- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mijoro Ho An'ny Katedralin'I St. Isaac I St. Petersburg

Sokajy: Rosia, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Fivavahana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Akon'ny RuNet

 Katedralin'i Md. Isaac any St Petersourg. Loharano: Wikimedia Commons. CC BY-SA 3.0.

Telo herinandro mahery izay no lasa hatramin'ny nanombohan'ireo mpikatroka ny fivoriana voalohany hanohitra ny fanapahankevitry ny tanànan'i St Petersburg hanolotra amin'ny Fiangonana Ortodoksa Rosiana ny fifehezana ny Katedraly malazan'i St Isaac. Nefa na eo aza ny fanalàm-baraka toa fandatsahan-drà isankarazany natao tamin'ny mpikarakara, sy ny famoretana avy amin'ny manampahefana hampihemotra azy ireo, mbola manohy mijoro hatrany ireo mpikatroka ho an'ny Katedralin'i St Isaac.

Tamin'ny 12 Febroary, maro ireo fihetsiketsehana natao [1] ho fanohanana ny toe-javatra misy ankehitriny — hitazonana ny katedraly ho eo ambanin'ny fitantanana ny tranombakoka izay naorin [2]‘ny manampahefana Sovietika tamin'ny 1928. Nisalotra riobà manga ary namorona “faribolana manga” nanodidina ny katedraly ireo mpikatroka. (Hatramin'ny 2006, nisalotra riobà manga ireo mpanao fihetsiketsehana, fony izy ireo nanao hetsika ho fanoherana ny fananganana ny “Gazprom-City”, trano mijoalajoala iray mitondra ny anaran'ilay gaovan'ny fanjakan'ny etona voajanahary Gazprom izay mibodo ny faravodilanitry ny tanàna, ny manga maneho ny lanitr'i St. Petersburg, tsy voahelingelin'ny trano mijoalajoala.)

Taoarian'ny nanaovana ireo hetsi-panoherana, nanoratra [3]tao amin'ny Facebook i Boris Vishnevsky, iray amin'ireo mpikarakara:

Fivoriana tao amin'ny Katedralin'i Saint Isaac: Loharano: Wikimedia Commons, CC 2.0.

Мы показали, что встать плечом к плечу вокруг Исаакия может, как минимум, 2 тысячи человек – с умными и светлыми лицами, разного возраста, разных взглядов, но объединенных одной идеей защиты Исаакия и протеста против самодурских действий власти и ее катастрофического неуважения к людям.
Борьба продолжается. Нас много, и будет еще больше.
Правда и справедливость – на нашей стороне. Мы победим!

Nasehontsika fa fara fahakeliny olona 2000 no afaka mitsangana manao tàn-tsoroka manodidina ny Katedralin'i St Isaac – olona manampahaizana sy manana ny maha-izy azy amin'ny salan-taona samy hafa sy fomba fijery samy hafa; fa tafaray noho ny tanjona iraisana dia ny fiarovana ny Katedralin'i St Isaac ary ny fanoherana ny fihetsika jadona ataon'ny governemanta sy ny fihetsika mampididoza ataony dia ny tsy fanajana olona. Mitohy ny tolona. Misy maro no toa an-tsika, ary mbola hisy maromaro kokoa. Aty amintsika ny rariny sy ny fahamarinana. Handresy isika!”

Raha ny marina, lazain'ny tatitra fa fara fahakeliny olona 3000 no nivory nanodidina ny Katedralin'i St Isaac tamin'ny 12 Febroary: nahavita namorona faribolana efatra nanodidina ilay tranobe izy ireo, ary nifarana taminà dihy nanodidina ny katedraly ny hetsika. Nandray anjara tamin'ilay hetsika i Diana Kachalova, mpanao gazety mpanohitra avy any St Petersburg sady tonian-dahatsoratra ao amin'ny gazety Novaya Gazeta. Tao aminà lahatsoratra iray nivoaka voalohany tao amin'ny Facebook, namaritra [4]ny zava-nitranga i Kachalova :

Знаете, как это бывает в театре? Смотришь спектакль – хороший…и актеры стараются, а не берет за душу. И вдруг в какой-то момент, иногда совершенно непонятно почему, по залу пробегает искра и начинается искусство, которое пробирает до мурашек…Потому что стоять одному в пикете – это смело, но закрыть собор таким щитом – немаленький сигнал тем, кто принимает решения.

Fantatrao ve hoe ahoana ny fitrangany any amin'ny tantara tsangana? Rehefa mijery fampisehoana ianao, tsara izany… ary manao izay ho afany ireo mpisehatra, fa tsy midona any an-trano fotsiny izany. Avy eo, amin'ny teboka sasany, matetika tsy mazava hoe nahoana, fa misy tselatra mandalo ao an'efitrano ary manomboka mampangorintsina hatrany amin'ny hazondamosina ilay zavakanto… Satria ny mijoro irery ao aminà hetsi-panoherana dia be herimpo, fa ny mihodidina ny Katedraly miaraka amin'ny ampinga velona – fanairana matanjaka ihany ho an'ireo mandray ny fanapahankevitra izany”.

