- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

#SiMeMatan (Raha Mamono Ahy Izy Ireo), Tenirohy Hanoheran'ny Vehivavy Ny Herisetra, Sy Ny Famonoana Vehivavy Ao Meksika

Sokajy: Amerika Latina, Meksika, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta

Hita tao amin'ny toeram-pianaran'ny Oniversitem-pirenena Mahaleotena ao Meksika (UNAM) ny vatana mangatsiakan'ilay tovovavy 22 taona Lesby Berlin Osorio [2]tamin'ny 4 Mey 2017. Fotoana fohy taorian'izay, nameno ny aterineto tao Meksika ny tenifototra tao amin'ny Twitter #SiMeMatan (Raha Vonoin'izy ireo Aho) ho fanehoana fahatezerana tamin'ny fanambaran'ny manampahefan'ny Mexico City misahana ny fitadiavana ny marina ho an'i Berlin Osorio.

Tsy nahavita nanome vaovao momba ny mety ho anton'ny heloka na ny fivoaran'ny fanadihadiana ny manampahefana, saingy nanome antsipirihany momba ny fiainana manokan'ilay lasibatra izay toa manendrikendrika fa izy no tompon'antoka tamin'ny herisetra nahafaty azy

Nizara ny pikantsarin'ny siokan'ny biraon'ny mpampanoa lalàna ireo mpiserasera Twitter:

Sioka: Iray amin'ireo antony lehibe mahatonga ny fitohizan'ny herisetra ny manampahefanantsika. AMPY ny fanomezan-tsiny ny lasibatra.

Sary: Sioka avy amin'ny Biraon'ny Mpampanoa lalànan'i Mexico City:

-Teo amin'ny 04:00 ora, nanapa-kevitra ny [sakaizan'i Lesby] mba hiala ary narahan'ny vehivavy iray [Lesby] izay nifamaly taminy. Izay no zavatra farany fantatry ny sakaizany momba azy.

-Tamin'ny andro nitrangan'izany rehetra izany, niresadresaka tamin'ny namana sasany tao amin'ny  CU [toeram-pianarana UNAM] izy roa mpifankatia, toerana nanjifan'izy ireo toaka sy rongony.

-Nilaza ilay lehilahy sakaizany niara-nonina taminy fa mianatra ao amin'ny sampan'ny fikojakojana amin'ny Sekoly Ambony #6 izy

Tranonkalam-baovao tsy miankina Sopitas [6]namintina ny fomba namoahan'ny biraon'ny mpampanoa lalàna ny vaovao momba ny fahafatesan'i Berlin Osorio ary nitanisa fanambarana ofisialy roa hafa fanampiny:

La narrativa en que se revictimiza y minimiza a la joven Lesby vino desde nuestras propias autoridades capitalinas. En la cuenta de Twitter de la Procuraduría General de Justicia de la Ciudad de México (PGJCDMX) se publicaron varios mensajes sobre el caso: sin tacto, echándole la culpa a la víctima y como justificando lo que le pasó. “La mujer hallada sin vida en jardines de las instalaciones de la UNAM fue identificada por familiares”, inició el lamentable relato. “Su madre y novio aseguraron que ella ya no estudiaba desde 2014 y dejó sus clases en CCH Sur, donde debía materias”, continuó la dependencia dirigida por Rodolfo Ríos.

Avy amin'ireo manampahefan'ny renivohitra antsika manokana ny tantara izay manameloka indray sy manao tsinotsinona an'i Lesby. Nandefa hafatra isan-karazany momba ny raharaha ny Twitter-n'ny biraon'ny mpampanoa lalànan'i Mexico City: feo marenina, manome tsiny ny lasibatra ary manamarina izay nitranga. “Hitan'ireo havany ilay vehivavy hita faty tao amin'ny zaridainan'ny toeram-pianarana UNAM”, hoy ny fanombohan'ny sioka mampalahelo. “Nanamafy ny reniny sy ny sakaizany fa tsy nianatra izy nanomboka tamin'ny taona 2014 ary niala fianarana tao amin'ny Kolejy ny Siansa sy ny Maha-olona ao Atsimon'ny Toby, izay tsy nianarany taranja maromaro”, hoy ny tatitra navoakan'i Rodolfo Ríos.

