- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

“Resaka” Naharitra Ampolony Taona Teo Amin'ireo Mpiangaly Rock Yogoslavy sy ny Poloney

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Bosnia Herzegovina, Kosovo, Kroasia, Makedonia, Montenegro, Okraina, Polonina, Rosia, Serbia, Slovenia, Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Hevitra, Mediam-bahoaka, Mozika, Politika, Tantara, Zavakanto & Kolontsaina
The Gdańsk shipyard, a springboard for democratic changes in then-Communist Poland of the 1980s. Photo by Filip Stojanovski, CC BY.

Ny fanaovan-tsambon'i Gdańsk, toerana niaingan'ny fanovana demaokratika tao Polonina fony mbola firenena Komonista tamin'ny taona 1980. Sary 2016 avy amin'i Filip Stojanovski, CC BY.

Na dia tsy matetika loatra aza ny fifamatorana ara-kolontsaina eo amin'ny firenena niteraka an'i Yogoslavia sy i Polonina, misy ny endri-pifandraisana iray nanivaka. Nandritra ny efapolo taona farany, namorona tetezana manokana nampifanakaiky ny olona ao amin'io firenena io ny mozika rock.

Ahafahantsika mitopy maso ireo fivoarana ireo ny famoahana indray ny mozika amin'ny endrika lahatsary an-tserasera.

Nanomboka tany amin'ny fiandohan'ny taona 1980 ny resaka, miaraka amin'ny hiran'ny tarika Azra [1] ao Zagreb ahitana mpikambana avy amin'ny foko maro, naneho hevitra mivantana momba ny toe-draharaha ara-politika niseho tao Polonina tamin'izany fotoana izany.

Miresaka mivantana momba ny fahombiazana voalohany tamin'ny Hetsika Firaisankina, [2]sy ny fikasan'ny fitondrana [3] hanafoana izany ny hiran'izy ireo “Poljska u mome srcu” [4]  (“Polonina ao am-poko”) sy ny “Proljeće je 13. u decembru” [5] (“Tonga amin'ny 13 Desambra ny lohataona”). Ny tononkira tsotra, kanefa mahery vaika amin'ny teny Kroaty/Serba  [6]no iray amin'ireo hira voalohany sy malaza indrindra:

Gdanjsk osamdesete / kada je jesen rekla ne
Gdanjsk osamdesete / držali smo palčeve
rudari, studenti, brodogradilište / svi mi
Gdanjsk osamdesete / uzavrele tvornice
dva puta se ne šalju / tenkovi na radnike
nisu se usudili / pobjedili smo svi mi

Poljska u mome srcu…

Gdańsk 1980 raha nilaza ny Fararano hoe tsia
Gdańsk 1980 nanantena isika rehetra
mpitrandraka, mpianatra, mpanamboatra sambo — isika rehetra
Gdańsk 1980 — mangotraka ireo orinasa
tsy misy olona afaka mandefa fiara mifono vy indroa hiadiana amin'ny mpiasa
tsy nahasahy izy ireo — nandresy isika rehetra, isika rehetra

Polonina ao am-poko…

Iray amin'ireo tarika mpihira manan-danja ao amin'ny Onja Vaovao Yogoslav [7]y ny Azra, izay niorina tamin'ny pop sy rock tamin'ny alalan'ny fampiarahana ny gadona vaovao vahiny toy ny punk, ny ska na ny reggae, amin'ny singa-kira teratany ary miresaka lohahevitra vaovao – manomboka amin'ny tebiteby an-drenivohitra hatramin'ny olana ara-tsosialy sy, tsikera ara-politika indraindray. Anisan'ny sehatra mozika malaza napetraka tsara [8] izany, izay ahitana rock malaza sy karazana mozika madinika vitsivitsy.