Na izany aza, tsy ny olom-pirenena ao St Petesburg rehetra no manohitra ilay famindràna. Fotoana fohy talohan'ny fanoherana tamin'ny 12 Febroary, nanoratra taratasy [5] ary nangataka tamin'ny Governora Georgy Poltavchenko ny rektoran'ny oniversite maro any St Petesburg mba hanafaingana ilay famindràna, izay efa voalahatra hatao ao anatin'ny roa taona:

Мы считаем, что процесс передачи должен быть завершен в ближайшее время, чтобы воспрепятствовать так называемым оппозиционерам и политиканам, а по сути, провокаторам, которые используют вопрос об Исаакиевском соборе как повод для нагнетания напряженности в обществе и сеяния религиозной розни. В их интересах поставить под сомнение правовые и моральные основания передачи собора Церкви и затормозить выполнение решения, чтобы продолжать публичные акции, направленные на оскорбление чувств христиан.

Mino izahay fa ho vita tsy ho ela ny dingan'ny famindràna mba hampitsaharana ilay antsoina hoe mpanohitra sy politisiana, izay raha ny marina, mpandranitra mahatsiravina izay mampiasa ny olan'ny Katedralin'i St Isaac ho antony hampitomboana ny disadisa eo amin'ny fiarahamonina sy hamafazana fifandirana ara-pivavahana. Ny tanjon-dry zareo dia ny hamerenana handinihana ny fototra arala ny lalàna sy maoraly ilay famindràna ny Katedraly amin”ny Fiangonana ary hampiadana ny fampiharana ilay fanapahankevitra mba hanohizana ny hetsi-bahoaka ikendrena ny hanompàna ny fihetsehampon'ny Kristianina.

Tsy nangiana fotsiny koa ny Eglizy Ortodoksa Rosiana : Ny filohan'ny fiangonana, ny Patriarika Kirill, dia nampiasa ny fahafahana mampitaha ny ady amin'izao fotoana izao amin'ny fanimbàna ny fiangonana sy ny famonoana ireo mpisorona Bolsheviks nandritra ny Revolisiona Rosiana: “Ny fanimbàna tempoly sy ny famonoana faobe ny mpino dia iray tamin'ireo fotoana nampivarahontsana indrindra teo amin'ny tantarantsika. Ankehitriny, ny fandriampahalemana manodidina ny fiangonana izay efa tafaverina dia tsy maintsy ho mariky ny fampihavanana sy famelankeloky ny andaniny sy ny ankilany.”

Mandritra izany fotoana izany, Vitaly Milonov, solombavambahoaka any St Petesburg, izay nalaza ratsy tamin'ny fomba fiteniny mivatravatra manohitra pelaka, nanapaka hevitra ny hampihemotra ny famantaranora ho any amin'ny 2000 taona lasa: nanambara i Milonov fa ireo razan'i Boris Vishnevsky sy Maxim Reznik – sady Jiosy mpitarika ny hetsi-panoherana – dia nahandro ireo kristiana tao anaty vilany ary nanome azy ireo ho sakafon'ny bibidia. Mazava ho azy, nanakiana ity fanalam-baraka toa fandatsahan-drà nataon'i Milonov ity ny mpanohitra: nikarakara hetsika tselatra ireo naman'i Vishnevsky ao amin'ny Facebook izay ahitana ireo mpandray anjara mitafy toa an'i Vishnevsky sy Resnik manao fitafy Romana isan-karazany. Ny seho tena mampihomehy dia maneho ireto mpanohitra roa toa an'i Rmulus sy Remus amin'ilay sarivongana malazan'ny amboadia vavy Capitole..

Saingy tsy ity ampahan-tantara mampihomehy ity ihany no fihetsika hafahafa nataon'i Milonov ho fanoherana ilay famindràna. Nikarakara karazana filaharana masina nanodidina ny Katedraly i Milonov tamin'ny 12 Febroary. Na tsy pretra nahazo fanosorana aza izy, dia nahavita nanangona pretra sy kristiana mpino marobe, izay nampitomboin'ny haino aman-jery mpomba an'i Kremlin avy hatrany ny isan'izy ireo, nanodidina ny Katedralin'i St Isaac. Na  mampiseho aza ny lahatsarin'ny filaharana fa mpanohitra an-jatony vitsy ihany no niaraka tamin'i Milonov, ny Minisitry ny Atitany nitatitra [6]fa nisy mpandray anjara 8000 tamin'ilay hetsika/

Soa ihany fa naka say ireo lahatsarin'ny filaharana ny haino aman-jery mpilaza vaovao, amin'izay ianao ihany dia afaka mitsara: