- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fifidianana Ao Shily: Ny Hevitr'ireo Bilaogera

Sokajy: Amerika Latina, Shily, Mediam-bahoaka

(Fanamarihana: efa tamin'ny Desambra 2005 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Herinandro latsaka mialoha ny fifidianana filoham-pirenena izay hatao ny 11 Desambra, mamoaka ny mety ho azon'ireo kandidà amin'izao fotoana izao ireo bilaogy politika sasantsasany. Manome isan-jato vitsy tsy tahaka ny fitsapan-kevitra teo aloha ho an'i Michelle Bachelet [1], kandidà vehivavy tokana (ilay be mpitia indrindra)  ny “Fifidianana 2005 [2]”, bilaogy mitatitra izay voalazan'ny gazety, mandalina ny fitsapan-kevitra farany, satria araka ny asehoan'ny fanadihadiana ankehitriny, tsy misy mahazo 50% na mihoatra ny iray amin'ireo kandidà. Raha mihemotra i Bachelet, mety hiova tanteraka ny tranga misy ankehitriny, ka mety ho voafidy amin'ny fihodinana faharoa amin'ny fifidianana Janoary 2006 ny iray amin'ireo kandidà roa avy amin'ny Alianza for Chile [3], izay mifaninana amin'ny toerana roa samihafa sy mifaninana amin'i Bachelet. Raha hitranga izany, hanana fahafahana handresy amin'ny fifidianana ny elatra havanana, ary hamarana ny fitondrana governemanta 16 taona amin'ny alalan'ny fiaraha-mitantanan'ny antoko afovoany sy ny antoko havia antsoina hoe La Concertación [4] (raha nifarana tamin'ny fiandohan'ny taona 1990 ny governemanta miaramila).

Patricio Navia [5], mpampianatra siansa politika, namoaka [6] ny fandalinany momba ny fikarohan'ny CEP [7] farany, (Foibe Fikaroham-bahoaka), izay nanazavany ny fahaverezan'ny lazan'i Bachelet, izay 63,9% tamin'ny volana jona, ary nilatsaka ho 53, 9% tamin'ny volana Oktobra araka ny vokatry ny fanoherana nataon'ireo mpitarika ny fampielezan-keviny ara-politika ny maodely ara-toekarena arahan'ny filoha sosialista amin'izao fotoana izao, Ricardo Lagos [8] izay ankatoavin'ny maro. Mieritreritra i Navia fa misy ampahan'olona avy ao amin'ny La Concertación, izay mankatò ny fisian'ny fisongan'ny toekarena amin'izao fotoana, mahazo aina kokoa amin'ny tolo-kevitry ny iray amin'ireo kandidà avy ao amin'ny La Alianza (Ny Firaisambe), dia ilay mpandraharaha Sebastián Piñera [9], mihoatra noho izay mety ho fiovan'ny politika ara-toekarena mety hitranga amin'ny governemantan'i Bachelet ny ampahany. Tsy mitsaha-mitombo hatrany ny vato azon'i Sebastián Piñera, raha 18,1% tamin'ny volana jona , efa 24,4% tamin'ny volana Oktobra.

Ny  fanadihadian'ny CEP [10]farany tamin'ny volana Novambra dia mampiseho an'i Michelle Bachelet amin'ny 39%, Sebastián Piñera 22%, Joaquín Lavín miaraka amin'ny 21% ary farany, Tomás Hirch mahazo 3%.