- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sary Iray Navoakan'Ilay Mpaka Sarin-Gazety Kolombiana Nanova Fijery ny Ady Anaty Akata

Sokajy: Amerika Latina, Kolombia, Ady & Fifandirana, Mediam-bahoaka, Saripika
[1]

Sary nalaina tao amin'ny Pixabay . Sehatra ho an'ny daholobe .

Matetika natao ho teny fampidirana fotsiny ihany mba hanomezam-baovao momba ny toe-javatra marefo izay niainan'ny  Kolombia tao anatin'ny 52 taona farany noho ny fifandirana mitam-piadiana [2]  ireo teny hoe Tafika Revolisionera ao Kolombia -FARC- izay navondrona eo amin'ny lohatenin'ny fampitam-baovao sasany .

Toy izany koa, miresaka imbetsaka momba ny FARC ny sary izay ampiarahana amin'ny fanambarana an-gazety na fanadihadihana amin'ny fahitalavitra mampiseho lehilahy sy vehivavy, indraindray aza ankizy, izay hita ho toy ny miaramila matanjaka tsy mety resy, ary mihoatra noho izany aza. Hita tany amin'ny andaniny anaty ady ihany koa ny sarin'ireo niharam-boina maro tsy tambo isaina: fianakaviana nafindra toerana na olona nalaina an-keriny noho ny haromotana, ny alahelo ary ny fahadisoam-panantenana eny amin'ny endrik'izy ireo .

Na izany aza, nilaina ny nataon'ilay Kolombiana mpaka sarin-gazety Luís Acosta [3] naneho antsika amin'ny fomba hafa ilay fikambanana fehezin'ilay fanafohezan-teny hoe “FARC” ary nanao ireo litera efatra ireo ho lohatenin'ny sary izay nahazoany ny iray tamin'ireo Loka [4] telo tsara indrindra [4] ao amin'ny sokajy General News [Vaovao Ankapobeny], tamin'ny fifaninanana Sarin'ny taona nampanaovin'ny Ivontoerana Fanaovan-gazety Donald W. Reynolds ao amin'ny Oniversiten'i Missouri.

Arahabaina!! Luis Acosta @LAcostaCastro @AFPphoto Award of Excellence | @POYicompetition Feature Picture @AFP #AFP http://www.poyi.org/74/03/ae03.php #colombia #farc #poyi #awards #photojournalist #afp #agencefrancepresse #afpphoto #nikon #conflict #everydaylatinamerica #ig_colombia #picoftheday #instagram [5]

Sary nalefan'i Luis Robayo (@luis_robayo) tamin'ny 10 

Efa nasongadina [6] tany amin'ireo loka fanomen'ny faritra, izay nankasitraka azy tamin'ny famoahany ny sarintavan'ireo vehivavy niharam-boinan'ny fanafihana tamin'ny asidra [7] tany Bogota .

Zavatra mety hitranga ny fanontaniana rehefa mijery ity sary ity hoe: Iza ireo tanora ireo? Toa mazava ny valiny fa: “Ireo no mpikambana ao amin'ny Tafika Revolisionera ao Kolombia (FARC) izay maka aina eo amin'ny toerana any an-tendrombohitra Kolombiana ” araka ny nambaran'ny anarana ofisialy ao amin'ny sary .

Na izany aza, toa tahaka ny mitarika mankany amin'ny lalana maro amin'ny mety ho valinteny azo lazaina arakaraka ny fanontaniana mety hivoaka rehefa mijery ny sary ny famariparitana nataon'i Acosta. Ny “FARC” nataon'i Luis Acosta dia sarin'ny ady iray hafa.