- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

  Zazalahikely Valo Taona Notafihan'ny Alika

Sokajy: Azia Atsinanana, Broney, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Tanora

(Marihina fa tamin'ny 30 Aogositra 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

AN EIGHT-YEAR-OLD boy, mauled by a pack of stray dogs, told of the attack in an exclusive interview yesterday and demanded that strays be cleared off the streets.

Zazalahy kely VALO TAONA, notafihin'ny alika mpirenireny, no nilaza ilay fanafihana tao anatin'ny antsafa manokana omaly sy nitaky fa tokony hovonoina ny alika mpirenireny eny an-dalambe.

- Brunei Times [1], 30 Aogositra 2006

Hanaiky ny fanirian'ity zazalahy kely ity ve ny mpanapa-kevitra ara-politika ao amin'ny Govenemanta? Toa tahaka ny henjana loatra izany, tokony hovonoina tsirairay ve ireo alika mpirenireny. Angamba mety ho tsy mifaditrovana  mihitsy aza izany.

Tsy misy mpiahy sy tsy manan-kialofana ireo alika ireo, mirenireny izy ireo, tsy misy mpitia, ​​halan'ny fiarahamonina. Any amin'ny firenen-kafa, omena fonenana ny biby fa  tsy misy na iray aza izany eto Brunei . Voalohany indrindra, mifanohitra amin'ny fitsipiky ny finoana Islamo satria haram [fady] ny fananganana toeram-pialofana ho an'ny biby iray, izay ho feno alika mpirenireny.

Ny antony faharoa tsy mampisy ny toeram-pialofana ho an'ny biby dia ny hoe, tsy misy olona, ​​na olona manana toerana ambony, na fianakavian'ny mpanjaka manokana no liana amin'izany. Raha ho an'ny Governemanta kosa dia fandaniam-bola tsy ahitana tombony izany.

Nilaza i LSM [2] tao amin'ny lahatsorany androany, raha nahare ny fanafihan'ny alika hoe,

The current inaction after the attack betrays the truth: we lack any credible solution and all we can do is “monitor the situation”. Now more than ever we need a candidate to act as a buffer, something that will help stay the problem even momentarilly and thereby act as a hinderance to those who would call for a quick fix, cruel or otherwise. The boy’s attack has not gone unnoticed by the public whose insistence leaves no room for misinterpretation: something needs to be done immediately for the safety of our children. This demand for urgency and expedience may influence those in charge to disregard their humanity in search for a solution. The public wants a solution now but should we once again offer a cruel one? Wouldn’t the safety of our own children warrant that any means be employed?

Mamadika ny marina ny tsy fandraisana andraikitra taorian'ny fanafihan'alika amin'izao fotoana izao : tsy misy ny vahaolana azo itokisana ary ny “manara-maso ny toe-draharaha” no hany azontsika atao.  Mila mpirotsaka an-tsitrapo isika mba hiasa ho mpanelanelana manomboka eto, izay hanampy amin'ny famahana ny olana na dia vonjimaika fotsiny aza ary mba hanakanana ireo mitaky ny vahaolana haingana, tsy mifaditrovana na hafa noho izany. Hitan'ny olona ny fanafihana an'ilay zazalahy izay nitaky tao anatin'ny fitantarana tsy nisy diso: tsy maintsy mandray fanapahan-kevitra avy hatrany isika ho fiarovana ny zanatsika. Ity fahafahana mangataka ao anatin'ny hamehana ity dia mety handrisika ireo tompon'andraikitra tsy hiraharaha ny maha-olona mba hitadiavana vahaolana. Mila vahaolana ny vahoaka amin'izao fotoana izao kanefa tokony hampiasa ny fo vato indray ve isika? Moa ve tsy manamarina ny fiarovana ny zanatsika fa tokony hisy ny fitaovana hampiasaina?

Mitombina ny tahony. Vonona ny hiroso amin'ny fikarakarana biby ara-etika mba hiarovana ny zanany ireo ray aman-dreny sahiran-tsaina manerana ny firenena ao amin'ny fiarahamonina iray izay hiheverana ireo alika ho zavatra fady.