“Raha mamono ahy izy ireo, dia hanendrikendrika sy hanameloka ahy”

Ho setrin'izany, nanomboka nampiasa ny tenirohy #SiMeMatan ny vehivavy, miaraka amin'ny fanesoana ny “fahadisoana” izay noeritreretin'izy ireo fa nampiasain'ny manampahefana sy ny haino aman-jery mba hanomezana tsiny azy ireo rehefa maty novonoina izy ireo. Nalaza manerantany ny tenirohy miaraka amin'ny hafatra an'aliny.

Ora maromaro nandritra ny tsikera marobe, nilaza tao amin'ny Twitter [7]-ny ny mpampanoa lalànan'ny tanàna fa ny sioka navoakan'ny sampan-draharaha dia “tsy mendrika” ary nampiny hoe:

Nazava tsara ny fanehoan-kevitra momba ny #SiMeMatan. Ireto ambany ireto sioka maromaro:

Nampitaha ny fandraisana ny heloka mihatra amin'ny vehivavy sy ny lehilahy kosa ny sasany:

Ny hafa kosa niresaka momba izay hitranga tamin'ny fanehoan-kevitra tsotra:

Mpanao gazety sady mpampianatra ambony Gabriela Warkentin nandray ireo tenirohy hafa malaza manerantany amin'ny teny Espaniola, izay manohitra ny herisetra mihatra amin'ny vehivavy ao Meksika  :

Tahaka izany koa ny vondrona mpiaro ny zon'ny vehivavy Luchadoras [23] (Mpiady), izay nilaza ny antson'ny hetsiky ny feminista Ni Una Menos [Tsy Misy Iray Latsaka”], “Te ho Velona izahay” :

Vehivavy hafa nifantoka tamin'ny dikan'ny sioka tsirairay:

Ho azy kosa, nanamarika ilay mpisera Twitter Madame Déficit fa ao amin'ny toeram-pianarana UNAM  — sekoly manandratra ny tenany amin'ny fahaleovantenany manoloana ny fanjakana — sarotra ny hisian'ny polisy. Amin'ny tranga hafa, ny fahatongavan'ny polisy ao amin'ny toeram-pianarana (fantatra ho Ciudad Universitaria, na Cité Oniversitera) dia niteraka fitsipahana [27] sy fahatezerana teo amin'ireo sampana sasany amin'ny mpianatra.

Tsy zava-baovao ny herisetra amin'ny vehivavy sy ny tsy fahaizan'ny manampahefana misahana izany

Tamin'ny taona 2016, namoaka andian-dahatsoratra ny Global Voices mba hisavasava ny olana momba ny herisetra mihatra amin'ny vehivavy ao Meksika, sy ao amin'ny renivohitra indrindra indrindra. Nilaza ny tantara momba ny herisetra ara-nofo [29] nihatra tamin'ny mpanao gazety Amerikana Andrea Noel- izay mbola tsy voasazy hatramin'izao, taorian'ny 14 volana ny iray amin'izany. Tamin'izany, nilaza ny governemanta fa hamaha ny olana, na koa hoe hanangana birao maromaro [30] lafo vidy ary hanome vokatra azo tsapain-tanana kely na tsy misy mihitsy

Rehefa nazava ny raharaha, nilaza tamin'ny antsafa [31] niarahana tamin'ny Global Voices ilay mpisolovava Fabiola Higareda, manam-pahaizana momba ny lahy sy vavy sy ny rariny fa ny herisetra mihatra amin'ny vehivavy dia amin'ny ampahany, noho ny tsy fisian'ny paikady mifantoka amin'ireo nahavanon-doza:

Es necesario que las estrategias tomen en consideración que la violencia de género no es un asunto exclusivo de mujeres violentadas, sino también de hombres generadores de violencia.

Ilaina ny paikady mba hijerena manokana fa ny herisetra mihatra amin'ny vehivavy dia tsy raharaha manokan'ny vehivavy lasibatry ny herisetra fa koa ny lehilahy izay nahatonga izany herisetra izany.

Ankoatra ny olana ara-pitsarana amin'ny famotorana momba ny heloka bevava ao Meksika, hita fa toa mandefa hafatra amin'ny alalan'ireo sioka rehetra tamin'ny tenirohy #SiMeMatan ny fiarahamonina Meksikana fa: Efa manjaka amin'ny raharaha momba ny vehivavy niaina herisetra, na tahaka ny raharaha Lesby Berlin Osorio, matin'ny herisetra ny tsimatimanota. Aza omena azy ireo koa ny tsiny.