- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nikatona ny Cambodia Daily Rehefa Nandrahona Azy Hampandoa Hetra Mihoa-Pampana ny Governemanta

Sokajy: Azia Atsinanana, Kambodza, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fanoherana, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, GV Mpisolovava
[1]

#SavetheDaily. Loharano: pejy Facebook foibe kambojiana misahana ny zon'olombelona

Fivoahan'ny [2] Cambodia Daily natao printy farany tamin'ny 4 Septambra 2017 rehefa namelaka azy handoa hetra 6,3 tapitrisa dolara ny governemanta.

Nohazavain'i Deborah Krisher-Steele, tompon-gazety ny mahatonga ny raharahan-ketra ity ho any amin'ny fikatonan'ny gazety izay nanomboka niasa tamin'ny taona 1993:

The power to tax is the power to destroy. And after 24 years and 15 days, the Cambodian government has destroyed The Cambodia Daily, a special and singular part Cambodia’s free press. The Daily has been targeted for an astronomical tax assessment, leaks and false statements by the tax department and public vilification by the head of government.

Ny fahefana hampandoa hetra no fahefana handrava. Ary afaka 24 taona sy 15 andro dia nahapotika ny Cambodia Daily, singan'ny fahalalahan-gazetin'i Kambodza manokana sy miavaka, ny governemanta kambojiana. Lasibatry ny fanombanana mihoa-pampana, poritsaka ary filazana diso ataon'ny departemantan'ny hetra sy ny fanasoketana ataon'ny lehiben'ny governemanta ny Daily.

Nampakatra ny raharaha [3] [mg] fanadihadiana sy ny fifampiraharahana ity ny Cambodia Daily amin'ity raharahan-ketra ity saingy nitsipaka ny ijerena indray ny raharaha ny governemanta. Misy ny mieritreritra fa ny tsy fahazotoan'ny departemantan'ny hetra hamaha ny fangatahan'ny Cambodia Daily dia taratry ny hevitra ijoroan'ny [4] Praiminisitra Hun Sen, izay efa niampanga ireo olona miasa mafy ao ambadiky ny gazety ho “mpangalatra” sy “mpanompom-bahiny”.

[5]

Tamin'ny taona 1993 no nanomboka nivoaka ny Cambodia Daily. Loharano: Facebook

Mis ireo vondrona fampitam-baovao tahaka ny Southeast Asian Press Alliance mihevitra [6] fa misy ifandraisany amin'ny fifidianana amin'ny taona 2018 izao fanakatonana ny Cambodia Daily izao:

We view these closures as part of a broader campaign to muzzle critical voices and to clamp down on freedom of expression ahead of the July 2018 national election. Media freedom is a fundamental component of any democracy, and it must be preserved in order for next year’s election to be free and fair.

Mahita izao fanakatonana izao ho hetsika lehibe hanakombonam-bava ireo feo mitsikera sy hanampenam-bava ny fahalalaham-pitenenana mialoha ny fifidianam-pirenena amin'ny jolay 2018 izahay. Fototra iray iorenan'ny demaokrasia ny fahalalahan'ny fampitam-baovao, ary tsy maintsy tandrovina mba hampalalaka sy hampahitsy ny fifidianana amin'ny herintaona.

Efa telopolo taona izao ny antoko mitondra ao Kambodza no teo amin'ny fahefana Mbola manjaka izy eo amin'ny politika eny ifotony saingy maro ny toerana very tamin'ny fifidianana ankapobeny tamin'ny taona 2013.

Ankilan'ny Cambodia Daily,dia radio mamoaka ny fandaharan'ny mpanohitra any amin'ny faritany 19 no nitsahatra tamin'ny fampielezam-peo noho ny filazana fa manitsakitsaka ny fahazoan-dalana.

2. Tsy nandray na dia ariary tamin'i Kambodza aza i Bernie Krisher. Tsy mba nanararaotra tamin'ny firenena na ny vahoakany mihitsy izy.

Ho voina lehibe ho an'ny demaokrasia kambojiana ny tsy fahitana ny @cambodiadaily [8]. Indrisy fa tsy ho feno ny marainako rehefa tsy misy azy.

Ny filazana ho famoretan'ny governemanta izay feo mitsikera azy dia tsy manao ho lasibatra samirery ny fampitam-baovao fa ny ONG vahiny sy ny mpitarika ao amin'ny fanoherana ihany koa.

