- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tafika Korintsana, Hetsika Mahery Vaika Manohitra Ny Herisetra Ara-nofo Ao Jamaika

Sokajy: Karaiba, Jamaika, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta
[1]

A tambourine held aloft at the Tambourine Army's March 11, 2017 protest against sexual violence in Kingston, Jamaica. Photo by Storm Saulter, used with permission.

Nosamborina sy nenjehina tamin'ny fiampangana telo tamin'ny “fampiasana solosaina hanaovana fikasan-dratsy” ny Iray amin'ireo mpanorina ny Tambourine Army [2] [Tafika Korintsana] ao Jamaika, hetsika sahisahy vaovao tarihin'ny vehivavy sy ireo niangana tamin'ny fanararaotana ara-nofo sy ny herisetra.

Voampanga noho ny lalànan'ny heloka antserasera [3] i Latoya Nugent, rehefa nametraka fitoriana ofisialy [4] tany amin'ny polisy ny lehilahy maromaro miampanga azy ho milaza ny sasany amin'izy ireo ho mpametaveta tao amin'ny media sosialy. Afaka vonjimaika i Nugent amin'izao fotoana izao.

Nilatsaka ny fisamborana rehefa nahasarika ny sain'ny maro ny hetsika Tafiky ny Korintsana (na Ampongatapaka) ary niteraka adihevitra tao Karaiba. Misy Jamaikàna sasany, indrindra indrindra, te-hanohitra ny fahatezeran'ny vondrona sy ny paikady tamin'ny nanononana ny anarana sy nanalàna baraka ireo lehilahy mpiherisetra, izay maro amin'ireo lehilahy ireo no manana fahefana ambony, ka nahatonga an'i Nugent ho nosamborina.

Izay nahatonga ny fahatezerana

Tsy mahavaha ny olana sy ny zava-misy amin'ny herisetra ara-nofo mihatra amin'ny vehivavy sy ny ankizy ny lalàna misy ankehitriny ao Jamaika. Ohatra, mamaritra ny fanolanana ho ‘fampidiran'ny lehilahy ny filahiany ao amin'ny fivavian'ny vehivavy tsy nahazoana fankatoavana” ny lalàna momba ny Heloka Ara-nofo [5]. Zara raha taterina ao amin'ny firenena ihany koa ny fanolanana sy ny fanararaotana noho ny kolontsaina manamenatra sy manilikilika ny niharam-boina.

Izany toe-javatra rehetra izany no nitarika ny fananganana tampoka ny Tafiky ny Ampongatapaka tamin'ny fiandohan'ity taona ity. Tafatambatra ny tafika taorian'ny nanombohan'i Nugent ny tenirohy #TambourineArmy, ho setrin'ny fifantohan'ny olona marobe tao amin'ny media sosialy tamin'ny fandonana pasitera voampanga ho nanararaotra ara-nofo tamin'ny mpikambana iray ao amin'ny korintsana [6] nandritra ny fihetsiketsehana. Tamin'ny alalan'ny tenirohy, niezaka nampifantoka ny saina tamin'ny zavatra lehibe kokoa i Nugent:

 

What we are trying to do is to engage persons who do healing work, and counselling and support kind of work, to provide safe spaces, physical and virtual, for survivors of sexual violence. We are also trying to let people understand the concept of sexual grooming.

Ny zavatra nezahinay natao dia ny hampandray andraikitra ireo olona manana asa fanasitranana, sy manoro hevitra ary manohana karazana asa tahaka izany, mba hanome toerana azo antoka, ara-batana sy virtoaly ho an'ireo niangan'ny herisetra ara-nofo. Miezaka ihany koa izahay mba ahafahan'ny olona mahatakatra ny tsirikevitry ny “fanadiovana fananahana”.

Voampanga tamin'ny fanararaotana ara-nofo tamin'ireo ankizy tsy ampy taona avy eo ny pasitera Dr. Paul Gardner,.

