- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Emirà Arabo Mitambatra: Lahatsary Mampihoro-koditra Nanafintohina Izao Tontolo Izao

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Bahrain, Emirà Arabo Mitambatra, Oman, Fahalalahàna miteny, Fitantanam-pitondrana, Foko sy Fiaviana, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona

(Fanamarihana: Lahatsoratra efa nivoaka tamin'ny volana Aprily 2009 ny tamin'ny teny anglisy)

Tamin'ny herinandro lasa, nisy lahatsary manjavozavo efa tamin'ny taona 2005 nivoaka lohatenim-baovao, ary nanafintohina izao tontolo izao. Ny lahatsary, izay navoaka voalohany tao amin'ny ABC News [1] ao Etazonia dia nampiseho an'i Sheikh Issa Bin Zayed al-Nahyan – rahalahin'ny Printsy Sheikh Mohammed ao Emirà Arabo Mitambatra -mampijaly Afgàna mpamboly, midaroka azy amin'ny karavasy fikapohana omby, ary avy eo manaparitaka sira eo amin'ny ratrany (FAMPITANDREMANA: Lahasary mampihoro-koditra ary tsy tsara jeren'ny rehetra. Azo jerena ao amin'ny ABC News [1] ny lahatsary).

Ao Bahrain, gaga ireo mpampiasa aterineto raha nahita fa efa nosakanan'ny manampahefana Barhainita ny fidirana amin'ny lahatsary ao amin'ny YouTube. Nanoratra tao amin'ny forum antserasera malaza, Bahrain Online [2], izay voaràra ao Bahrain ihany koa, nanamarika i Mahdy hoe:

بشكل فاضح وزارة الاعلام البحرينية تقول بث جرائم المعذبين مخالف للقانون البحريني !

قامت وزارة الاعلام البحرينية بتستر على احد الجرائم التي بثت على اليوتيوب بعدما حجبت احد الفيديوهات التي تم نشرها في موقع اليوتيوب الشهير التي تظهر فيه تعذيب افغاني على يد عيسى بن راشد ال نهيان يظهر فيه وهو يعذب افغاني ، الراوبط في الاسفل محجوبة من قبل وزارة الاعلام ؟

http://www.youtube.com/watch?v=5YGWj…eature=related [3]

http://www.youtube.com/watch?v=5YGWjxzMka4 [4]

هذا الموقع مغلق لمخالفته الأنظمة والقوانين في مملكة البحرين !

Amin'ny lamaody mahamenatra, milaza amintsika ny Minisitry ny Fampahalalam-baovao Bahrainita fa ny fanaparitahana vaovao mampiseho olona mpampijaly dia manohitra ny lalàna ao amin'ny firenena!
Miezaka manafina ny heloka bevava nalefa tao amin'ny YouTube ny Minisitry ny Fampahalalam-baovao ao Barhain, rehefa avy nanivana lahatsary nivoaka tao amin'ny tranonkala malaza izay mampiseho Afgàna nampijalian'i Isa Bin Zayed Al Nahyan. Nosakanan'ny Minisitry ny Fampahalalam-baovao ireto rohy manaraka ireto:http://www.youtube.com/watch?v=5YGWj…eature=related [3]

http://www.youtube.com/watch?v=5YGWjxzMka4 [4]

Voasakana izy ireo, satria manohitra ny lalàna sy ny fitsipika ao amin'ny Fanjakan'i Bahrain!

Arab Lady, bilaogera monina ao amin'ny Emirà Arabo Mitambatra, nilaza izao fotsiny mikasika ny lahatsary [5]:

No comment!!Mercy Mercy Mercy on Earth ya Allahhhhhhhhhhhh

Tsy misy fanehoan-kevitra!Famindram-pò, Famindram-pò, Famindram-pò ho an'ity tany ity Allahhhhh

Mpisera Twitter [6], tomsp, monina ao Dubai, nampitaha [7]an'i Etazonia amin'i Emirà:

tomsp

Fampitahàna ny fampijaliana nataon'i Sheikh Issa, izay tsy hiatrika fitsarana sy ny an'ny CIA, izay tsy ho voasazy ihany koa

Muscat Confidential, bilaogy ao Oman, nitondra antsika ao Etazonia ihany koa [8] tamin'ny fahitany momba ny toe-javatra:

Tapes released by a former business partner of the Sheikh, and broadcast last week by US network ABC, showed the UAE Sheikh personally torturing an Afghan trader over a missing load of grain. The story was around in mid-2008, but now that ABC have broadcast it, the issue is again in the news: the main question is what will the new US Administration do?

Ny horonantsary navoakan'ny mpiara-miasa taloha tamin'ny orinasa Sheikh, sy navoakan'ny tambajotra ABC Amerikana tamin'ny herinandro lasa, dia nampiseho ny Sheik Emira Arabo Mitambatra mampijaly mpivarotra Afgàna noho ny fahaverezana vary marobe. Efa tamin'ny tapaky ny taona 2008 ny tantara, saingy nalefan'ny ABC izany ankehitriny, ary lasa vaovao malaza: ny tena fanontaniana dia hoe inona no ho ataon'ny Fitantanam-baovao Amerikana?

Manome fanazavana bebe kokoa momba ny tantara sy ny manodidina izany ny tranonkala mpikatroka mafàna fo UAE Torture [9] izay voalaza fa voasakana ao amin'ny Emira Arabo Mitambatra.