Notsipahan'ny [11] mpisolontena ny governemanta ao amin'ny biraon'ny Firenena Mikambana ao Zeneva ny filazana fa ny fampitam-baovao mitsikera ihany no lasibatra:

The fact is that currently numerous newspapers, non-governmental organizations, and radio stations are in operation freely and harmoniously in Cambodia except a handful of them, why? Because the latter do not fulfill their duties in respecting the existing law and regulation of the host state.

Ny zavamisy dia maro ny gazety, fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana ary toby fampielezam-peo no miasa malalaka sy mirindra ao Kambodza ankoatra ny tena vitsy amin'izy ireo, nahoana? Satria ireto farany dia tsy manatontosa ny andraikiny amin'ny fanajana ny lalàna misy sy ny fitsipiky ny fanjakana mampiatrano azy ireo.

Nanitrikitrika [12] ny mpitondratenin'ny governemanta Phay Siphan fa tsy misy idiran'ny politika ny raharaham-pitoriana ara-ketra atao amin'ny Cambodia Daily:

The Daily itself is speaking with political intentions to cover up that they don’t want to pay taxes. They wrote to the prime minister to help. This has nothing to do with prime minister – it is an issue with the department of taxation.

Na ny Daily aza dia miteny misy ambadika politika hanafenana fa tsy te-handoa hetra ry zareo. Manoratra amin'ny praiminisitra izy ireo hanampy. Tsy misy idiran'ny praiminisitra io – raharaha ifanaovana amin'ny departemantan'ny fandoavan-ketra io.

 

[13]

Ny fivoahana faran'ny Cambodia Daily. Loharano: Facebook

Alan Parkhouse, tonian'ny Khmer Times, naneho [14] ahiahy amin'ny manjò ireo mpanangom-baovao ao an-toerana miasa ao amin'ny Cambodia Daily. Saingy nosoratany avy hatrany ihany koa ny raharahan-toebola hafa mahatafiditra ny gazety :

The Daily, which for most of its 25 years operated as a non-profit NGO newsletter training local journalists, also never paid to use stories from news agencies like Reuters or Agence France Presse and in the past it never paid for the right to reprint stories from major newspapers in the United States.

This free access to wire services and lifting rights from other papers was done under the guise of being a charity or NGO newsletter set up to train local journalists.

Ny Daily, izay niasa nandritra ny 25 taona amin'ny maha-gazetin'ny ONG tsy mitady tombontsoa mampiofana mpanao gazety ao an-toerana azy, dia tsy nandoa vola mihitsy tamin'ny fampiasana ireo tantara avy amin'ny sampana mpanangom-baovao tahaka ny Reuters na Agence France Presse ary teo aloha dia tsy nandoa vola amin'ny zo hiprinty indray ireo tantara avy amin'ny gazety lehibe any Etazonia.

Izany fampiasana maimaimpoana ireo servisy an-kosina izany sy ny fanesorana ny zo avy amin'ny gazety hafa izany dia natao tao anati'ny filazana azy ho mpanao asa-soa na gazetin'ny ONG natao hanofana mpanao gazety ao an-toerana.

Na eo aza ny andraikitry ny Cambodia Daily, dia tsy nomena fotoana ampy hamaliana ny raharahan-ketra sy ireo fandikan-dalàna hafa nolazaina ho nataony ilay gazety.

Ny fanambarana navoakan'ny Overseas Press Club of Cambodia [Klioban-Gazety Ampitan-dranomasina] no mamehy [15] ny ahiahin'ny vondrona mpandala ny zon'olombelona amin'ny fiantraika ara-politikan'ny fanakatonana gazety iray malaza izao:

…the Kingdom lost a significant aspect of its media diversity. It lost a training ground for a generation of Khmer journalists. It lost a beacon of free speech. It lost its most prolific chronicler of current affairs, a paper whose 24 years of daily editions will long serve as a first draft to modern Cambodian history.

“…Nanary ny endrika manandanjan'ny fimaroan'ny fampitam-baovao ao amin'ny ny Fitondrana Entim-Panjaka. Nanary ny kianja fanazarantenan'ny mpanao gazety Khmer. Nanary ny jirobe iray fahazavan'ny fahalalaham-pitenenana. Nanary ilay mpanao matoandahatsoratra mavitrika indrindra amin'ny firesahana raharaha mitranga amin'izao fotoana, gazety izay hampiasaina ho vakiraoka voalohan'ny tantara maoderina kambôjiana ireo famoahana nataony tao anatin'ny 24 taona.