- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: YouTube, Mozika sy ny Fifidianana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Hevitra, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Mozika

(Fanamarihana: Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Mey 2009 ity)

Nampiasa Youtube amin'ny fomba samihafa ireo mpanao fampielezan-kevitra amin'ny fifidianana Iraniana [1] mba hampiroboroboana ny kandidà tohanan'izy ireo na hanaratsiana ireo mpifanandrina.

Kandidà efatra no hifaninana amin'ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny 12 Jiona, ao anatin'izany ny filoha amin'izao fotoana izao, Mahmoud Ahmadinejad [2]. Ny hafa kosa dia ahitana an'i Mir Hussein Mousavi [3], Mehdi Karroubi [4], sy Mohsen Rezaei [5]..

Mampitaha ny Praiminisitra teo aloha, Mir Hussein Mousavi [3] amin'ny Filoha Mahmoud Ahmadinejad [6] tamin'ny feon'ny hira Broadway taloha ny lahatsary iray niseho tao amin'ny YouTube: ‘Ny zavatra rehetra azonao Atao [7]‘. Ny lahatsoratra any amin'ny faran'ny horonantsary dia mamintina fa misaina kokoa i Mousavi raha oharina amin'i Ahmadinejad izay nanimba ny toekaren'i Iran ny politikany

Misy ny horonantsary Youtube iray hafa izay mikendry ny filoha Reformista teo aloha, Mohammad Khatami [8], izay manao fampielezan-kevitra ho an'i Mousavi.

Araka ny efa nomarihan'ny [9] Tehran Post,  ny vazivazy ara-poko no tena karazana vazivazy malaza indrindra ao Iran. Ny tena mpandray anjara amin'ny vazivazy ara-poko indrindra dia ny Tiorka Azeri. Ao amin'ity lahatsary ity, milaza [10] [amin'ny teny farsi] vazivazy momba ilay mpitondra fivavahana tsotra loatra (Azeri) ao Ardebil izay nanao zavatra feno hadalana i Khatami, na dia ny hampiseho ny fahaizan'ny Ardebills aza no fikasany. Mpianatra roanjato no nanao fihetsiketsehana [11] ho fanoherana an'i Khatami noho izany vazivazy izany (jereo ny lahatsary [11]), ary nangataka tamin'i Mousavi, izay Azeri ihany, mba hiampanga an'i Khatami. Mandritra izany, nilaza i Khatami fa rafitra sandoka ilay horonantsary.

Digital Kalashnikov, bilaogera sady mpanao gazety monina ao Iran kosa naka lahatsary tamin'ireo hetsika maromaro mahaliana [12] nandritra ny fampielezan-keviny amin'ny fifidianana filoham-pirenena. Vao haingana izy no namoaka [13] horonantsary ahitana an'i Mehdi Karroubi [4], mpandaha-tenin'ny Parlemanta teo aloha sy ny mpanohana azy namaky ny vavahadin'ny oniversiten'i Amir Kabir, raha voaràran'ny manampahefan'ny oniversite tsy handray fitenenana.