- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: Fanangonan-tsonia ho an'ireo Gadra Politika & Fianjeran'ny Fiaramanidina!

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Mediam-bahoaka

(Marihana fa efa tamin'ny volana Janoary taona 2006 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Bilaogera Iraniana maromaro no nanasonia fanangonan-tsonia iray (taratasy) [1] izay nangatahan'izy ireo ny famotsorana ireo gadra politika ao amin'ny fonjan'i Karaj [2] Rejai Shahr. Nangatahana mba handefa solontena any amin'io fonja io ny Amnesty international [3], Vokovoko Mena [4] sy ny fikambanana hafa mpanao asa soa. Toy izao no vakin'ny fangatahana:

“On the eighth week of the hunger strike of the political prisoners in Rejayi Shahr Prison, the government of Islamic Republic of Iran [5] , has relocated the prisoners to facilities with harsher conditions, instead of assessing their demands.
Political prisoners in Iran live in the worst of conditions. Many of them have lost function in parts of their bodies as a result of the medieval tortures. The prisoners are constantly harassed, their cells raided and their belongings are looted regularly. Many political prisoners are kept in solitary confinements for prolonged periods. The Iranian government accepts no responsibility to provide food, medical care and even security for the lives of the political prisoners”.

Tamin'ny herinandro fahavalo nitokonana tsy hihinan-kanina nataon'ireo gadra politika ao amin'ny Fonjan'i Rejayi Shahr, namindra ireo gadra tamin'ny toerana tsizarizary ny governemantan'ny Repoblika Islamika ao Iran [5], fa tsy mba nandinika ny fangatahan'izy ireo.
Miaina anaty fepetra ratsy indrindra ireo gadra politika ao Iran. Maro amin'izy ireo tsy afaka mampiasa ny ampahany amin'ny vatany noho ny fampijaliana matetika. Mijaly tsy tapaka ireo voafonja, tafihana ny efitra misy azy ireo ary alaina an-keriny hatrany ny fananan'izy ireo. Maro amin'ireo gadra politika no voatazona amin'ny toerana mitokana mandritra ny fotoana maharitra. Tsy manaiky handray andraikitra ny governemanta Iraniana mba hanome sakafo, fitsaboana ara-pahasalamana eny fa na ny fiarovana ny ain'ireo gadra politika aza “.

Anisan'ireo bilaogera nanao sonia io fanangonan-tsonia io i Zeytoun,  [6]bilaogera mavitrika ao Iran, Batebi,  [7]mpianatra izay efa nandany taona maromaro tany am-ponja ary bilaogera hafa maherin'ny 20 tamin'ireo nanasonia mitotaly 140.

Miresaka momba ny fianjeran'ny fiaramanidina vaovaon'ny miaramila [8] ny bilaogera sasany, izay nahafatesana olona 13, anisan'izany ireo mpitarika mpiambina revolisionera maromaro. FM Sokhan [9], mpanao gazety sady bilaogera monina ao Iran, nilaza fa vao avy nividy fiaramanidina Rosiana sy Shinoa efa nampiasaina i Iran. Tsy maintsy miandry fianjerana fiaramanidina vaovao isika.
Zannevesht [10], Ramatoa Parastoo Dokohi avy ao Iran, nilaza fa tsy afaka miresaka momba ny firaisana tsikombakomba na olana ara-teknika mikasika ity loza ity isika. Satria tsy afaka mahazo vaovao isika. NasimDasht [11], bilaogera ao Iran nilaza hoe:

We must change our anti American policy and down with US slogans. Reality is that we need US to supply us airplanes or let European doing it“.

“Tsy maintsy manova ny politikantsika anti-Amerikana sy ny teny filamatra midaraboha i Etazonia isika. Ny tena zava-misy dia mila an'i Etazonia isika mba hamatsy fiaramanidina ho antsika na mamela ny Eoropeana hanao izany”.

Nampiany fa nanjary niha-marefo eo amin'izao tontolo izao ny toeran'i Iran ary ao anatin'ny mpifanolo-bodirindrina amintsika i Etazonia. Fotoana hanovàna politika izao.
Caneh [12], bilaogera monina any Iran, nilaza fa tsy mieritreritra firaisana tsikombakomba hamono mpiambina revolisionera izy. Zavatra maro fotsiny no tsy mandeha ao Iran satria tsy misy olona amin'ny toerana sahaza na tsy misy olona miraharaha ny asany.