- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Akoho Yassa, Alloco na Mafé: Andramo ireo Nahandro Mafilotra Afrikana Araka Ny Hitan'ireo any Ampielezana Ao Paris

Sokajy: Afrika Mainty, Kamerona, Mali, Nizera, Senegal, Mediam-bahoaka, Tsidika, Zavakanto & Kolontsaina

[1]Ahitana Afrikana ampielezana tokoa ao Île-de-France ary hita taratra ao amin'ireo toeram-pisakafoanana mafilotra ao amin'ny faritra izany. Amin'ny volana ambony, hanolotra fandinihana momba ireo toeram-pisakafoanana Afrikana tsara indrindra ao Paris izahay, toerana hitan'ireo mpikambana ao amin'ny ampielezana ary ireo olona mahita ny hasarobidin'izany nahandro izany any amin'izy ireo. Hanombohana azy, hampahafantatra aminareo toeram-pisakafoanana malaza indrindra any Frantsa sy ny sakafo mampiavaka azy ireo izahay. Tsy misy andraso andraso, ireto ny  lisitry ny toerana tsara indrindra raha hanandrana ny haify Afrikana:

Senegaly: Ny Waly-Fay, Paris 11

Ny Waly-Fay [2]dia endrik'i Senegaly, firenen'ny « teranga » (tia mandray vahiny). Mafana ny fiarahana ary mahita karazana sakafo mahazatra an'i Afrika Andrefana ianao: accra, mafé, thiep, yassa, n'dole, sns. Mitantara [3] ilay bilaogera  Dje S [4], teratany Senegaly:

Installés rapidement, on découvre le cadre très agréable, ambiance tamisée, un bar central , des miroirs en pied, pas de déco tape à l'oeil. Ça commence bien!
J'ai craqué pour un soya en entrée  (3 brochettes de boeuf mariné et chapelure de semoule de manioc) c'était délicieux avec sa sauce moutarde à côté, j'ai pu aussi goûter les pastels poissons ainsi que l'alloco , bien mûres et sucrées.

Tafapetraka haingana, mahita ny toerana ho tena mahafinaritra ianao, lanonana malefadefaka, fisotroana eo afovoany, fitaratra lava hatrany amin'ny tongotra, tsy misy ravaka manimba maso. Manomboka tsara izy izany!
Nihinana saozaha aho tamin'ny sakafo fanombohana (hena omby natono nalona 3 sy toto-mangahazo) tena matsiro niaraka tamin'ny saosy voantsinapy teo akaiky, afaka nanandrana trondro sy alloco, masaka sy mamy koa aho.

Kamerona: Rio dos camaraos, Montreuil

Ndole amin'ny henan'omby, karazana epinara tena mangidy miaraka amin'ny voanjo masaka tsara- tao amin'ny riodos.fr

Natsangan'i Alexandre sy Vicky Bella Ola 15 taona lasa izay ny trano fisakafoanana Rio dos Camaraos [5]  mba hanasongadinana ny nahandro nentim-paharazan'ny Afrikana mainty. Manazava [5] i Alexandre:

 la Cuisine d’Afrique Noire est absente du paysage culinaire mondial. Nous sommes encore nombreux et cela quelque soit la couleur de notre peau, à croire que le meilleur et authentique mafé ne se mange qu’au Mali…Pour moi, la cuisine est comme la musique : une partition musicale peut s’interpréter par n’importe quel musicien de mille et une façons.

Tsy hita eo amin'ny tontolon'ny nahandro manerantany ny sakafo Afrikana mainty. Mbola marobe isika na inona na inona lokon'ny hodintsika, inoana fa ny mafé tsara indrindra sy tena izy dia ao Mali ihany no misy azy … Ho ahy, tahaka ny mozika ny mahandro sakafo, afaka tendren'ny mpitendry rehetra amin'ny fomba maro samihafa ny naotin'ny [taindalitra] mozika.

Ny Ndolé no nahandro Kameroney tsara indrindra ao Rios. manazava ny antony ankafizany izany toerana izany [6] i Mi Cbou avy ao Yaoundé :

J'ai retrouvé les goûts typiques de la cuisine africaine déjà dégustée en Cote d'Ivoire et au Sénégal, avec la même variété de plats.En plus, accueil très chaleureux de la propriétaire des lieux. Le Ndolé, servi avec des plantains [7] frits, est excellent.

