- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bilaogy Vaovao Ifarimbonana, Feo Shiliana Vaovao

Sokajy: Amerika Latina, Shily, Mediam-bahoaka

(Marihana fa efa tamin'ny volana Novambra taona 2005 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Teraka tamin'ny herinandro lasa teo tany avaratry ny tanànan'i Arica [1] ny bilaogy vaovao ifarimbonana voalohany ao Shily, “El Morrocotudo [2]”. Efa nahasarika fisoratana anarana 200 avy amin'ny faritra rehetra any Shily ny bilaogy natsangana vao haingana. Ny lohahevitra mahaliana ifantohana dia mikasika ny olana ao an-toerana ao Arica sy ao amin'ny firenena Shiliana ary koa ny olana iraisam-pirenena.

Mpianatr'ilay Senatera Fernando Flores [3], izay nampiroborobo tamim-pivitrihana ny bilaogy ho ampahany amin'ny fampianarany ao amin'ny Anjerimanontolon'i Tarapacá [4] no nampiroborobo ity tetikasa ity. Anisan'ny mpianatra ao amin'ny Foiben'ny Mpanombo-Draharaha vaovao ao amin'ity oniversite ity, izay naorina tamin'ny taona 2001 ny sasany amin'ireo mpianatra.
Tao anatin'ny 15 taona, nanomboka tamin'ny vanim-potoana mpametra tamin'ny governemanta miaramila (1973-1990), afaka nampivelatra ny asany tamin'ny fomba mahaleotena hatrany hatrany ireo mpanao gazety. Na izany aza, niova nankany anatin'ny tontolo tsy mazava ny fanovana ny fomba amam-panao amin'ny asa fanaovan-gazety. Nanakatona ny bilaoginy  [5]vao haingana i Mauricio Hoffman, mpanolotra vaovao malaza amin'ny fahitalavitra taorian'ny tsy fifankahazoan-kevitra momba ny fandalinany manokana momba ny media, izay nahatonga adihevitra mikasika ny bilaogy sy ny maha-izy azy teo amin'ny vahoaka .

Etsy andaniny, saika ny 90%n'ny tsenan'ny gazety  [6]no an'ireo orinasa roa lehibe: Copesa [7] (mpamoaka ny “La tercera”, “La Hora”, “La Cuarta”, “Siete mas siete”) sy ny El Mercurio [8] ( miaraka amin'ny “El Mercurio”, “Las Ultimas Noticias” sy ny “La Segunda”). Izany toe-draharaha izany no nandrisika ireo vondrona mpanao gazety mavitrika nanangana bilaogy [9] mba hiresaka ireo lohahevitra tsy tian'ny media efa misy havoaka.

Amin'izao fotoana izao, manana ny rafitra RSS azy manokana ao amin'ny votoatin-dahatsorany  [10]- ho an'ny gazetiboky momba ny tanora, “Zona de Contacto [11]” ny tsenan'ny gazety, El Mercurio.  Avy any Copesa, misy ireo bilaogy hanaovana fizarana ara-panatanjahantena ao amin'ny “La Tercera [12]” sy ny gazety be mpividy indrindra “La Cuarta [13]”, na izany aza, tsy misy ny olana lehibe.

Blaogy vaovao iray hafa, “Lanalhue Noticias [14]”, notontosain'ny olona liana tao an-toerana no niseho vao haingana tany Cañete, tanàna kely iray maherin'ny 2 000 maily atsimon'i Arica; na dia tsy mitovy amin'ny “El Morrocotudo” aza, afaka maneho hevitra fotsiny amin'ny lahatsoratra, fa tsy mandefa lahatsoratra ny vahoaka.

Natsangana ny bilaogy vaovao Shiliana avy eny ifotony “El Morrocotudo [2]” sy ny “Lanalhue Noticias” mba hanolotra vaovao amin'ny fomba fandraisana anjara samihafa ary hanome safidy hafa ahafahan'ny olon-tsotra mandray anjara amin'ny adihevitra momba ny olan'ny firenena.