- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Taïwan : Nopotehina Ireo Trano Miendrika “OVNI”

Sokajy: Taiwan (ROC), Mediam-bahoaka, Tantara, Zavakanto & Kolontsaina

(Marihina fa tamin'ny 3 Septambra 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

ufo house2

Sary nahazoana alàlana avy amin'ny bilaogy avant [1].

Nanazava tao anatin'ny lahatsoratra iray tao amin'ny bilaoginy i avant [2]  tamin'ny 3 Jolay 2008 fa eo am-pandrodanana ireo trano malaza miendrika ovni ao amin'ny torapasika fitsangatsanganana ao ambanivohitr'i Taipei, ao Taiwan..

三芝飛碟屋已經拋荒30冬,兩个月進前三芝飛碟屋突然間出現佇報紙面頂,主要是講,飛碟屋ê地主hām債權銀行已經對還債ê計畫喬好勢,台北縣政府按算欲kā飛碟屋攏總拆掉,擱起一間新ê渡假村,hām無外遠ê淺水灣沙埔仔串連起來做海濱休閒園區。
三芝飛碟屋已經荒廢30多年,兩個月前三芝飛碟屋突然又出現在報紙上,新聞重點是,飛碟屋的地主和債權銀行已經對還債計畫講好了,台北縣政府打算把飛碟屋通通拆掉,再蓋一間渡假村,和附近的淺水灣海灘串連起來,當做海濱休閒園區。

Efa tsy nisy nipetraka intsony nandritra ny telopolo taona mahery ireo trano miendrika ovni ao Sanchih (Distrikan'i Taipei) .  Niresaka momba izany roa volana lasa izay ny gazety izay nilaza fa nahazo fifanekena vaovao ny tompon'ireo trano tsy misy mipetraka ireo ary nanao fifanarahana vaovao ny bankiny. Handrava ireo trano miendrika ovni ireo ny manampahefana ao amin'ny distrikan'i Taipei mba hanamboarana toeram-pialan-tsasatra vaovao izay ahitana toeram-pialamboly amoron-dranomasina.

Talanjona tamin'ity famolavolana trano tena miavaka sy mahaliana ity i Lynn [1] :

C'est magnifique. Je suis enchantée de voir cette photo. Tout d'abord, j'aime cette architecture pour sa totale origininalité. J'espère que vous me pardonnerez de dire ça, mais quand j'étais enfant, en Australie, je regardais un dessin animé américain qui s'appelait les Jetson. Et ces constructions me font vraiment penser à l'ambiance très futuriste de ce dessin animé ; à ce que l'on pouvait imaginer dans les années soixante sur la façon dont on vivrait au XXIe siècle. Ensuite, c'est une photo absolument magnifique. Les couleurs sont délicates, bien qu'elles possèdent une certaine force. Le reflet soutient la palette. Je n'arrive pas à croire que ceci ait été abandonné. J'espère vraiment que ce sera préservé.

Tena tsara tarehy. Faly aho mahita ity sary ity. Voalohany indrindra, tiako amin'ny endriny miavaka iray manontolo ity maritrano ity . Manantena aho fa hamela ahy ianareo raha milaza izany aho. Nijery sarimiainna Amerikana antsoina hoe Jetson aho fony mbola kely tany Aostralia. Ary tena mampahatsiahy ahy ny zavatra niainana tao anatin'ny sarimiaiana ireto endrika trano ireto izay tena famolavolana miavaka tamin'ity sarimiaina ity; izay azontsika eritreretina fa tamin'ny taompolo 60 kanefa hiainantsika amin'ny taon-jato faha XXI. Faharoa, tena sary tsara tarehy izy ireo. Malefaka ny loko, kanefa hita fa manan-kery izy ireo. Mirindra ny loko. Tsy mampino ahy hoe nilaozana izany toerana izany. Tena manantena aho fa mba ho voaaro izany.

Satria tena miavaka ny “ovni” dia nanome sosokevitra ny avant [2] mba hitahirizana azy ireo ho vakoka ara-tantara.

我感覺kā三芝飛碟屋攏總拆掉有一寡拍損,文建會應該比照台北市彼間中正廟,kah指定做國定古蹟!飛碟屋拄a好 hām中正廟同款,攏是起佇1970年代。kha輸講,中正廟、圓山飯店、歷史博物館代表官方強欲佇台灣延續中國傳統宮廷建築ê思維,按 呢,飛碟屋遮呢特殊ê建築,會使講是欲掙脫當時主流ê宮廷建築風格ê束縛。擱再講,1970年代後尾,台灣通過石油危機ê考驗了後,經濟起飛,人 民ê所得kah 懸,生活有kah快活,飛碟屋渡假村ê出現,反應到彼當時ê人,毋免干單為著三頓走縱,身軀邊嘛開始有一寡錢,想beh hām先進國家ê人同款,欲試看mai怪奇、稀罕ê待誌ê心理。所以講,咱會使透過飛碟屋,瞭解到30冬前彼當時ê社會狀況hām人ê想 法。飛碟屋雖然拋荒30冬,毋拘,伊猶原會使講出屬於伊hit leh時代ê故事!

Mampalahelo raha horavana ireo trano ireo. Heveriko fa tokony hametraka ireo trano ireo ho vakoka manan-tantara ny Vaomieran'ny Raharaha Ara-kolotsaina. Naorina tany amin'ny taompolo 1970 ireo “ovni” ireo, toy izany koa ny Fahatsiarovana Tchang Kaï-chek [3],… Tena rafitra maritrano miavaka izy ireo. Tsikaritra fa niezaka niala tamin'ny endrik'ireo tranobe mahazatra tahaka ny lapa ireo mpanao maritrano . Etsy ankilany, tamin'ny faramparan'ny taompolo 1970, vao avy nandresy ny krizin'ny solika [4] i Taiwan ary nanomboka nampiroborobo ny toekareny. Nampidi-bola bebe kokoa ny Taiwaney ary nihatsara ny fiainan'izy ireo. Mampiseho ny fisian'ny toeram-pialamboly an-dranomasina miaraka amin'ny trano miendrika ovni fa nanam-bola holaniana tamin'ny fialamboly vaovao sy mahaliana ny olona tamin'izany fotoana izany, toy ireo vahoaka any amin'ireo firenena mandroso. Noho izany, hita taratra amin'ny alàlan'ity fanorenana ity ny fomba fiainan'ny olona tamin'ny telopolo taona lasa .

Manome fanazavana ara-javakanto momba ireo “ovni ” ireo i Marta Michałowska sy Fabian Sowiński [5] raha mahaliana anao izany