Tantara tamin'ny 03 Mey 2017
Sakafo Dimy Mety Tsy Ho Telin'ireo Tsy Vietnamiàna
Efa nanandrana iray tamin'ireto ve ianao?? Lamokan'atodin-gàna, pizza Vietnamiàna misy ràn-gàna, olitra voanio, ary jorery nendasina.
Na Misy Aza Ny Fifanenjanana, Fahombiazana ny Fetiben'i Jamaika 2017
Mbola heverina foana ho toy ny nafarana avy any Trinidad sy Tobago ny Fetiben'i Jamaika, nefa tsy midika akory izany fa tsy tian'ireo Jamaikàna ilay fetibe sy ireo tombontsoa ara-toekarena entiny.
Matahotra i Kremlin Fa Mampitombo Kokoa Ny Lazan'ireo Lehiben'ny Mpanohitra ny Fanafihana Azy Ireo
Andro vitsy taorian'ny nanondrahana indray tamin'ny zava-maitso mamono otrikaretina ny lehiben'ny mpanohitra sady kandidà filoham-pirenena Alexei Navalny tamin'izy handeha hamonjy lanonana tany Moskoa, nitatitra ny tranonkalam-baovao Gazeta.ru fa nanome toro-lalana ho an'ireo manampahefan'ny faritra i Kremlin mba hanasazy ny fanafihana tahaka izany amin'ny manaraka.
Miresaka Fahakiviana Lalina Mihataka Lavitra Amin'ny Fanilikilihana Ara-tsosialy ny Indiana
"Ao am-poko, mino fa fotoana mety izao ho an'izao tontolo izao hiadiana amin'ny fahakiviana lalina amin'ny fomba ara-drariny."
Ny Fahafatesana Manirerin'Ilay Lehilahy Anisan'ny Fanta-Bahoaka Indrindra Ao Ethiopia
Ao amin'ny fahafatesan'i Assefa, mety hahatsikaritra ny alahelon'ny any an-tsesitany ny olona iray, zavatra iray izay sady lalina manokana no lalina ara-politika.
Mila Vehivavy Mpanitsy Maro Kokoa Ny Wikimujeres Mba Hampifandanjana Ny Isan'ny Lahy Sy Ny Vavy Ao Amin'ny Wikipedia
Vondrona mpisera Wikipedia izay voakasika momba ny fahasamihafana sy ny tsy fitongilanan'ny Wikipedia na amin'iza na amin'iza izahay ary vonona izahay ny hiasa mba hampihena (sy hanafoana amin'ny hoavy) ny fanavakavahana misy eo amin'ny lahy sy ny vavy...
Fandresena Lehibe Ho An'ny Olom-pirenena tao Makedonia ny Fitsapa-kevibahoaka Tao Amin'ny Tanàna Kely Manohitra ny Fitrandrahana Volamena
Ity no fitsapan-kevibahoaka voalohany nahomby hatramin'ny nahazoan'i Makedonia ny fahaleovantena tao anatin'ny 26 taona.
Avonavon'Ampanjaka Tamin'Ampanjaka Iray Hafa Niteraka Adihevitra Mafana Tao Nizeria
Nanevateva ampahibemaso ny Ooni ao Ife nandritra ny lanonana tao Lagos ny Oba ao Lagos. Niteraka resabe teo amin'ireo mpiserasera izany
Bilaogera Shinoa Malaza Nosamborina Noho Ny Fanehoan-kevitra An-tserasera Taorian'ny Fandrahonan'ny Polisy Azy Nandritra Ny Taona Maro
Mitombo hatrany ireo mpisera izay mitsikera ny governemanta no ampiantsoina na tazomin'ny polisy eo ambanin'ity fepetran'ny "fanaraha-mason'ny filaminana" ity .
Akoho Yassa, Alloco na Mafé: Andramo ireo Nahandro Mafilotra Afrikana Araka Ny Hitan'ireo any Ampielezana Ao Paris
Hampahafantatra anareo toeram-pisakafoanana malaza indrindra any Frantsa sy ny sakafo mampiavaka azy ireo izahay. Tsy misy andraso andraso, ireto ny lisitry ny toerana tsara indrindra raha hanandrana ny haify Afrikana: