(Marihana fa efa tamin'ny volana Desambra taona 2005 ny lahatsoratra teny Anglisy)
Fomba tsara hanaovana fitsidihana virtoaly an'i Shily ny mahafantatra ireo bilaogy Shiliana momba ny sakafo, ny fomba amam-panao sy ny kolontsaina.
Ao amin'ny La Buena Vida (ES) [1] (“Ny fiainana tsara”), mamoaka lahatsoratra momba ireo trano fisakafoanana vaovao sy mangataka ny hevitr'ireo mpamaky momba ny toerana hahitana “Pisco Sour [2]” tsara indrindra na “sandwich” tsara indrindra ao Santiago, renivohitr'i Shily i Alvaro.
Ho an'ireo mpankafy divay, manome vaovao sy fampahalalana momba ny divay Shiliana isan-karazany ao akaikin'ny tendrombohitra Andes ny Andes Wine [3], ary amin'ny teny Anglisy izany!
Ho an'ireo taranaka razambe Shiliana, nandefa ny ahiahiny mifandraika amin'ny politika sy ny fampianarana ireo bilaogera ao amin'ny Cultura Mapuche y Educación (ES) [4] (Kolontsaina sy Fampianarana Mapuche). Eo amin'ny sehatry ny mozika, mitatitra vaovao momba ireo tarika ao amin'ny firenena, ny fitsidiham-paritr'izy ireo ary koa ny mozika iraisam-pirenena ny Super 45 (ES) [5].