- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bahrain: Vonjeo Ny Marary

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Bahrain, Fahasalamàna, Mediam-bahoaka, Vonjy Voina

(Fanamarihana : Lahatsoratra nivoaka tamin'ny Janoary 2008)

Dokotera no antonasany, nivalaketraka i “Bahraini in Alaska” [1] nanoloana ny fomba tsy manaja ny maha-olona ikarakaràna ny sasany amin'ireo marary any amin'ireo hopitaly goavana ambany fitantanan'ny fanjakana ao Bahrain.

Ity ny tantarany:

مريض أخر في مقتبل عمره مصاب بالسكلر يفارق الحياة بعد توسل مرافقه لطبيب الطوارئ ورفض الاخير ادخاله المستشفى, وأكد الطبيب حسب قول المرافق ان ما يعاني منه المريض من قي واسهال ماهو الا مرض “يهال” لا يستدعي الدخول للسلمانية وطلب منه العودة به للبيت, لكن تقييم المرافق كان أدق من تقييم الطبيب فاخده لعيادة خاصة والتي بدورها استدعت الاسعاف لارجاعه لغرفة الانعاش بطوارئ السلمانية حيث اكد طبيب الطوارئ من جديد عدم حاجته لغرفة الانعاش وأخرجه منها ليعود اليها فاقدا للوعي وبعدها فاقدا للحياة.
Tovolahy iray, tratry ny aretin'ny rà “anemie falciforme” [2], no maty, taorian'ny nitondràn'ireo olona nitondra azy ho any amin'ny hopitaly sy nitalahoan'izy ireo tamin'ilay dokotera tao amin'ny toerana fandraisana vonjiaina mba handraisana azy ao. Nolavin'ity farany izany talaho izany ary notsindriany fa hoe tsy dia misy sarotra sy itairana ny fivalànana sy fandoavana manjo ilay marary ka hoe handraisana azy ho ao amin'ny toeram-pitsaboana Salmaniya Medical Centre ka dia nangatahany ny hitondràna azy miverina mody. Saingy ilay olona nanaraka ny marary nahafantatra tsara ny zavamisy ka nitondra ilay tovolahy ho any amin'ny toerampitsaboana tsy miankina, izay avy hatrany dia niantso fiara mpitatitra marary hamindra azy maika ho any amin'ny efitrano famelomana aina tao amin'ny Sampana Mpamonjy Aina ao Salmaniya. Vantany vao tonga tao amin'ilay hopitaly, mbola namerina indray nanipika ilay dokotera fa tsy ilain'ilay marary akory ny handraisana azy ao amin'ilay efaitrano famelomana aina ary dia navoakany avy tao, dia niverina fotsiny taorian'ny tsy fahatsiarovantenan'ilay marary tena sy namoizany ny ainy.
وهذه ليست حالة منفردة بل حالة متكررة في بلد يعج بمرضى السكلر ويفترض ان يكون الاطباء فيه خبراء في تفاصيل هذا المرض ومضاعفاته, وليس التعامل مع المرض والمرضي قاصرا من الجوانب الطبية فقط بل اسواء من ذلك القصور في الجوانب الانسانية في معاملة المريض وأهله.
فقبل عدة أشهر قال طبيب طوارئ لزوجة مريض بالسكلر ردا على توسلها له بادخاله المستشفى لسوء حالته ” هاذا مو هوتيل مال أبوك !!!” لتاخده مضطرة لمستشفى خاص الذي بدوره أعاده للسلمانية لسؤ حالته ومن ثم للعناية المركزة حيث انتقل الى رحمة الله.
Tsy tranga manokana io fa efa miverimberina ao amin'ilay firenena izay betsaka tokoa ireo olona tratry ny aretin'ny rà (anemie falciforme), ary heverina fa hoe manana fahaizana manokana amin'ireo fepetra rehetra ilaina amin'izany aretina izany sy ny vokadratriny ireo dokotera. Tsy voafetra fotsiny amin'ny resaka endrika ara-pitsaboana, fa idiran'ny fikarakaràna araka ny maha-olona ireo marary sy ny fianakaviany ihany koa ny fiatrehana ny aretina sy ireo marary. Volana vitsy lasa izay, nisy dokotera iray tao amin'ny fandraisana maika ny marary, niteny tamin'ny vadin'ny olona iray tratr'io aretin'ny rà io, izay nandresy lahatra azy mba handray ny vadiny ho ao amin'ilay hopitaly: “Tsy hotelin'ny dadanareo anie ity e !!!” Voatery nitondra ny vadiny nankany amin'ny hopitaly tsy miankina ilay ramatoa, izay namindra azy indray ho ao Salmaniya noho ny fiharatsian'ny fahasalamàny. Maty tao amin'ny toerana fikarakaràna manokana tao amin'ilay hopitaly ilay rangahy.
متى سننصفهم , الى متي نصم أذاننا حتى لا يزعجنا صراخهم , والى متى نجعلهم يتوسلون ما هو حقهم, الي متى نعطيهم البنادول والايبوبروفين لتسكين اوجاع بالكاد يسكنها المورفين؟؟
Rahoviana isika vao hitaky ny rariny ho an'ireny marary ireny? Mandra-pahoviana isika no hanampina ny sofintsika mba tsy ho helingelenin'ny kiakiak'izy ireny? Mandra-pahoviana ry zareo no hanohy hangataka ny zavatra efa zony rahateo? Mandra-pahoviana isika no hanoratra ho azy ireo ny  Panadol [3] sy ny Ibuprofen [4] mba hanamaivanana ny fanaintainan'izy ireny, izay tsy miafara akory amin'ny morphine [5]aza?