30 Oktobra 2017

Tantara tamin'ny 30 Oktobra 2017

Takian'ny ao Bahrain Ny Fandraketana Ny Tranonkala ; Manahy Ireo Blaogera

Angatahan'ny Minisiteran'ny Fampahalalam-baovao ao Bahrain ireo rehetra tranonkala Bahraini - izay ao anatiny na ivelan'ny firenena - mba hisoratra anarana ao amin'ny Ministera. Ho tomponandraikitra ara-dalàna amin'ny votoaty zarainy eo amin'ny tranonkalany ireo Mpitantana Tranonkala, ary hiatrika fanenjehana eo ambanin'ny lalàna Fanaovana gazety sy Fizarana Votoaty ao amin'ny firenena raha toa ka tsy misoratra anarana.

30 Oktobra 2017

Kebab, Eny; Revolisiona, Tsia: Mpifindra-monina Sy Ny Tolona Ho An'i Katalaonina

Ny Tetezana - The Bridge

"I was surprised that people sporting dreadlocks, turbans, braids, and other Afrocentric apparel failed to acknowledge the word "migrant" at an event supporting those being persecuted in Catalonia..." "Tena gaga aho fa ny tanora manao 'volo rasta', 'misaron-doha (turbans), mirandrana, sy ny akanjo hafa miendrika Afrikana dia toa tsy nahafantatra ny teny hoe "mpifindra monina" tao amin'ny hetsika ho fanohanana ireo izay nenjehina tao Catalonia...."

30 Oktobra 2017

Shina: Hetsi-panoherana Am-pilaminana

Toa mitohy hatrany ny olan'ny mponina ao amin'ny tanànakely ao Huacao any ambanivohitra distrikan'i Minxing ao Shanghai. Nampiseho ny tatitra avy amin'ny fampitam-baovao tao tanibe roa taona mahery lasa izay fa rehefa niandry nandritra ny taona maro ireo mponina dia tsy mbola nahazo ny onitra tamin'ny fivarotana ny taniny

30 Oktobra 2017

Bilaogin'ny Skoto Shiliana

Nisy tao Shily nandritra ny 96 taona ny hetsika Skoto. Manana mpitarika mampiroborobo sy mizara ny soatoavina ara-tsosialin'ny fikambanana ity vondrom-piarahamonina amin'ny tambajotra ity. Amin'izao fotoana izao, tanora maherin'ny 70.000 no mandray anjara ary olon-dehibe 11000 no milatsaka an-tsitrapo ao amin'ny fivondronana skoto 850 manerana an'i Shily.

30 Oktobra 2017