- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shina: Ao Beijing Ireo Pandas Olaimpika

Sokajy: Shina, Mediam-bahoaka, Saripika, Tontolo_iainana, Voina, Lalao Olaimpika

(Marihina fa tamin'ny 9 Jona 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Toa miasa ao amin'ny Valan-javaboary Wolong [1] ao Wenchuan, Sichuan, izay ivon-toeran'ny horohorontany tamin'ny volana lasa teo ilay bilaogera EastIsRed66 ao amin'ny sehatra famahanana bilaogy Sina.com . Nanokatra bilaogy vao haingana izy ary nandefa antserasera ny sarin'ireo pandas miisa valo miaina ao amin'io valan-javaboary io izay natao famantarana ny Lalao Olaimpika.

Mipetraka ao amin'ny valan-javaboary ao Beijing ireo pandas miisa valo ireo amin'izao fotoana izao, hoy izy nanoratra [2], nalefa fiaramanidina izy ireo nafindra toerana taorian'ny horohorontany.

[2]

Tao amin'ny lahatsoratra [3]iray hafa izay nivoaka tamin'ny volana lasa teo, namoaka sary maromaron'ireo pandas nalaina nandritra ny horohorontany ilay bilaogera, ary nahitàna azy ireo nifamihina sy nihorohoro. Nandositra nandritra ny horohorontany ny Panda miisa roa hafa.