- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bilaogin-dahatsary Iraisampirenena: Fiaraha-miasa Miampita Sisintany

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Amerika Latina, Eoropa Andrefana, Alemaina, Brezila, Espaina, Frantsa, Israely, Italia, Kolombia, Shily, Mediam-bahoaka, Sarimihetsika, Zavakanto & Kolontsaina

(Marihina fa tamin'ny 14 Aprily 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Video Blog International LogoNy Vlog International Bilaogin-dahatsary Iraisampirenena dia tetikasa mampivondrona ireo bilaogeran-dahatsary  miteny Espaniola : mandefa ny heviny ny olona ary rehefa voafidy ny iray amin'izany dia mandrakitra ny sombindahatsariny ny tsirairay , misy olona manao fanitsiana avy eo ary mamoaka izany ao amin'ny tranonkalan'izy ireo . Nanomboka tamin'ny taona 2006 ny tetikasa, rehefa nisy vondrona mpinamana maromaro nivory mba hanao lahatsary ho fanomezam-boninahitra ho an'ilay namana bilaogeran-dahatsary [es ] [1]: tamin'ny alalan'ny tranonkalany no nihaonan'ny tsirairay, ary te hankasitraka izany ampahibemaso izy ireo. Nanaraka ho azy avy eo ny tetikasa manaraka : nandia zava-tsarotra teo amin'ny fiainany ilay namana izay nikarakara ny lahatsary fiaraha-miasa voalohany, ary nanapa-kevitra ny tsirairay mba haka lahatsary firariantsoa ho an'ny tsingerin-taona nahaterahany : nalain'izy ireo ny lahatsarin'izy ireo mihira fiarahabana , sady mitendry ny feonkira amin'ny zavamaneno no mandihy sy mipetraka eo anoloan'ny mofomamy misy labozia, ary azo jerena amin'ny alàlan'ny fanarahana ity rohy ity [es] izany lahatsary izany [2].

Nanomboka niantso izany zavatra niainany izany hoe “Sancocho [3] de Video” izy ireo: ny hoe sancocho dia anarana nomena ny lasopy  maro samihafa manerana an'i Amerika Latina. Momba ny fandehanana manodidina ny bolongana ny lahatsary farany avy amin'ny vondrona Bilaogeran-dahatsary Iraisam-pirenena . Nizara ny tontolo manodidina azy ny Bilaogeran-dahatsary avy any Kolombia, Israely, Canada, Alemaina sy Etazonia. Azonao jerena  amin'ny alalan'ny kitika eto [4] na amin'ny fanindriana ny fandefasana ity lahatsary manaraka ity izany.

Efa manana lahatsary fiaraha-miasa miisa 31 mahery ny Bilaogin-dahatsary Iraisampirenena ao amin'ny pejy blip.tv [5] ary manantena hatrany hanampy bilaogeran-dahatsary maro kokoa izy ireo ao amin'ny tranonkalany. Ireo olona liana amin'ny fanaovana lahatsary maharitra 1 minitra no zavatra ilaina :  manazava ny toerana misy azy ireo sy ny momba azy ireo ny 30 segondra voalohany, ary  maka sary ny “tanjon'ny ” lahatsary manaraka ny 30 segondra faharoa , ary avy eo misintona ny lahatsary sy mandefa izany amin'ny mailaka. Azonao jerena ato [6]ny toromarika amin'ny teny espaniola.

Navoaka teo ambanin'ny lisansa Creative Commons [7] ireo lahatsary rehetra ireo, ary azonao atao ny mandray anjara amin'ny dingana amin'ny alalan'ny famakiana ny wiki [8] . Ny fitetezana amin'ny alalan'ny fizarana samihafa no fomba lehibe ahitana ny fomba fijery mikasika ny olana amin'ny ankapobeny. Ao amin'ity lahatsary manaraka ity [9] [es],  mitondra antsika ny fitsidihana lavitra ny toeram-pivarotana lehibe mankany amin'ny tsena nentim-paharazana samihafa any Frantsa, Angletera, Italia, Alemaina, Meksika, Brezila, Etazonia, Chile, Espaina ary Kolombia ny Bilaogeran-dahatsary.