- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bahrain: Ramadany Iray sy Eid Iray

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Bahrain, Fivavahana, Mediam-bahoaka

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Aogositra 2009)

Miankina amin'ny fijerena ara-bakieny ny volana vaovao ny fiandohan'nyvolana masin'ny Ramadan [1]y, miteraka datin'andro samihafa [2] ho fanombohana azy any anivon'ireo sekta Miozolmana isankarazany. Tamin'ny taona 2009 ny Sionita [3] sy ny Shiita [4] tao Bahrain dia niaraka nanomboka ny volana taminà andro iray – ary nankalaza izany firaisana tsy fahita firy izany ny bilaogera iray.

Ao amin'ny Green Oasis, Ba7rani87 [5] [ar] manoratra hoe:

اعترفوا يا أمة الخير بالذي حدث، بل اثنوا عليه ثناءً كما كنتم تفعلونـه عكسـه سنوياً كالامتهان والطعن فيهم، اعترفوا بالحق واشكروا الله ثم اشكروهم على هذا الموقف .
حرِّكوا السنتُكـم ايجاباً كما تُحركوها دوماً نحو السلب، تستحق هذه الصفحة ان نفتحها ونتوقف عندها وهلةً من الزمان، رُبما تكون عِبرَةً يتمناها المستقبل له . بعيداً عن رأي بعض المؤمنين الا ان رأياً ثابتـاً جاء هذا العام، عوضاً عن كل عام 3 آراء ليتقلص هذا العام الى رأيان، ثم ان هذان الرأيان هُمـا مفاصِل الأمـة تقريباً .
Manaiky ny zavatra nitranga ary midera izany satria isantaona dia zavatra mifanohitra foana no ataonareo, manao izay mety hanetrenareo sy hitarainanareo momba azy ireny. Ekena ny marina ary isaorana i Allah, dia avy eo isaorantsika izy ireo noho io toedraharaha io. Mba zavatra tsara amin'izay aloaky ny vava, tahaka izay nitsaontsaonananreo nilaza zavatra tsy mahasoa. Io pejy io, izay efa navalona, dia mendrika ny hosaintsainina mandritry ny fotoana misimisy. Mety ho io ilay lesona mampangetaheta antsika ho an'ny hoavintsika. Raha tokony ho niatrika safidy telo samihafa isika, tsy nisy afa-tsy roa monja tamin'ity taona ity – ary dia hevitra mampisaraka vahoaka izy ireny.

Manoratra momba ny fifanarahana teo amin'ny Sionita sy ny Shiita i Ba7rani :

اتفاق السنة والشيعة على رؤية واحدة لشهر رمضان موقفٍ مستحسن يجب ان نتوقف عليه كما كنا نتوقف على اختلافهم، فتوافقهم اليوم عنصراً ايجابياً استطاع ان يوحّد امـةً في شهرها بمناسباته ” بدايتـه – نص الشهر – عيد الفطر ” مناسبات تتوقف عليها الامة لتحييها فما اجمل ان تكون هذا العام في يومٍ ووقتٍ واحد .
Fihetsika mendrika ny hoderaina ny fifanarahan'ny Sionita sy ny Shiita momba ny fijerena ny volana voalohany ho an'ny volan'ny Ramadany, izay tokony hosaintsainintsika no sady dinihantsika ny fahasamihafan'izy ireo. Ny fifanarahan-dry zareo androany dia afaka nampiray firenena iray ao anatin'ireo fankalazàny mandritra ilay volana – ny fiandohany, ny eo antenantenany ary ny Eid Al Fitr [6](izay manamarika ny fiafaràn'ilay volana). Fankalazàna marihan'ny firenena iray manontolo ireo rehetra ireo ary mahafinaritra izany hoe ny firenena iray manontolo no hiaraka hankalaza azy ireo amin'izao fotoana izao.

Manoratra toy izao i Ali Al Halwachi raha naneho hevitra tao amin'ilay lahatsoratra :

صدقت وااه أخي الفاضل، فكم محزنٌ أن يكون في البيت الواحد عيدين وصومين وافطاريين
Marina ny anao ry rahalahiko. Tena mampalahelo tokoa ny fisianà fankalazàna Eid roa, ary fifadiankanina roa sy Iftar [7]s roa (famaranana ny fifadiankanina) ao anaty tokantrano iray.