- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpanao Gazety Thailandey Sy Mpitsikera ny Governemanta Enti-Miaramila Miatrika Fiampangana Fampisaraham-bazana Noho Ny Lahatsoratra Facebook

Sokajy: Azia Atsinanana, Thailandy, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, GV Mpisolovava
[1]

Avy eo ankavia miankavanana : Pravit Rojanaphruk, Watana Muangsook, ary Pichai Naripthaphan.

Tamin'ny herinandro lasa,  voampanga [2] ho mampisara-bazana noho ny lahatsoratra mitsikera ny governemanta enti-miaramila ireo mpisera  Facebook miisa telo tao Thailandy .

Nampandrenesin'ny polisy mikasika ilay fiampangana fampisaraham-bazana ireo mpanao gazety zokiolona Pravit Rojanaphruk, Watana Muangsook ao amin'ny antoko politika Pheu Thai [3], ary ny minisitry ny angovo teo aloha Pichai Naripthaphan  .

Nandrombaka [4] ny fahefana ny miaramila tamin'ny taona 2014 ary mbola mitondra ny firenena amin'ny alalan'ny Lalàmpanorenana izay nolaniany tamin'ny taona 2016. Ankoatra ny fifehezana hentitra ny fampahalalam-baovao, dia manao fanenjehana amin'ny fomba mahery vaika ihany koa izy ireo na io olona voampanga ho nanivaiva ny mpanjaka na nanakiana ny fitondrana miaramila. Nametraka ny lalànan'ny Lese Majeste (manohitra ny faniratsirana ny Fanjakana) i Thailandy, izay hinoan'ny mpitsikera fa hanaovan'ny tafika fanararaotana mba hampanginana ny feon'ny mpanohitra .

Nanoratra [5] i Pravit, mpanao gazety matihanina ao amin'ny vohikalam-baovao Khaosod English, tamin'ny 1 Aogositra 2017 mikasika ny fomba namantarany ilay raharaham-pampisaraham-bazana :

I received a call from the Deputy Superintendent of the Technology Crime Suppression Division informing me at about 6.40pm that a police of the rank of Police Lieutenant Colonel is charging me of violating sedition law through an estimate 5 Facebook postings. I insist that I criticize the military regime in good faith […] I will continue to criticize the illegitimate military regime until they take away my smartphone.

Naharay antso avy any amin'ny Mpitantana Lefitry ny Sampandraharahan'ny Ady Amin'ny Heloka Ara-Teknolojia aho tamin'ny 6 ora 40 mn hariva izay nampahafantatra ahy fa miampanga ahy tamin'ny fandikan-dalànan'ny fampisaraham-bazana ny polisy manana grady Lietnà Kolonely noho ny famoahana lahatsoratra Facebook miisa 5 teo ho eo. Nanizingizina aho fa nitsikera ny fitondrana miaramila tamim-pahamarinana […] Mbola hanohy ny fanakianana ny fitondrana miaramila tsy ara-dalàna foana aho mandra-panendahan'izy ireo ny smartfindaiko.

Tsy nampahafantatra azy ny polisy hoe iza tamin'ireo lahatsoratra tao amin'ny Facebook nosoratany [6] no heverin'ny fanjakana fa mandrisika fampisaraham-bazana.

‘Nasain”-ny tafika i Pravit teo aloha mba hiatrika ny fivoriana mikasika ny ‘fanitsiana toetsaina’ [7]. Ity fihazonana tsy mahazatra ity dia fomba hanenjehan'ny tafika ireo mpitsikera mivantambatana ao amin'ny fampitam-baovao sy ny tontolon'ny fampianarana ambony.

Raha hita fa meloka, dia mety hahazo sazy an-tranomaizina hatramin'ny 20 taona i Pravit.

Fanitsiana: Rehefa nijery ny @ TLHR2014 indray, dia hita fa 20 taona farafahabetsany ny sazy an-tranomaizina fa tsy 60 taona. Tokony ho faly ve aho?

Mandritra izany fotoana izany, miatrika fiampangana kolikoly [13] amin'izao fotoana izao i Pichai izay niasa teo ambany fahefan'ny praiminisitra teo aloha, Yingluck Shinawatra [14]. Araka ny Khaosod English, nandefa ity sata manaraka ity izay nohavaozina tao amin'ny Facebook i Pichai , izay nolazainy fa nosoratany [15] tamin'ny ‘fo madio':

If the government does not solve it in time, the economic situation will keep deteriorating, like a frog in a pot that gradually boils. I hope the Thai government and Thai people will realize this in time, and be the frog that leaps out before the water boils.

Hiharatsy ny raharaha ara-toekarena raha toa ka tsy mamaha izany ara-potoana ny governemanta, toy ny sahona ao anaty vilany izay mangotraka tsikelikely. Manantena aho fa ho tonga saina amin'izany ny governemanta sy ny vahoaka Thailandey rehefa mandeha ny fotoana, ary izy ireo no ho sahona izay hitsambikina hivoaka raha mbola tsy mangotraka ny rano.

Mpikambana iray hafa  ao amin'ny fitantanan-draharahan'i Yingluck i Watana izay nampangain'ny [16] polisy ho nanao fitarihan-dalana diso ny vahoaka momba ny rafi-pitsarana sy ny fitondrana enti-miaramila tamin'ny alalan'ny lahatsoratra izay nalefany tao amin'ny Facebook .

Samy mpikambana ao amin'ny antoko eo amin'ny fitondrana i Pichai sy Watana talohan'ny fanonganam-panjakana nataon'ny miaramila tamin'ny taona 2014.

Voampanga tao anatin'ny herinandro iray avokoa ireo mpanao politika roa ireo tamin'ny fotoana nitsarana an'i Yingluck ho nanao kolikoly nifandraika tamin'ny fitantanana ny fanampiam-bary, izay nahatonga ny olona sasany hanontany tena raha toa ka natao hampanginana ny mpanohana an'i Yingluck ny fiampangana.

Nahatonga ny mpisera Twitter sasany haneho hevitra mikasika ny famerana ny fahalalahana miteny ao amin'ny firenena  ireo vaovao fitoriana fampisaraham-bazana izay atao amin'ireo mpitsikera ny fitondrana miaramila :

Nahoana ny olona no voampanga amin'ny fampisaraham-bazana noho ny fanoherana ny governemanta tsy ara-dalàna izay tonga teo amin'ny fitondrana tsy araka ny lalàmpanorenana, sy nanongana governemanta voafidy tamin'ny fomba demaokratika?

Naneho an'i Prayut, lehiben'ny tafika teo aloha, izay nitarika ny fanonganam-panjakana tamin'ny taona 2014, ary praiminisitra ao amin'ny firenena ankehitriny ny sioka iray :

Ny sariitatra androany- Pravit sa Prayut

Vao mainka nampitombo ny ahiahy mikasika ny fahavononan'ny governemanta enti-miaramila amin'ny famerenana ny fitondrana sivily sy ny demaokrasia ao amin'ny firenena ny fametrahana fitoriana telo samy hafa ireo tamin'ny herinandro lasa izay mitambesatra amin'ireo mpitsikera malaza ny fitondrana miaramila  .