- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Miresaka Fahakiviana Lalina Mihataka Lavitra Amin'ny Fanilikilihana Ara-tsosialy ny Indiana

Sokajy: Azia Atsimo, India, Fahasalamàna, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta, Voina, Zon'olombelona
[1]

Sary tao amin'ny Flickr-n'i Mary Lock. CC BY-NC-ND 2.0

Milaza ny tatitra [2] navoakan'ny Sampan'ny Firenena Mikambana misahana ny Fahasalamana raha niresaka fahakiviana lalina fa efa ho Indiana 7,5% no miaritra fikorontanana ara-tsaina lehibe na maivana ary mila fizahan'ny manam-pahaizana. Na izany aza, mitoetra ho fady [3] amin'ny lafiny maro ny hakiviana lalina ao India, fifosafosana na fanaovana fanesoana.

Ho setrin'izany, miezaka mandrisika adihevitra misokatra kokoa momba ny fahakiviana lalina ny sasany ao amin'ny media sosialy nandritra ny taona maromaro farany.

Iray amin'izany i Kalyan Biswas Rath, mpiasan'ny Teknolojiam-pifandraisana. Nizara ity tantara ity tao amin'ny pejiny Facebook [4]mikasika ny fomba niadiany tamin'ny fahakiviana lalina avy tamin'ny fanampian'ny fianakaviany sy ny namany:

I was a horrible graphic designer, a horrible web designer, a horrible coder, a horrible writer and a bad comedian for quite some time. I have embarrassed myself enough and been bad at multiple fields. But with support from close friends, I kept working at it.

Suddenly one day, things changed for the better and people who I assumed thought of me as a failure started messaging me saying they were proud of me. People started appreciating my work.

Today, I don't feel like a failure despite whoever feels whichever way and I am happy with my life. And that's a big deal.

[…] Don't be ashamed of asking for help. There is nothing wrong with depression. It is a very natural outcome of the kind of society we live in.

Mpamoron-tsary nahatsiravina aho, mpanangana habaka nahatsiravina, mpamorona kaody mahatsiravina, mpanoratra mahatsiravina ary mpanao hatsikana tsy misy ilana azy nandritra ny fotoana elaela. Menatra ny tenako aho, ary tsy nahomby tamin'ny sehatra marobe. Saingy noho ny fanohanana avy amin'ny namana akaiky, manohy miasa amin'izany aho.

Indray andro, niova tampoka ho amin'ny tsaratsara kokoa ny zava-drehetra ary ireo olona noheveriko fa nihevitra ahy ho tsy mahomby aza nanomboka nandefa hafatra ho ahy, milaza fa afa-po amiko izy ireo. Nanomboka nankasitraka ny asako ny olona.

Ankehitriny, tsy mahatsiaro ho tsy mahomby aho na dia eo aza ireo mihevitra izany ary faly amin'ny fiainako aho. Tena ady lehibe izany.

[…] Aza menatra mangataka ho ampiana. Tsy misy maharatsy ny fahakiviana lalina. Zavatra voajanahary eo amin'ny karazana fiarahamonina iainantsika izany

Mpanao hatsikana sy Youtuber mahomby ankehitriny i Kalyan

Ohatra iray hafa [5] ilay olo-malaza ao Bollywood, Shaheen Bhatt [6]:

I've lived with depression on and off since I was about 13 years old.
This is not a revelation or a confession.
Those who know me know this about me.
It's not something I take any pains to hide, I'm not ashamed of it or particularly troubled by it. It's just a part of who I am.
I have days where I feel good and then I have days where I don't.
One minute everything's fine and the next it's like someone turned the light off inside my head.
I go quiet and it's difficult to get out of bed.
Like it always does the world around me loses focus and I struggle to make sense of it.
Sometimes these bouts last an hour – sometimes they last days.
Today, I'm on day 4.
I say I live with depression rather than I struggle with it because for me (and I speak only for myself here) I don't see why it has to be a struggle.

Niaina fahakiviana lalina aho, eny fony izaho 13 taona.
Tsy fanambarana, na fiaiken-keloka izany.
Ireo izay mahafantatra ahy dia mahalala izany momba ahy izany.
Tsy zavatra manaintainana ahy afenina izany, tsy menatra amin'izany aho na matahotra an'izany. Anisan'ny maha izy ahy fotsiny izany.
Nisy ny andro nahatsapako fa salama aho sy ny andro tsy izany.
Mahafinaritra ny zava-drehetra ao anatin'ny iray minitra, avy eo indray tahaka ny misy olona nanapika ny hazavana tao anatin'ny lohako.
Tony aho ary sarotra ny miala eo am-pandriana.
Tahaka ny mahazatra, very fifantohana ny tontolo manodidina ahy ary mitolona mba hahatakatra ny dikan'izany aho.
Indraindray maharitra adiny iray izany fotoana izany – indraindray mandritra ny andro vitsy.
Eo amin'ny andro faha-4 aho androany.
Hoy izaho, miaina fahakiviana lalina aho aho fa tsy mitolona amin'izany satria ho ahy (ary miteny amin'ny tenako ihany aho eto) tsy hitako hoe nahoana no tsy maintsy iadiana izany

Korontana ara-tsaina ny fahakiviana lalina i [7]zay miavaka amin'ny toe-po reraka loatra na tsy liana amin'ny asa atao, ka mahatonga fahavoazana lehibe eo amin'ny fiainana andavanandro. Afa-mitady fanampiana any amin'ny psikology na Psikiatra ny olona tratran'ny fahakiviana lalina mba hahazoana fitsaboana sahaza.

