- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Miraondraona Ny Bilaogy Ao Bangladesh

Sokajy: Azia Atsimo, Bangladesh, Fivavahana, Mediam-bahoaka, Sarimihetsika

(Marihina fa tamin'ny 28 Jona 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Ny zava-nitranga farany indrindra tao Bangladesh izay mampifandray ny bilaogy manerantany:

* Fizahan-tany :  Nitsidika an'i Mainamati [1] izay ahitana ny toerana arkeolojika bodista maromaro ny mpizahatany iray tao Bangladesh.

* Sary: Namoaka ny sarin'i Sonargaon [2]i Zev , renivohitry ny fanjakàn'i Isa Khan  teo aloha ao Bengal. Eo akaikin'ny tanàndehiben'i Narayanganj ankehitriny ao Bangladesh no misy azy. Sary maromaro avy amin'i Zev ahitana an'i Dhaka fahiny [3], renivohitr'i Bangladesh ankehitriny.

* Fiarahamonina:  Miresaka momba ireo olana lehibe roa ao amin'ny fiarahamonina Bangladeshita “Rahoviana no tokony hanambady [4]“: Aloha sa aorian'ny fahavitan'ny fianarana?  ny bilaogin'i Adhunika, ary ny momba ny toeran'ny vehivavy tsy manam-bady eo amin'ny fiarahamonina . [5]

* Fanadihadiana: Manadihady momba  ny sarimihetsika Bengali: Ontorjatra (Tanindrazana) [6] novokarin'i Tareque Masud sy i Catherine Masud ilay mpanao gazety Ahmede Hossain.

* Fivavahana: Nahita i Sadiq tao anatin'ny fikatsahana ny fahamarinana sy ny fahamasinana fa nandeha tany India ihany koa i Jesoa. [7]

* Mondialy: Nanoratra ny fomba tena mahatonga ny saimbôlisma ateraky ny baolina kitra [8] ho tena mampihetsi-po i Shafiur. Namaritra [9]ny fihofahofam-panevam-pirenena hita teny rehetra eny i Mezba .

* Bilaogy sy fihariana: Nanamarika i Razib avy ao amin'ny South Asia Biz Blog fa afaka manampy ireo orinasa any Azia Atsimo mba hiroborobo ny bilaogy.

* Fonenana: Leo [10]an'ilay Amerikana mpifanolo-bodirindrina aminy ilay vahiny teratany Holandey monina ao Dhaka.

* Famahanana bilaogy Bangla : ” Omeo kahie aho dia hanome anao vondrom-piarahamonina [11]” – Hasin Hayder ilay lehilahy ao ambadiky ny sehatra famahanana bilaogy mahatalanjona Bangla  “Somewhereinblog.net [12]” dia nanoratra ny fomba nahaterahan'izany sy ny fivoarany farany. Manana eritreritra ny hampivelatra izany amin'ny vondrom-piarahamonina midadasika kokoa izy.