- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Miaraha aminay Mivantana! Iraka: Milaza Ny Tena Tantara Marina Ve Ny Fampitam-baovao?

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràka, Ady & Fifandirana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana

(Marihina fa tamin'ny 6 aprily 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Reuters- Adihevitra momba ny famokaram-baovao: Iràka [1]

Kitiho eto [2] raha hiaraka aminay hifanakalo hevitra mivantana izay ahitana raha toa ka tena mitati-baovaon'i Irak tsy misy fitongilanana ny fampitam-baovao. Azonao atao ny mijery na mihaino mivantana ao amin'ny habaka ary miditra amin'ny fifanakalozan-kevitra antserasera mba hanehoanao ny fomba fijerinao.

Mpikambana maro ao amin'ny vondrom-piarahamonin'ny Global Voices no mamahana bilaogy mivantana mikasika ny hetsika: ny Toniandahatsoratra avy any Afovoany Antsinanana/Afrika Avaratra Haitham Sabbah [3] , ny mpiara-miasa avy ao Iraka Salam Adil [4], ny bilaogera Irakiana-Aostraliana izay mipetraka any Etazonia, Fayrouz Hancock [5] , i Omar avy ao amin'ny famahanana bilaogy Iraq the Model [6] ao Baghdad, ary ny bilaogera Irakiana Raed Jarrar [7] (izay ho tonga hanatrika ny efitrano famoaham-baovao ao New York). Azo jerena ao amin'ny tranonkalan'ny hetsika [2] ny ireo hafatra RSS sy ny hafa.

Jereo eto ny fanazavana bebe kokoa sy ny fomba handraisana anjara . [8]