Nahita ny mampiavaka ny tsiron'ny nahandro Afrikana efa nandramana tao Cote d'Ivoire sy Senegal aho, tamin'ny sakafo isan-karazany. Fanampin'izany ny fandraisana mafana atolotr'ireo tompon-toerana. Tena tsara ny Ndolé, aroso miaraka amin'ny akondrolahy [7] nendasina.

Niger: African Kitchen Paris, Paris 11

Naorina tamin'ny 1 Febroary 2012 ny African Kitchen Paris [8]. Toeram-pisakafoanana Lounge FrankôNizeriana ao afovoan'i Paris. Zara raha omem-boninahitra ny nahandro Nizeriana ka te hanitsy izany fanadinoina izany ity trano fisakafoanana ity. Tsy nahay momba ny nahandro Nizeriana i Sylvie saingy nahita izany tamim-pifaliana [9];

C'est vraiment dépaysant. Des plats classés par sauce, avec le choix des viandes: poulet, boeuf, mais aussi tripes, pied de boeuf et chèvre.
J'ai testé une sauce à base d'épinards et crevettes, avec de la chèvre: un régal.

Tena nanavahiny tanteraka. Sakafo voasokajy isaky ny saosy, miaraka amin'ny hena atao safidy: akoho, henan'omby, ary koa tiripy, tongotr'omby sy osy.
Nanandrana saosy epinara sy makamba, miaraka amin'ny osilahy aho: Matsiro.

Mali: Le Snack de Bamako, Saint Ouen

Tsy tahaka ireo toerana teo aloha, tsy trano fisakafoanana sakafo maivana ahitana an'i Mama Bintou mandray am-pitsikiana ny Snack de Bamako [10]. Ao no ankafizana ny sakafo nentim-paharazan'i Mali sy ny Afrika Andrefana rehetra amin'ny vidiny antonony: Mafé, Tieb, Yassa, brika, akoho atono sy Alloco.

Madagasikara: Le Lémurien, Montrouge.

5 minitra an-tongotra miala ao amin'ny Porte d'Orléans,  manome voninahitra ny biby kely manana maso talanjona sy fetsifetsy ity trano fisakafoanana kely [11]ity, firavaky ny biby Malagasy ary koa nahandro ao amin'ity nosy ity, tsy dia hita firy ao Paris [ny nahandro malagasy]. Nankafy [12] izany Peggy D:
Le poisson au Coco était bon juste épicé comme il faut. La tarte coco qui est plutôt un financier coco avec une boule de glace coco pas mal du tout. Accueil sympathique. J'y retournerais pour goûter un rougail saucisses.

Nasiana laron-tsakafo mety araka ny tokony izy ny trondro amin'ny voanio. Tsy ratsy ihany koa ny mofomamy voanio somary boribory toy ny vola miaraka amin'ny gilasy voanio. Fandraisana mahafinaritra. Mbola hiverina ao aho hanandrana ny rogay saosisy.

Elodie Rabenja, teratany Malagasy nankasitraka [13]:
Les odeurs, des sons malgaches, des éléments de décors captivants. Pour une soirée en amoureux ou avec des amis. Le lieu se prête à sortir d'un cadre “usine” où tout le monde court et où vous n'êtes qu'un “client”. On en oublie le temps qui passe. Points positifs : Nourriture excellente, les vrais saveurs authentiques des plats malgaches.

Ny hanitra, ny feo Malagasy, karazana ravaka manintona. Ho an'ny harivarivan'ny mpifankatia na miaraka amin'ny namana. Vonona hanolotra sehatra “orinasa” ny toerana izay ahafahan'ny rehetra mihazakazaka nefa “mpanjifa” fotsiny ihany ianao. Adino ny fandehan'ny fotoana. Zavatra tsara: sakafo tena matsiro, tsiro tena izy amin'ny sakafo Malagasy.

Amin'ny fizarana faharoa, hanolotra fanadihadiana antsipiriany mikasika ny toeram-pisakafoanana tsirairay avy amin'ny ampielezana izahay.