- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kintan'ny Media Sosialy Ny Sasany Amin'ireo Tranom-baovao ao Ghana, Raha Nandalo Fotsiny Ny Hafa

Sokajy: Afrika Mainty, Ghana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Teknolojia

Pikantsary mampiseho ireo onjam-peo 10 be mpanaraka indrindra ao amin'ny Facebook..

Namoaka ny tatitrany momba ny tondro Media Sosialy telovolana voalohany ho an'ny taona 2017 ny Penplusbytes, izay manadihady ny vokatra sy ny zava-bitan'ireo gazety, radio sy fahitalavitra ao Ghana, izay mifototra amin'ny fisian'izy ireo, ny mpanjohy ary ny tiako ao amin'ny Facebook sy Twitter.

Mba hanangonana ny tondro, nilaza [1] ny fikambanana fa nanatontosa fanadihadiana tamin'ireo  gazety miisa 60, onjam-peo miisa 350 voasoratra anarana ary fahitalavitra miisa 34. Mampiseho ny tatitra fa ny Facebook no sehatra media sosialy malaza indrindra eo amin'ireo trano fampahalalam-baovao ao Ghana raha oharina amin'ny Twitter.

Fikambanana tsy mitady tombontsoa ara-bola ny Penplusbytes [2], mampiroborobo ny fitantanana mahomby amin'ny fampiasana teknolojia ao Afrika. Namoaka [3] ny tatitrany voalohany momba ny media sosialin’ ny tranom-baovaon'ny gazety, onjam-peo sy fahitalavitra ao Ghana ny fikambanana tamin'ny taona 2016.

Facebook

Mampiseho ny tatitra fa 68 (19.4%) monja amin'ireo onjam-peo 350 no manana sy mitantana kaonty Facebook. Joy FM, iray amin'ireo tranom-baovao goavana indrindra ao Ghana no radio Ghaneana be mpanaraka indrindra ao amin'ny Facebook, manana tiako mahery ny 1.008733, arahin'ny Citi FM amin'ny tiako 999.388.

Fahitalavitra telo amby roapolo (67%) amin'ireo 34 no manana Facebook, ka ny U TV Ghana no mitarika amin'ny tiako miisa 706.095.

Mampiseho ny tatitra fa  19 (31%) amin'ireo gazety 60 ao Ghana no ao amin'ny Facebook. Na izany aza, tsy ahitana vaovao farany na fifaneraserana tao anatin'ny telo taona ny sasany amin'ireo pejy ireo. Ny Daily Graphic, gazety be mpamaky indrindra ao Ghana no mitarika amin'ny isan'ny mpanjohy 846.449, arahin'ny 90 Minutes Sports manana pejy misy tiako miisa 131.778.

Twitter

Nahita ny fikarohana fa onjam-peo Ghaneana eo amin'ny 55 (16%) no manana Twitter. Joy FM no mitarika ao amin'ny Twitter amin'ny isan'ny mpanjohy 640.984, avy eo ny Citi FM izay manana mpanjohy 541.150.

Fahitalavitra 20 (57%) kosa no ao amin'ny Twitter. Ny GH One TV no mitarika ao amin'ny Twitter, manana mpanjohy 289.567, avy eo ny Viasat 1 (Kwese) TV, manana mpanjohy 140.353.

13 (21.7%) monja amin'ireo gazety 60 no ao amin'ny Twitter. Manana mpanjohy 13.596 ny gazety Daily Guide raha faharoa kosa ny Daily Graphic, manana mpanjohy 11.497.

Nanambara [4] ny tondro Media Sosialy fa :

This report reveals notably impressive performances by media entities such as Joy FM, Citi FM, Starr FM and ATL FM who, without any surprise, have some of their accounts verified. They represent a small percentage of best managed pages that are easily identified as official on social media with up-to-the-minute post updates and interaction with audience.

The reverse of this is also the general lack interest by many other news media with poorly managed handles that are difficult to identify as official accounts. Most of these traditional media have multiple pages created in their names with some appearing to have been last updated as far back as 2013 as found with a 2nd Ghanaian Times newspaper page on Twitter (@GhanaianTimes).

Ity tatitra ity dia mampiseho zava-bita mahavariana indrindra avy amin'ireo fampahalalam-baovao, tahaka ny Joy FM, Citi FM, Starr FM ary ATL FM, izay tsy mahagaga intsony fa manana ny kaontin'izy ireo voamarina. Maneho isanjato kely amin'ireo pejy tsara tantana indrindra izy ireo izay mora fantatra ho pejy ofisialy ao amin'ny media sosialy, ahitana vaovao farany isa minitra sy fifandraisana amin'ny mpijery sy mpihaino.

Ny mifanohitra amin'izany dia ny tsy fisian'ny fahalianana ankapobeny avy amin'ny fampahalalam-baovao hafa izay ratsy tantana ny kaonty ka sarotra fantarina ho kaonty ofisialy. Manana pejy noforonina tamin'ny anaran'izy ireo ny ankamaroan'ireo fampahalalam-baovao mahazatra, ary efa tamin'ny taona 2013 ny vaovao farany hita tamin'ireo kaonty assany tahaka ny pejin'ny gazety Ghaneana Times ao amin'ny Twitter (@GhanaianTimes).

Afaka mitroka ny tatitra feno ato [4].ianao