- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mbola Notànana Ireo Mpiaro Ny Zon'Olombelona Any Torkia

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Tiorkia, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Zon'olombelona, GV Mpisolovava

Polisy mitifitra baomba mandatsa-dranomaso tao Istanbul nandritra ny hetsi-panoherana Gezi Park, volana Jona 2013. Sary avy amin'i Mstyslav Chernov tao amin'ny Wikimedia (CC BY-SA 3.0)

Nosamborina tamin'ny herinandro lasa [1] ny valo tamin'ireo mpiaro ny zon'olombelona nohajaina indrindra aoTorkia, miaraka amin'ny mpampiofana teknolojia vaovao miisa roa avy any Soeda sy Alemaina. Mbola tazomina any amin'ny polisy [2] izy folo voasambotra ireo kanefa mbola tsy nisy ny fanamelohana azy ireo ho nanao heloka bevava.

Nivory momba ny fiarovana nomerika sy momba ny atrikasa fitantanam-baovao ny vondrona tany Buyukada, iray amin'ireo nosy ao Istanbul, tamin'ny 5 Jolay rehefa nanafika tao amin'ny atrikasa ny polisy, nisambotra ny mpandray anjara ary naka ny fitaovana elekitirônika, anisan'izany ny solosaina sy ny finday. Anisan'ireo voasambotra ny talen'ny Amnesty International ao Torkia, Idil Eser.

Nitatitra ny gazety Tiorka Cumhuriyet [3] fa nisava ny tranon'ny sasany tamin'ireo mpiaro ny zon'olombelona izay voasambotra ihany koa ny polisy, ary naka boky, kapila CD, finday ary fitaovana nomerika. Tamin'ny 11 Jolay, nitatitra ny Hurriyet Daily News [4]  fa “mbola mitohy fisavana ny tranon'ireo nosamborina .”

Nanambara [2]ny Amnesty International tamin'ny 11 Jolay [2] fa mbola hotazomina mandritra ny fito andro fara fahakeliny ireo olona miisa folo.

Namaritra   [5]ny fisamborana ho “fanararaotam-pahefana hafahafa sy nanasongadina ny toe-javatra mampiahiahy atrehan'ireo mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona ao amin'ny firenena” ny lehiben'ny Amnesty International Salil Shetty [5].

Nanoritsoritra ny zava-misy [6] ho “famoretana vaovao avy amin'ny fanjakana Tiorka,” i Hugh Williamson, lehiben'ny Fanaraha-maso Ny Zon'Olombelona any Eoropa sy Azia Afovoany ary nitaky ny famotsorana azy ireo avy hatrany.

Rehefa nanontaniana momba ny fisamborana ny Filoha Tiorka  Recep Tayyip Erdogan nandritra ny  valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety tamin'ny 8 Jolay [7] tao amin'ny Fihaonana An-tampony G20 tao Hamburg, Alemaina, dia nilaza izy fa  “inoana fa hanaovana ny tohin'ny hetsika tamin'ny 15 Jolay ” ny fivorian'ireo mpikatroka izany hoe mikasika ny fikasana hanongam-panjakana tsy nahomby tamin'ny taona 2016 no tiany hambara tamin'izany.

Tsy mbola nanome porofo  ho an'ny fampitam-baovao na ho an'ny vahoaka ny manampahefana Tiorka momba ny filazan'ny Filoha. Nampiseho fanoloran-tena am-pilaminana, fiarovana mahasoa  ho an'ny zon'ny Tiorka rehetra ireo olona folo voasambotra satria  manaja ny lalàna ao an-toerana sy ny fenitra  iraisam-pirenena ho an'ny zon'olombelona izy ireo.

Tao anatin'ny sioka amin'ny anaran'ny ekipany,  nampahatsiahy ny ezaka nataony ny Amnesty International mba hiarovana an'i Erdogan [8] rehefa nosamborina tamin'ny taona 1998 izy nandritra ny naha-ben'ny tanànan'i Istanbul azy.

Naneho ny ahiahiny momba ny tsy fisian'ny dingana tokony atao sy ny fanararaotam-pahefana ao amin'ny fitondrana ny fitondram-panjakana sy ny sampan-draharaha ao anatin'ny governmenta manerana izao tontolo izao. Namaritra ny fisamborana ho “famantarana tena mampiahiahy ” ny Praiminisitr'i Soeda teo aloha , Carl Bildt:

Famantarana tena mampiahiahy amin'ny manampahefana Tiorka ny misambotra ireo lohan'ny mpiaro ny zon'olombelona. Lasa romotra ny mpampanoa lalàna.

Nanatevin-daharana ny antso famotsorana ny mpikambana Holandey ao amin'ny Parlemanta Eoropeana Kati Piri [11]:

Mialoha ny fifidianana Parlemanta Eoropeana momba an'i Torkia dia miantso ny famotsorana avy hatrany ireo mpiaro ny zon'olombelona izahay, ​​anisan'izany ny talen'ny Amnesty.

Nampiasa ny Facebook ireo mpanohana ny mpiaro ny zon'olombelona mba hizarana ny vaovao farany sy ny vaovao momba ny vondrona amin'ny alalan'ny Avotsory ny Mpiaro ny zon'Olombelona – vondrona Hak Savunucularına Dokunma [15]. Tao amin'ny Twitter, nampiasa ny tenirohy # HakSavunucularınaDokunma, #AvotsorynyMpiaronyZonolombelona sy # Istanbul10 ireo mpanohana mba hizarana vaovao.

Namoaka fanambarana [16]ihany koa ny Fikambanana Manerantany Manohitra ny Fampijaliana [17] izay efa nosoniavin'ny fikambanana mpiaro ny zon'olombelona miisa 40 manerana izao tontolo izao, milaza fa “tsy tokony hatao heloka bevava ny asan'ny zon'olombelona” ary mitaky ny famotsorana avy hatrany tsy misy fepetra ireo mpandray anjara notànana miisa folo .