- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shina: Ny Fanavotana Ny Lahatsary 

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Hevitra, Lalàna, Mediam-bahoaka, Sarimihetsika, Teknolojia, Zon'olombelona

(Marihina fa tamin'ny 12 Septambra 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Haingana dia efa nivoaka ny vaovao tamin'ny alalan'ny bilaogy Shinoa  sy ny BBS rehefa nivoaka hanao hetsi-panoherana ny fanambarana farany ofisialy momba ny fanadihadiana mikasika ny fahafatesan'i [1] Dai Haijing, mpampianatra sekoly ambony ny olom-pirenena  an'aliny ao Ruian [2], Zhejiang [3] na dia teo aza ny fandrarana avy amin'ny fampahalalam-baovao mahazatra’.

Raha naka lahatsary fohy ireo olona teo an-toerana [4] niaraka tamin'ny finday ary nandefa izany tao amin'ny aterineto, dia tsy ela akory [5] dia nanomboka namafa [6]izany ny Youtube dika Shinoa .

Tsy ny bilaogeran'ny Global Voices Online ihany [7] no tratran'ny tsy nampoizina noho ireo fanjavonan'ny  lahatsary fohy tampoka [8], na ny tsy fahafantarana ny fomba atao mba hanavotana ny lahatsary, ary nanolotra fa ilaina ny  valintenin'ny tontolon'ny bilaogy Shinoa hanavotana haingana ny lahatsary ho fahanavotana ny asa. Misy liana ve?

Ireto [9]misy soso-kevitra vitsivitsy amin'ny fomba hanavotana ny lahatsary avy amin'ny tranonkala toy ny Youtube.