- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manao Tombokavatsa ‘MIFAHARA’ Hiarovana Fotokevi-dehibe ilay Mpanakanto Amerikana

Sokajy: Amerika Avaratra, Etazonia, Mediam-bahoaka, Zavakanto & Kolontsaina

Nate Kascak ao amin'ny fanaovana Tombokavatsa Psychic Unicorn sy ny Efitra ho an'ny Zavakanto. Sary: Erin Gallagher

Manolotra lohahevitra na sary tombokavatsa “RESIST” na “MIFAHARA” maimaim-poana ho an'ireo olona rehetra izay manome azy porofom-panomezana 100 $ na mihoatra ho an'ny fikambanana mpanao asa soa na ho an'ny fikambanana “miady ho amin'ny tontolo tsara kokoa” ny mpanakanto mpanao tombokavatsa iray any Etazonia.

Miasa ao amin'ny Psychic Unicorn i Nate Kaschak [1], dia ilay efitra fanaovana tombokavatsa sady efitra ho an'ny zavakanto izay an'i Rhi sy Chris Wallace ao an-tanàndehiben'i Kingston, Pennsylvania, manana mponina manodidina ny 14,000. Ao amin'ny Lohasahan'ny Wyoming no misy an'i Kingston izay faritra manan-tantara amin'ny fitrandrahana arintany any avaratra atsinanan'i Pennsylvania, nanana ny lanjany lehibe fahiny teo amin'ny revolisiona indostrialy.

Nilaza i Kaschak fa leo ireo fahakiviana maro be hitany an-tserasera izy ary te handrisika ny olona mba ho mavitrika kokoa fa tsy hitaraina. Namorona ny andianà lohahevitra tombokavatsa ôrizinaly “MIFAHARA” izy ary nandefa izao hafatra manaraka izao tao amin'ny Facebook tamin'ny 27 Janoary [2]:

Help our world, get a free tattoo!

Starting February I will be offering a selection of designs available at absolutely no charge with proof or receipt of donations of $100 or more to the following organizations (or a charity/organization of your choice, these are just my recomendations):

People for the American Way
Human Rights Campaign
Planned Parenthood
ACLU
Sacred Stone Legal Defense Fund
NAACP
ProPublica
The Trevor Project
National Resource Defense Fund
International Refugee Assistance Project
Environmental Defense Fund
National Endowment for the Arts
National Center for Transgender Equality

There's a ton of useful projects and organizations out there fighting for a better world, do your research! A great deal of change is heading our way and it's our collective responsibility to make sure they're positive and progressive steps towards a brighter future for E V E R Y O N E.

Do me a huge favor and share this around and feel free to suggest any programs you can think of.

Ampio ny tontolontsika, mahazoa tombokavatsa maimaim-poana !

Hanomboka ny volana Febroary, hanolotra ireo sary nofantenina aho izay omena maimaim-poana raha misy ny porofo na tapakila fanomezana 100 $ na mihoatra ho an'ireto fikambanana manaraka ireto (na fikambanana mpanao soa / fikambanana izay safidianao, fa soso-kevitro fotsiny ireto):

Ny Vahoaka ho an'ny Fomba Fiainana Amerikana
Ny Fanentanana Ny Zon'Olombelona
Ny Fomba Fitaizana ny Zaza Voalamina
ACLU
Sacred Stone Legal Defense Fund
NAACP
ProPublica
Ny Tetikasa The Trevor
Famatsiam-bola ho Fiarovana Ny Loharanon-karem-pirenena
Ny Tetikasa Fanampiana Iraisampirenena ho an'ny Mpitsoam-ponenana
Famatsiam-bola ho Fiarovana Ny Tontolo Iainana
Fanomezana Nasionaly ho an'ny Zavakanto
Foibe Nasionaly ho an'ny Fitovianjo'ny Vavilahy

Misy aman-taonina ireo tetikasa mpanasoa sy fikambanana avy any ivelany miady ho amin'ny tontolo tsara kokoa, ataovy ny fikarohanao! Maro ireo fiovana mialoha lalana antsika ary andraikitra iombonantsika izany mba ahazoana antoka tsara fa misy ny dingana miabo sy mivoatra mankany amin'ny hoavy mamiratra ho an'ny TSIRAIRAY [REHETRA].

Ampio aho ary zarao ity, ary aza misalasala milaza ny fandaharana rehetra izay eritreretinao.

Ireo andianà  tombokavatsa “MIFAHARA” avy amin'i Nate Kaschak. Sary: Erin Gallagher

Nisarika saina maro ny lahatsoratr'i Kaschak tao amin'ny Facebook [2]ary amin'izao fotoana izao dia manana zara miisa  410  sy fanehoan-kevitra maro izany avy amin'ireo olona nanoro hevitra fa efa nanao fanomezana ho an'ny fikambanana isan-karazany izy ireo ary ho avy hanao ny tombokavatsa. Nilaza izy fa  tototry ny valinteny ary nanome fotoana mba hanao ny tombokavatsan'ny famoronany ôrizinaly “MIFAHARA” avy amin'ny olona ao an-toerana sy any ivelan'ny fanjakana ihany koa .

Sary: Erin Gallagher

Nitsidika ny Psychic Unicorn ny Global Voices, ary niaraka tamin'i Kaschak raha mbola teo ampanaovana ny iray amin'ireo sarin'ny tombokavatsa MIFAHARA  vaovao iray izy , izay nahitsiny hilaza hoe “PERSIST” na “MIFIKIRA” araka ny fangatahan'ilay mpanjifa .

Mikasa ny hamoaka ny famoronany “MIFAHARA” ho ao anatin'ny lisansa Creative Commons i Kaschak, izay manana fomba tsy manam-paharoa miavaka amin'ny fomba famoronana mareva-doko sy ireo sonia matoatoa [3]mba ahafahan'ireo mpanakanto na aiza na aiza mampiasa izany.

Namaritra ny Efitra Fiasana ho toy ny fonenan'ny mpanakanto izay “miezaka manontolo mba ho mendrika indrindra amin'ny olombelona araka izay azo atao” ny pejy Facebook-n'ny [4] Psychic Unicorn [4], ary nilaza ireo fahalianany manokana amin'ny “asa soa manoloana ny homamiadana, ny biby na izay rehetra mitondra tara-pahazavana ety ambany habakabaka.” Hita fa toa miaina mifanaraka amin'izany tanjona izany i Kaschak  .