20 Mey 2017

Tantara tamin'ny 20 Mey 2017

Ekoatora: Ny Fahasorenan'ny Mpanoratra

  20 Mey 2017

Amin'ny andro iray izay hisian'ny rafotsibe entina hotsaraina eny amin'ny fitsarana satria nanao hosoka ny asako sy nanaparitaka izany, na noho ny famoahana ny tononkaloko tao amin'ny bilaoginy, handoro tena aho!

Bahrain: Ramadany Iray sy Eid Iray

Miankina amin'ny fijerena ara-bakieny ny volana vaovao ny fiandohan'ny volana masin'ny Ramadany, miteraka datin'andro samihafa ho fanombohana azy any anivon'ireo sekta Miozolmana isankarazany. Tamin'ny taona 2009 ny Sionita sy ny Shiita tao Bahrain dia niaraka nanomboka ny volana taminà andro iray - ary nankalaza izany firaisana tsy fahita firy izany ny bilaogera iray.

Singapaoro: Tanàna Sa Firenena?

  20 Mey 2017

Tanàna ve sa firenena iray i Singapaoro? Toa adaladala ihany io fanontaniana io satria fantatra erantany i Singapaoro amin'ny maha-firenena mahaleotena azy. Saingy ho an'ny Ministry ny Lalàna ao Singapaoro, K. Shanmugam, tokony ho toy ny fitondra tanàna iray no hitondràna an'i Singapaoro. Niteraka adihevitra tao amin'ny haino aman-jery sosialy io fanamarihany io.

Israely: Fisoloana Vava Ny Fampinonoana Imasom-bahoaka

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Aogositra 2009) Lanjalanjain'ny A Mother in Israel  ny momba ny fampinonoana eny imasom-bahoaka. “Kivalavala ny hevitra hoe tokony horaràna ny fampinonoana eny imasom-bahoaka fa mahatonga ny sasany tsy hahazo aina, toy ny hoe fitazonana ny vehivavy bevohoka tsy hivoaka ny trano satria mety hahalasa saina ny...