- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Firariantsoa Ho amin'ny Taona 2017

Sokajy: Mediam-bahoaka

gv-holiday-card-2016

Ny toe-javatra tamin'ny herintaona no mampahatsiahy antsika fa tsy mety ho vita mihitsy ny fananganana tetezana hifankahazoan'ny olona sy ny vondrom-piarahamonina, ary ny fiarovana ny zo fototra.

Koa satria efa hifarana ny taona 2016, miangavy hanolotra fanomezana [1] hanampiana anay hanohy ny ady amin'ny herin'ny fankahalana sy ny tsy fahazakana ny hafa izay mandrahona ny tontolo iainantsika ho toerana mampidi-doza kokoa.

Ny fanoloranao fanomezana ho an'ny Global Voices no hanampy ity fikambanana misandrahaka manerana izao tontolo izao ity hitatitra ireo tantara manefy fifandraisana lalina amin'ireo fahasamihafana ara-kolontsaina, ara-piteny ary ara-kevitra—vaindohan-draharaha raha mitady isika ny hiaina amim-pirindrana ao anatin'ny tontolo manerantany sarotra amin'izao fotoana.

Mankasitraka amin'ny fanohananao, ary maniry ny taona 2017 ho feno fifaliana sy fiadanana ho anao!

Manomeza ankehitriny » [1]