Zava-dehibe ny dingana voalohany ahafantarana ny fisian'ny hakiviana lalina sy ny mitady fanampiana avy amin'izany, saingy mampanano-sarotra izany kosa ny fanilikilihana ara-tsosialy azo avy amin'ny fikorontanana ara-tsaina. Nanazava i Anshika Kumar [3]ao amin'ny Tanora Indiana fa mitady hieritreritra loatra momba ny fitsarana ataon'olon-kafa ny olona ao India:

We Indians are too concerned about what others think. This needs to stop. We must respect each other’s opinions and issues. Many of us cannot understand or recognize symptoms of mental illnesses; even if we do, we do not know what to do or how to go about it. Unhealthy relationships with parents means youngsters end up hiding their mental condition from them, for fear of judgement and mockery. Outsiders are unable to understand and accept, and patients are scared and confused to speak out- It becomes a vicious circle.

Isika Indiana dia miahiahy loatra ny zavatra heverin'ny hafa. Mila hatsahatra izany. Tsy maintsy manaja ny hevitry ny hafa sy ny olan'ny hafa isika. Maro amintsika no tsy afaka mahatakatra na mamantatra ny soritraretin’ ny fahakiviana lalina; na dia mahafantatra aza isika, tsy fantantsika izay tokony atao sy ny fepetra raisina manoloana izany. Ny fifandraisana tsizarizary eo amin'ny tanora sy ny ray aman-dreny dia midika fa afenin'ny tanora ny toetry ny sain'izy ireo, noho ny tahotra hotsaratsaraina na esoesoina. Tsy mahavita mahatakatra izany sy hanaiky ny fisiany ny olona tsy voan'ny fikorontanana, ary matahotra sy very hevitra tsy sahy miteny ny marary – Ka lasa ranomodim-piainana izany.

Ny Andro Manerantany ho an'ny Fahasalamana vao nankalazaina tamin'ny 7 Aprily 2017 lasa teo dia nitondra ny lohahevitra hoe “Andeha hiresaka momba ny Fahakiviana lalina [8]” noho ity antony ity indrindra. Nahazo vahana tao India nandritra ny taona maromaro izao ny fihetsika hiresaka ny lohahevitra momba ny fahakiviana lalina ao anatin'ny fangorahana sy mangarahara.

Nanoratra tao amin'ny bilaoginy mikasika ny adiny tamin'ny fahakiviana lalina i Deepa Padmanabhan [9], mpanao gazety mahaleotena. Tamin'ny taona 2015, nanazava izy fa nahazo fahasitranana noho ny fanampian'ny fianakaviana akaiky. Nilaza ihany koa izy hoe:

Why did I choose to share my story today, after so many years of being silent? In my heart, I believe that the time is now right for the world to deal with depression a kinder way. I hope that people will be more tolerant of those suffering from mental illness than they were a decade ago.

Nahoana aho no nisafidy hizara ny tantarako androany, taorian'ny taona maro nanginana? Ao am-poko, mino aho fa tonga ny fotoana mety ho an”izao tontolo izao mba hiatrehana ny fahakiviana lalina amin'ny fomba ara-drariny. Manantena aho fa hahalefitra kokoa amin'ireo tratran'ny fahakiviana lalina tsy tahaka ny folo taona lasa ny olona.

Tamin'io taona io ihany, nankao amin'ny fantsom-baovaom-pirenena NDTV [10] ilay Indiana mpilalao sarimihetsika Bollywood Deepika Padukone [11] mba hiresaka momba ny fahakiviana lalina sy ny fomba niadiany izany. Nanomboka nanangana ny fikambanany manokana izy [12] tatỳ aoriana, izay manohana sy manampy ny olona mitady fanampiana.

Marobe ireo sehatra tahaka ny AASRA [13]sy YourDost [14]no mampiasa fitaovam-pifandraisana isan-karazany, tahaka ny media sosialy mba hiresahan'ny olona momba izany.

Mpandray anjara iray hafa amin'ity fiovana ity ny governemanta Indiana, satria nampiditra volavolan-dalàna vaovao momba ny Fahasalamana Ara-tsaina [15]izy, izay tsy manameloka ny famonoan-tena ary miaro sy mamerina amin'ny laoniny ny zo ara-pananan'ny olona marary saina. Talohan'ny nandaniana [16] io volavolan-dalàna, nosokajiana ho heloka tao India ny famonoan-tena ka mety hahazoana sazy herintaona an-tranomaizina, araka ny Andininy faha-309 ao amin'ny Fehezan-dalàna famaizana Indiana. [17].

 

Ny misongadina ao amin'ny volavolan-dalàna vaovao momba ny fahasalamana ara-tsaina nolaniana tao amin'ny Parlemanta androany

Ny antony voalohany amin'ny famonoan-tena dia ny fahakiviana lalina tsy voatsabo. Azo tsaboina ny fahakiviana lalina ary azo sorohana ny famonoan-tena. Afaka mahazo fanampiana anaty tsiambaratelo amin'ny antso an-tariby momba ny famonoan-tena sy ny krizy ara-pihetseha-po ianao. Tsidiho ny Befrienders.org [23] raha hijery fanampiana amin'ny fisorohana ny famonoan-tena ao amin'ny firenenao .