Ny fahatongavan'ny mpanelanelana ao Venezoela, Tarek William Saab, tany Beirota dia tsy nankasitrahan'ny Venezoeliana tao Libanona loatra, izay nikarakara hetsi-panoherana mba hiampangana ny herisetra mitohy atao amin'ny fihetsiketsehana ao amin'ity firenena Amerika Latina ity.
Voalaza fa nanolotra kabary momba ny zon'olombelona tao Beirota ilay mpanelanelana, izay manana anaram-boninahitra ofisialy hoe Mpiaro ny Vahoakan'ny Repoblika Bolivariana ao Venezoela (Defensoría do Pueblo de República Bolivariana de Venezuela). Nanameloka ny diany tao anatin'ny krizy politika [2] nankany Libanona izay efa nahitana hetsi-panoherana naharitra herinandro maromaro ireo mpitsikera, ary voalaza fa efa namoizana ain'olona miisa 30 [3] tamin'ny 4 May 2017.
Nanomboka ny hetsi-panoherana farany indrindra tao amin'ny firenena izay nahitana safotofoto ara-politika nandritra ny taona maro, rehefa nofoanan'ny Fitsarana Tampony [4] ny Antenimieram-pirenena tamin'ny 30 Martsa. Na dia teo aza ny fanapahan-kevitra tsy naharitra ela, nanome aingam-panahy tamin'ny fanoherana tsy mitsaha-mitombo tamin'ny politikan'ny governemantan'i Maduro izany, izay nitantana [2] krizy ara-toekarena nandritra ny telo taona ary naharaketana heloka bevavan'ny herisetra betsaka indrindra sy fahantrana.
Nanapaka ny kabarin'i Saab sady nihazona ny sainam-pirenena Venezoelana nivadika (iray amin'ireo marika famantarana fanta-daza ao anatin'ny hetsi-panoherana amin'izao fotoana izao izany) ny vehivavy Libaney-Venezoeliana roa, ary niantsoantso hoe “Maty ny vahoakanay ! Vonoina izahay! Aiza izany zon'[olombelona] izany ry Tarek? “
Ny Kianjan'ny Maritiora ao Beirota, toerana iray manan-tantara izay nanaovan'ny hetsika YouStink [maimbo ianareo] tao Libanona hetsi-panoherana tamin'ny lohataonan'ny taona 2015 [5], ary nahitana olona marobe nively vilany (fomba mahazatra amin'ny hetsi-panoherana ao Amerika Latina).
Mampiseho ireo mpanao hetsi-panoherana teo ivelan'ny trano fandraisam-bahiny izay nisy an'i Saab ity lahatsary manaraka ity, izay teo akaikin'ny Kianjan'ny Maritiora .
VIDEO | Venezolanos continúan protestando contra Tarek Wiliam Saab a las afueras del hotel donde se hospeda en Beirut, Líbano #4May [6] pic.twitter.com/M6skNMYMSu [7]
— Alberto Rodríguez (@AlbertoRT51) 4 May 2017 [8]
LAHATSARY. Manohy ny hetsi-panoherana manohitra an'i Tarek William Saab ireo Venezoeliana teo ivelan'ny trano fandraisam-bahiny izay nijanonany tao Beirota, Libanona.
Haingana dia niparitaka ny lahatsarin'ny vehivavy roa ary nahatonga ny #Libano (#Libanona) ho lasa lohahevitra malaza tao Venezoela. Nanararaotra ny fahafahana mba hanasongadinana ny famoretana nitranga tao Venezoela tamin'io fotoana io ihany koa ny mpisera sasany tamin'ny naha tao Beirota azy :
Mira @TarekWiliamSaab [9]… mientras comes hummus en el Líbano. pic.twitter.com/dYcpp0M9sX [10]
— Jesús M. Yánez M. (@jyanezm) May 4, 2017 [11]
Jereo, Tarek William Saab, [izao no zava-mitranga] raha mihinana voanjobory [hummus] aty Libanona ianao
Quien non práctica Los Derechos Humanos #Venezuela [12] ,no puede hablar de ellos ni representar a la Nación #Libano [13]
— Patricia Mata.M. (@patriteacher) May 4, 2017 [14]
Ireo izay tsy manaja ny Zon'olombelona #Venezuela, dia tsy afaka miresaka momba izany, na misolontena ny firenena any #Libanona
@TarekWiliamSaab [9] que se siente que ni al Líbano puede ud ir sin que le persiga la realidad que tanto pretende bloquear en Twitter?
— MV Daniel Rinzivillo (@darn7891) May 4, 2017 [15]
Ahoana ny mba eritreritrao nandeha ho any Libanona, nefa tsy tonga saina tamin'ny zava-misy toy izany ianao fa miezaka ny hanakana ny Twitter?
Es un DESCARO, que @TarekWiliamSaab [9] , quien DEBE velar por los DDHH de los Venezolanos y no lo hace, vaya a hablar en #Libano [13] sobre éstos.
— AD Cabimas (@ADCabimas) May 4, 2017 [16]
Fahasahiana izany. Tokony hiantoka ny Zon'olombelon'ireo Venezoeliana i Tarek WILLIAM Saab kanefa tsy nanao izany izy fa nandeha sy niresaka momba ny Zon'Olombelona tao #Libanona.
@cristiancrespoj [17] No smque me asombra más, que ese sinverguanza hable de derechos humanos en un país como Líbano o el enorme valor de esas mujeres #Dictadura [18]
— Vichoyer (@vichoyer) May 4, 2017 [19]
Tsy fantatro izay tena nahatalanjona ahy, ilay mpikabary miresaka momba ny zon'olombelona ao amin'ny firenena tahaka an'i Libanona sa ny herim-po tsy mampino an’ ireo vehivavy #DidyJadona
Tombanana ho 400.000 [20] ka hatramin'ny 800.000 [21] ireo Venezoeliana taranaka Libaney, ny mponina Libaney betsaka indrindra any Amerika Latina ivelan'i Brezila sy Arzantina. Manana fiaviana Syriana-Libaney i Tareck El Aissami [22], filoha lefitra amin'izao fotoana izao ao Venezoela .