Tsy toy ny firenena sosialista Eoropeana hafa tao anatin'ny Vondrona Tatsinanana i Yogoslavia fa tsy momba ny atsy tsy momba ny aroa. Amin'ny heviny ara-kolotsaina, misokatra kokoa amin'ny tara-kevitra Tandrefana izy noho ny tara-kevitra Tatsinanana. Noho ny sakana ara-pitenenana, mifantoka indrindra amin'ny fanjifàna anatiny, fa tsy tamin'ny fanondranana ny indostrian'ny mozika tao aminy. Na dia izany aza, nankasitraka ny sangan'asan'ny Yogoslavy namany, nihira ny hiran'ireo Yogoslavy, ireo mpiangaly mozika Poloney sasany. Namony tamin'ny endrika raki-kira fanomezam-boninahitra “Yugoton” [9] nivoaka tamin'ny taona 2001 izany fahalianana nandritra ny taona maro izany.

Nitarika fiforonan'ny tarika goavana antsoina hoe Yugopolis [10] ity tetikasa ity, ary efa nahomby tamin'ny fihiràna irery na tamin'ny maha-mpihiran'ny tarika hafa azy ireo mpikambana ao aminy, ary namoaka rakikira roa fanampiny ry zareo tamin'ny taona 2007 sy 2012, sy tamba-kira  maromaro koa.

Iray amin'ny hiran'izy ireo malaza ny “Ostatnia nocka” ( “Ny alina lasa”). Niarahana natao tamin'i Maciej Maleńczuk, saika fandikana mivantana ny “Verujem, ne verujem” ( “mino aho, tsy mino aho”), hiran'ny tarika mpihira rock mahazatra Bajaga i Instruktori [11], ao Belgrade izany:

Azo raisina ho toy ny fanehoana fitadiavana fanovana ara-politka mankany amin'ny fahalalahana lehibe kokoa ny tononkira [12] nivoaka tamin'ny taona 1988.

Gluvo je doba, svi su zaspali
osеćam strašan nedostatak buke
hocu da vrištim, a ne mogu sam
ljudi su danas osetljivi na zvuke

Jer je noć, noć, noć, noć
totalni je mrak
nista se više ne vidi u tami
ovo svetlo je usamljeni zrak
osecam ipak k'o da nismo sami
ti i ja

Verujem / ne verujem

Ustani, nije vreme spavanja
dođi da čujes pobedničke trube
umij se vodom sa ovog izvora
napolju ljudi pevaju kroz zube

Alina tanteraka izao, matory avokoa ny rehetra
Mahatsapa tsy fisian'ny tabataba aho
Te hikiakiaka aho, saingy tsy afaka manao izany irery
Sarotiny amin'ny feo ny olona amin'izao fotoana izao

Satria alina, alina, alina, alina izao
maizina tanteraka
tsy afaka mahita na inona na inona ao anatin'ny aizina ianao
Taratra manirery io hazavana io
Na izany aza, mahatsapa aho fa tsy toy ny irery isika
izaho sy ianao

Mino aho / tsy mino aho

Mitsangàna, tsy fotoana fatoriana intsony izao
tongava mihaino ny trompetra mandresy
sasao rano avy amin'ity fararano ity ny tavanao
Ivelan'ny olona mihira amin'ny alalan'ny nifiny [dilo]

Toa manakoako manerana an'i Eoropa Afovoany sy Atsinanana ity hira manokana ity – namoaka dika [13] tamin'ny tenin'izy ireo ny tarika Rosiana The Peace Dukes tamin'ny Septambra 2016:

Namerina indray ny hira klasikan'i Azra ity Youtube an'i Yugopolis iray hafa nahomby ity – ny hira voalohan'izy ireo, “Balkan” [14] – izay tena malaza tokoa ka nasian'ny mpankafy dikan-teny feno tamin'ny teny Anglisy tao amin'ny aterineto [15].

Tsy tahaka ny fanambanian-tenan'ny Yu-ôrizinaly, amin'ny tononkirany [16] teny Poloney -“Sługi szlugi za” (“mpanompon'ny mpanompo”), fa fanahoen-kevitra amin'ny ady ifanaovan'i Rosia sy Okraina amin'izao fotoana izao, sy ny fankatoavana amin'ny fironana tsy refesi-mandidy  (“… olona mahery fo matahotra ny governemantany… “):

Noho ny fivakisan'i Yogoslavia, tsy nisy intsony ny tarika Azra. Nifindra-monina tany Holandy i Branimir “Johnny” Štulić [17], ilay mpanorina azy, tsy mety miverina intsony any amin'izay firenena manana faritra rotiky ny ady.