14 Oktobra 2017

Tantara tamin'ny 14 Oktobra 2017

Shina: Ny Fanavotana Ny Lahatsary 

Haingana dia efa nivoaka ny vaovao tamin'ny alalan'ny bilaogy Shinoa  sy ny BBS rehefa nivoaka hanao hetsi-panoherana ny fanambarana farany ofisialy momba ny fanadihadiana mikasika ny fahafatesan'i Dai Haijing, mpampianatra sekoly ambony ny olom-pirenena  an'aliny ao Ruian, Zhejiang na dia teo aza ny fandrarana avy amin'ny fampahalalam-baovao mahazatra'.

14 Oktobra 2017

Iran: Fahatezerana Tamin'ilay Libaney Mpitarika Ny Hezbollah

Bilaogera Iraniana maromaro no naneho hevitra tamin'ny lahatsary an-tserasera iray nahitana ilay Libaney mpitarika ny Hezbollah , Sayyid Hassan Nasrallah, nanao filazana mampifanditra fa tsy manana sivilizasiona Persiana i Iran fa islamika ihany, ary avy amin'ny razambe Arabo ny mpanorina ny Repoblika Islamika.

14 Oktobra 2017

Tsy Hita Tany Kambodza I ​​Eddie Gibson

Tamin'ny volana Oktobra 2004, tsy hita i Eddie Gibson, 19 taona rehefa nandeha tany Kambodza avy any Thailandy. Tsy nisy olona nahafantatra ny toerana misy an'ity mpitsangatsangana Anglisy ity mihitsy hatramin'izao. Efa nandalo tany Kambodza ireo ray aman-dreniny ary nanome valisoa ho an'izay manome vaovao momba an'i Eddie Gibson izy ireo.

14 Oktobra 2017