Raha miatrika fitsarana i Gardner ary miatrika valifaty ny fiangonany, nitondra vehivavy, lehilahy sy ankizy miisa 700 ny hetsika antseraseran'i Nugent mba hanao diabe ao an-drenivohitra, Kingston tamin'ny 11 Martsa 2014. Nitondra korintsana izy ireo mba handrava ny fahanginana manoloana ny fanilikilihana atrehan'ireo niangana ary mitaky ny rariny noho ny fanararaotana ara-nofo sy ny fanolanana.

[7]

Tsy vonona ny hangina intsony ireo sisa niangana tamin'ny fanararaotana ara-nofo sy ny herisetra mihatra amin'ny vehivavy ao Jamaika. Sarin'ireo mpandray anjara tamin'ny diaben'ny Tambourine Army, avy amin'i Storm Saulter, nahazoana alalana.

Na hanakorintsana na tsia

Nihamafy ny tantara ratsy nateraky ny paikadin'ny Tafika raha nanoratra ny fomba fijeriny tao amin'ny bilaoginy manokana [8] izay nampahatezitra sy niteraka adihevitra lalina kokoa — ary indraindray lasa samy lozabe –, i Emma Lewis, mpandray anjara ato amin'ny Global Voices izay nanoratra mikasika ny fiforonana sy ny andraikitry n [2]y vondrona.

Nanamarika tao amin'ny lahatsorany i Lewis, anisan'ny niangana ihany koa ny tenany, fa “hiringiriny” ihany koa izy, indrindra raha mikasika ny fomba fijeriny “momba ny tontolo iainana, ny famonoana ho faty, ny zon'olombelona, ny zo momba fanalan-jaza, ny zon'ny LGBT” izany. Nanizingizina izy, na izany aza, fa tsy mino ny herisetra izy satria “tsy mamaha na inona na inona izany”.

Tsy dia nankasitrahana loatra ny lahatsoratra nosoratan'i Lewis ary niteraka andiana fanehoan-kevitra masiaka tamin'ny aterineto.

Araka ny filazan'i Kei Miller, mpanoratra Jamaikana, mety ho tsy takatr'i Lewis izay iantsoantsoan'ny Tafik’ Ampongatapaka anaty fahatezerana; na angamba, manajamba azy noho ny hafanan'ny lohahevitra ny fomba fijerin'i Lewis “toa tsy mankasitraka ny Tombontsoan'ny Fotsy. Nanazava bebe kokoa tao amin'ny bilaoginy [9] i Miller:

Many who read Emma’s blog – many women in fact – felt that she had bravely expressed their own misgivings […] there was something too militant, too aggressive and ultimately something too divisive about the Tambourine Army. The Tambourine Army was not impressed by this critique. To them it was just more respectability politics – an attempt to police their tone, to muffle their rage, an unfair demand to take all that pent up hurt, that lifetime of suppressed pain, and make it all more polite, more reasonable, more acceptable for brown people’s consumption, for male consumption, for good-decent-middle-class-people-who-faint-at-the-word-bomboclawt consumption.

Maro amin'ireo mamaky ny bilaogin'i Emma – maro ny vehivavy raha ny marina –  no nahatsapa fa naneho am-pahasahiana izay mampiahotrahotra azy ireo izy […] nisy zavatra toa mikatroka loatra, mahery setra loatra ary farany, zavatra mampisara-bazana loatra momba ny Tafik'Ampongatapaka tao. Tsy nanaitra ny Tafika Ampongatapaka anefa izany tsikera izany. Ho azy ireo, politikan'ny fahamendrehana fotsiny izany – ezaka handaminana ny feon'izy ireo, hanakombonana ny hatezeran'izy ireo, fitakiana tsy ara-rariny hamparary kokoa, izany fiainana voafafa fangirifiriana, ary manao izany rehetra izany ho am-panajana kokoa, misaina kokoa, azo ekena kokoa amin'ny fandanian'olona volontsôkôlà, amin'ny fandanian'ny lehilahy, ho an'ny olona kilasy antonony tsara sy mendrika izay tsy mahalala ny teny fanjifàna bomboclawt.

[10]

Lehilahy nanao diabe niaraka tamin'ny vehivavy  mba hiezaka hamarana ny kolontsain'ny fanolanana ao Jamaika. Sary avy amin'i Storm Saulter, nahazoana alalana.

