- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bolivia: Fivorian'ny Bloguivianos

Sokajy: Amerika Latina, Bolivia, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia, Zavakanto & Kolontsaina

(Marihina fa tamin'ny 1 Septambra 2007 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Nivory tao Santa Cruz ho an'ny fivorian'ny  “Bloguivianos [1]. [ES]” voalohany fanao isan-taona  tamin'ny 1 Septambra ny bilaogera Boliviana avy any ivelany sy manerana ny firenena .  Hanome ny fahafahana ho an'ny maro izay mifandray fotsiny amin'ny alalan'ny bilaogy na mailaka mba hihaonana mivantana ity fivoriana ity , ary handraisan'ny bilaogera tafiditra manokana ao anatin'ireo sehatra ireo anjara amin'ny fifanakalozan-kevitra isankarazany.

bloguivianos [2]

Nokarakarain'ny Mundo [3] Al Revés [ES] [3] sy CEPAD [ES] [4], , ary ahitana ihany koa ireo komitin'ny bilaogera Vania Balderrama [5] [ES] , Jessica Olivares [6] [ES] , José Andres Sanchez [7] [ES] , Renzo Colanzi [8] [ES] , Pablo Carbone [9] [ES], Sebastian Molina [ES] [10], ary María Escándalo [ES]. [11]

Ahitana ny fizarana mikasika ny Bilaogy sy ny Literatiora, Bilaogy sy ny Politika, Bilaogy sy ny Fanaovan-gazety, ny Bilaogy sy ny Tambajotra ny fandaharam-potoana amin'io andro io [12] [ES].  Io fotoana io ihany koa dia manasongadina  ny famelabelarana fohy ataon'i Miguel Esquirol [13] [ES] mikasika ny endriky ny tontolon'ny bilaogy Boliviana izay solontenan'ny tranonkalan'ny vondrom-piarahamonina Blogs Bolivia [ES] [14]  , ary avy amin'i Hugo Miranda [15] sy Mario Duran [16] momba ny tetikasa Voces Bolivianas any El Alto [17] .

Mampiaina mivantana ny famahanana blaogy momba ny hetsika ihany koa i Miranda ary ho hita ao amin'ny tranonkala Bloguivianos [18] mandritra ny tontolo andro ny fanavaozam-baovao .

Nanolotra famatsiam-bola ho an'ny dia miisa roa [19] [ES] ho an'ny blaogera avy any El Alto, Willmar Pimentel [20] [ES] sy Cristina Quisbert [21] [ES] ny tetikasa Voces Bolivianas [22] tohanan'ny Rising Voices mba hanatanterahana ny fandraisana anjara manerana ny firenena.