- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fampitandremana Sivana Nataon'i Rosia Tamin'ny Foibe Fampielezam-Peo, Nahatonga Tebiteby Vetivety

Sokajy: Rosia, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Akon'ny RuNet

Lehiben'ny tonian-dahatsoratry ny Akon'i Maosko, Alexei Venediktov. Loharanon-tsary : Wikimedia Commons

Haingana -sady vetivety- no niparitahan'ilay tebiteby momba ilay famoretana iray hafa atao amin'ny haino aman-jery Rosiana tamin'ny 10 Febroary rehefa novakian'ny vaovao fa nampitandreman'ny Roskomnadzor, mpiandry ny haino aman-jery avy amin'ny fanjakana, ny foibe fampielezam-peo Ekho Moskovy (Akon'i Maosko) fa mety hakatona raha tsy manaja ny lalàna momba ny fitantànana ny famatsiambola avy any ivelany ao amin'ny haino aman-jery.

Ny haba-tranonkalan'ny gazety mpanàla hamohamo Life News (toy ny ‘Ngah ao Madagasikara) no voalohany nitatitra fa mety hakatona ny Ekho ao anatin'ny dimy andro. Nazavain'ny tompon'andraikitry ny Roskomnadzor malaky fa mahakasika ny olana ara-teknika ilay taratasy nalefany- isan'izany ny famerenana ara-potoana ireo antontan-taratasy sasany- mba hampitoniana ny tahotra fanafoanana an'ireo haino aman-jery Rosiana mpanome vaovao hafa.

Mazava tsara ny taratasin'i Roskomnadzor fa tsy maintsy manaja ny lalàna [1]iray tamin'ny 2014 ny Ekho, izay mametra fa 20% amin'ny orinasa haino aman-jery Rosiana fara-fahabetsany no azon'ny vahiny mpampiasa vola tazonina. Nanan-kery nanomboka tamin'ny 1 Janoary 2016 io lalàna io ary nomena hatramin'ny 1 Febroary amin'ity taona ity ireo orinasa haino aman-jery mba hanovàna ny rafi-panànany hifanaraka amin'ilay lalàna.

Notaterin'ny [2] lehiben'ny tonian-dahatsoratry ny fampielezampeo, Alexey Venediktov, tamin'ny taona lasa fa efa nandray fepetra mba hifanaraka amin'ilay lalàna ny fampielezampeo : efa nahenan'ny orinasa Amerikana EM-Holding, tarihin'ilay Rosiana Vladmir Gusinsky, ho 19,9 isanjato ny anjarany izay 34 isan-jato mba hifanaraka amin'ilay lalàna. Ny Gazprom Media, rantsan'ny orinasan'angovom-panjakana goavana Gazprom no tompon'ny 66%-n'ny fampielezampeo.

Novalian'i Venediktov ilay soratra tao amin'ny Twitter izay milaza fa tokony hiezaka amin'ny heriny rehetra ny Ekho mba hanaja ny lalàna Rosiana.

Hotanterahinay tsy misy fepetra ny fangatahan'ny Roskomnadozor, na dia tsy nampoizinay aza ny dikan'io lalàna io. Eo am-piasàna momba io ireo mpahay lalàna.

Na tsy lazain'ilay lalàna mazava tsara aza fa tsy tokony ho orinasa voasoratra ara-panjakana any Etazonia ilay manana petra-bola, tany am-boalohany dia naneho ny ahiahiny ireo sasany fa nadikan'ny [4] Roskomnadzor ho fandraràna tanteraka izay rehetra fampiasambola avy any ivelany amin'ny haino aman-jery ilay lalàna.  [4]

Ny lehiben'ny tonian-dahatsoratry ny Akon'i Maosko, Alexei Venediktov. Loharanon-tsary : archive.govern,ent.ru

Fa nohazavain'ireo mpiasan'ny Roskomnadzor fa tsy misy ifandraisany amin'izay mety ho fanakatonana ny foiben'ilay fampielezampeo ny taratasy nalefany. Nolazain'ilay [4] solontena avy amin'ilay rafitra, Vadim Apelonsky, tamin'ny Life News fa ” taratasy filazana ara-teknika, mampahatsiahy ny ilàna ny fanarahana ny fomba ara-dalàna mikasika ny fanànan'ny vahiny ao amin'ny haino aman-jery Rosiana” fotsiny iny.  Namafisin'i [4]Leonid Levin, ilay filohan'ny vaomieran'ny fifandraisana ao amin'ny Duma-n'ny fanjakana Rosiana fa ” tsy fandikàn-dalàna amin'ny resaka petra-bolan'ny vahiny tompony ” ilay taratasy “fa ilaina ho ara-potoana ny antontan-taratasy manome amin'ny antsipirihiny” momba ireo anjarany.

Tsy vao voalohany ny Ekho Moskovy no nisintona manokana ny sain'ny governemanta Rosiana. Tamin'ny Oktobra 2014, naharay fampitandremana [5] avy amin'ny Roskomnadzor momba ilay fandrakofany ny ady tany Okraina ilay foibe fampielezampeo. Herinandro vitsivitsy talohan'izay, nanambara [6] ny minisitry ny Asa Vonjy Taitra Rosiana fa nikasa ny hanao fitsidihana tselika ny foiben'ilay fampielezampeo, paikady mahazatra fanao rehefa hanakatona orinasa sy sampan'orinasa izay tsy ankasitrahan'i Kremlin.

Fantatra amin'ny fanolorany ireo karazana fomba fijery midadasika ilay fampielezam-peo, isan'izany ny an'ireo mpikatroka avy amin'ny mpanohitra. Isan'ny vahininy matetika i Vladmir Kara-Murza, ilay sahy mitsikera ampahibemaso an'i Putin, izay vao avy narary mafy [7]fanindroany tao anatin'ny roa taona, angamba niniana nopoizinina. Mpandray anjara matetika ihany koa ilay mpiady amin'ny kolikoly sady lehiben'ny mpanohitra, Alexey Navalny ; nomelohin'ny [8] fitsarana Rosiana ho nanao fanodikodinam-bola izy tamin'ny herinandro voalohan'ny Febroary, izay manakana azy tsy hanao fampielezankevitra hanohitra an'i Putin amin'ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny 2018.

Ary tsy afenina fa ny toetra ratsin'i Putin no kosikosehan'ny Ekho. Tao amin'ny fivoriana malazan'ny haino aman-jery ofisialy tamin'ny 2012, dia hoy [9]izy tamin'ny Venediktov ” ataonao mihinana ny taiko andro aman'alina aho.”