Nanohy nanamarika izy [9] fa misy ny fotoana hahatezerana:

I have not agreed with every utterance from the Tambourine Warriors. […] The binaries they sometimes insist on seem overly strict to me – ‘you either hold to this particular position, or you’re not with us!’ Still, I haven’t felt the need to voice any of these objections. This is not a critical/academic discourse. This is rage. Let it be. Let it do what only it can do. Let it offend and disrupt and dismantle what only it can. If I had been in Jamaica I would have marched and shaken a tambourine in solidarity.

To everything there is a season – a time for the silence of men, and a time for the tambourines of women.

Tsy nanaiky ny filazana rehetra avy amin'ireo Mpiadin'ny Ampongatapaka aho. […] Ny fampifandrafiana isisihan'izy ireo dia toa henjana loatra ho ahy – «na ianao mihazona izany fomba fijery manokana izany, na ianao tsy miaraka aminay!» Kanefa, tsy nahatsapa filàna haneho izany teny enti-manohitra izany aho. Tsy lahateny mitsikera/akademika izany. Fa fahatezerana. Avelao ho amin'izany. Avelao izy hanao izay hany azony atao. Avelao hanaratsy sy hanakorontana ary handrava izay hany azony atao. Raha tao Jamaika aho, dia nanao diabe sy nanetsika ampongatapaka ho firaisankina.

Misy fotoanany ny zava-drehetra – fotoana hanginan'ny lehilahy, ary fotoanan'ny ampongatapaky ny vehivavy.

Nanoratra momba ny “revolisiona manontsakontsana” ihany koa i Germaine Bryan mpianatry ny Oniversiten'i India Andrefana ao amin'ny bilaoginy [11]:

If the women behind this Tambourine Army believe they have exhausted all avenues of ‘proper’ ways to advocate that they taught us in their schools, then I say do what you must to maintain the fight. If you must shout, then shout; if you must march, then march; if you are attacked with force, fight back with force; but please don’t give up the fight.

Raha mihevitra ireo vehivavy ao ambadik'ity Tafik'Ampongatapaka ity fa nandalo ny lalana “sahaza” rehetra hanandrata-teny fa nampianatra antsika tany an-tsekoliny izy ireo, dia hiteny aho hoe ataovy izay tsy maintsy atao mba hikirizana amin'ny tolona. Raha tsy maintsy hikiakiaka ianao, dia mikiaha. Raha tsy maintsy manao diabe ianao, manaova diabe; Raha notafihana tamin-kery ianao, tohero amin-kery; saingy miangavy aho aza mitsahatra amin'ny tolona.

Tamin'ny lahatsoratra farany tamin'ny Facebook, Marlon James sakaiza mpanoratra namehy [12] ny toe-draharaha toy izao:

First came the privileged uptown lady indifference. Then came the media black out. Then came the media hatchet jobs. And now the police intimidation has begun. All because Jamaican women would like to no longer be raped and murdered. #TambourineArmy [13].

Tonga voalohany ny tsy firaharahian'ny ramatoa manankarena ao an-tanàndehibe. Avy eo ny fanakatonana ny media. Avy eo tonga ny fanafihana am-bava te handrava ny fampahalalam-baovao. Ary ankehitriny, nanomboka ny fandrahonan'ny polisy. Izany rehetra izany dia satria tsy te ho voaholana sy voavono intsony ny vehivavy Jamaikana.

Taorian'ny fahafahany vonjimaika, niditra tao amin'ny media sosialy i Nugent mba haneho ny fankasitrahany [14] tamin'ireo fanohanana marobe:

Yesterday they broke my spirit. Today, because of all of you I am stronger than the concrete that was my resting place last night. The #TambourineArmy [15] has risen.

Nandrava ny fanahiko izy ireo omaly. Ankehitriny, noho ianareo rehetra, mahery kokoa noho ny simenitra nitoerako niala sasatra omaly alina aho. Nitsangana ny [Tafik'Ampongatapaka] #TambourineArmy [15].