'ai pu m'approcher de lui seulement quelques secondes, l'approcher pour l'entendre, ce qui était difficile à cause du bruit. Soudain, on m'a tiré brutalement par l'épaule gauche et j'ai vu deux policiers, qui m'ont demandé ce que je disais à Kambakhsh.

Les policiers ne m'ont plus laissé l'approcher. Mais j'ai eu le temps de parler à Sayed Kambakhsh du Prix, de lui dire qu'on lui avait décerné le Prix de la Sécurité et de la Liberté de l'Information en Italie. Il a exprimé sa satisfaction à cette nouvelle, mais les derniers mots de lui que j'ai entendus étaient : “J'ai besoin d'aide pour sortir de la prison.”

Les policiers ne m'ont plus donné d'autre possibilité de lui parler, alors je lui ai fait un signe de la main et lui ai promis de diffuser son message à l'extérieur.

Toa diso fanantenana izy ary nanofahofa ny tanany tamim-pahakiviana. Afaka nanantona azy segondra vitsivitsy aho mba hihaino azy, izay tena sarotra noho ny tabataba.  Nisy nisintona tamin'ny soroko havia tampoka aho teo ary nahita polisy roa, izay nanontany ahy izay nolazaiko tamin'i Kambakhsh.

Tsy navelan'ny polisy hanakaiky azy intsony aho. Saingy nanam-potoana hiresahana tamin'i Sayed Kambakhsh momba ilay loka aho, mba hilaza aminy fa nahazo ny Lokan'ny Fiarovana sy ny Fahalalahan'ny Serasera tany Italia izy. Naneho ny hafaliam-pony tamin'ity vaovao ity izy, saingy ny teny farany reko taminy dia ny hoe: “Mila fanampiana aho hivoahana ny fonja.”

Tsy nanome ahy fahafahana hiresaka taminy intsony ny polisy,  nanofahofa ny tanako aho noho izany ary nampanantena azy fa hitondra ny hafatra ho any ivelany.

Nitatitra ny fitsarana an'i Sayed Kambakh ny Global Voices ato [2]sy ato [3]ary ato [4].