- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Egypta: Navotsotra Rehefa Noferana Fa Tsy Hamahana Bilaogy Intsony Ilay Bilaogera

Sokajy: Ejipta, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Teknolojia, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny 3 Oktobra 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Taorian'ny roa volana tany am-ponja, navotsotra tamin'ny 3 Oktobra 2008 ilay bilaogera Egyptiana Mohamed Refaat [1].

Nilaza tamin'ny gazety mpivoaka isan'andro Add-Dostour i Mohamed fa novotsoran'ny polisy izy rehefa nanaiky ny hanao sonia ny fanolorantena tsy hanavao intsony ny bilaoginy na ny kaontiny ao amin'ny Facebook, ary tsy hifandray intsony amin'ny ONG na ny mpanao gazety.

Notanana nanomboka hatramin'ny volana Jolay i Mohamed Refaat, toniandahatsoratry ny tranonkala Matabbat [1],  kanefa nandidy ny famotsorana azy ny fitsarana. Hoy ny tambajotra The Arabic Network for Human Rights Information et le Hisham Mubarak Law Center  raha nanoratra tao anatin'ny fanambarana iray:

La police a perquisitionné l'appartement de Mohamed Refaat tôt le matin du 21juillet 2008, en son absence, a saisi son ordinateur et de nombreux livres. Quand Mohamed Refaat s'est rendu dans les bureaux de la police et a rencontré dans la matinée l'officier “ Hisham Tawfik” , c'est pour s'entendre accuser des (fausses) charges “d'incitation à la grève le 23 juillet”. Il a ensuite été déféré à un parquet, sous le numéro d'instruction 1143 pour l'année 2008.

Nisava ny tranon'I Mohamed Refaat ny polisy ny marainan'ny 21 Jolay 2008, raha tsy tao izy ary naka ny solosainy sy boky maro. Raha nandeha tany amin'ny paositry ny polisy i Mohamed Refaat ary nifanena tamin'ilay manamboninahitra “Hisham Tawfik” ny maraina, dia nolazaina fa voampanga  tamin'ny fiampangana (hosoka) ho “nitarika fitokonana izy ny 23 Jolay”. Nentina tany amin'ny biraon'ny mpampanoa lalàna izy avy eo, araka ny raharaha laharana faha 1143 ho an'ity taona 2008 ity.

Tsy niresaka momba io fitokonana voalaza io mihitsy ny bilaogin'i Mohamed Refaat [1].  Namoaka lahatsoratra momba ny fitiavana, ny fiainana ao Kairo sy ny votoaty manokana ilay bilaogera Egyptiana. Voampanga ho “nanakorontana ny andrim-panjakana izy sy nanozongozona ny filaminam-bahoaka ary nitarika fihetsiketsehana sy fitokonana tao amin'ny aterineto.” Tsy mitaky ny hametrahana porofo amin'ireo heloka bevava ireo ny lalàna Egyptiana.