- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Menatra Noho Ny Fandresen'i Trump Ireo Mpanao Fampielezan-keviny Avy Ao Makedonia

Sokajy: Amerika Avaratra, Eoropa Afovoany & Atsinanana, Etazonia, Makedonia, Fampandrosoana, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana
A meme from the USA Newsflash Facebook page. USAnewsflash.com is one of the websites registered to a domain user in Macedonia that was recycling fake pro-Trump on the web and social media.

Sary-sy-soratra niparitaka be avy amin'ny pejy facebookn'ny USA Newsflash. USAnewsflash.com dia iray amin'ireo tranonkala Makedoniana taloha, ary manangona vaovao diso sy mampitolagaga momba ny “fanohanana an'i Trump” ao amin'ny tranonkala sy ny media sosialy.

Mitovy amin'ny tale Jeneralin'ny Facebook Mark Zuckerberg, [1] tsy mino ireo mpandoto fanehoan-kevitra ara-politika avy ao Makedonia, izay mitantana tranonkalam-baovao sy pejy Facebook hosoka manohana an'i Trump fa nanana fiantraikany tamin'ny voka-pifidianana Amerikana izy ireo.

Tamin'ny volana Jona, nitatitra [2][mg] momba ny hasarotana ara-toekarena nanosika an'i Veles [3] tanàna Makedoniana ho toa ‘lasa mpomba an'i Trump’ ny Globa Voices. Nanokatra tranonkalam-baovao sy pejy Facebook ahitana lohateny mampitolagaga manohana an'i Trump izay manintona am-pitaka hovakiana, mba hahazoana vola amin'ny alalan'ny dokambarotra an-tserasera ny sasany tamin'ireo mponina ao amin'ity tanàna indostrialy taloha [4]ity. Amin'ny ankapobeny, namoaka tantara namboarina amin'ny lafiny tsara momba an'i Trump sy tantara namboarina amin'ny lafiny ratsy momba ny mpifaninana aminy ireo ‘mpandraharaha amin'ny tranonkala’ ireo. Nampiasa anaran-tsehatra manintona ireo tranonkala: UsaNewsFlash.com, 365UsaNews.com, WorldNewsPolitics.com [5] ary nanana mpanjohy an-hetsiny [6] ny pejy Facebook-n'izy ireo miaraka amin'izany. Maro tamin'ireo haino aman-jery iraisampirenena no namoaka ny vaovao nandritra ny volana manaraka, anisan'izany ny Guardian [7], izay nanamarika fa ahitana vaovao diso namboarina nalaina tamin'ny tranonkalan'ny mpandala ny nentim-paharazana sy ny bilaogy ao Etazonia ny ankamaroan ‘ireo tranonkala ireo.

Taorian'ny fandresen'i Trump tamin'ny 9 Novambra, niantso [8]ireo tompon'ny tranonkala ny sampan-draharaha Meta.mk, izay nanao fanadihadiana momba ity tantara ity tamin'ny Aprily [8]. Tsy nanaiky ho anisan'ny tompon'andraikitra tamin'ny fandresen'i Trump izy ireo.

– Немам никаков коментар за победата на Доналд Трамп на претседателските избори во САД. Не мислам дека имав некакво влијание во победата на републиканскиот кандидат. Со веб-страницата веќе не работам и не знам дали понатаму ќе работам на веб-страници поврзани со политиката во САД – вели еден од младите велешани со кој „Мета“ разговараше и во април годинава.

Со него се согласува и друг велешанец кој вели дека веб-страницата на која тој работел веќе не постои и дека пролетоска последен пат бил објавен напис таму.

“Tsy manana fanehoan-kevitra momba ny fandresen'i Donald Trump tamin'ny fifidianana filoham-pirenena tany Etazonia aho. Tsy mino aho fa nanosika ny fandresen'ny kandidà Repoblikana ny tenako. Tsy miasa ao amin'ny tranonkala intsony aho ary tsy fantatro raha hanohy hiasa amin'ny tranonkala mifandraika amin'ny politika any Etazonia”, hoy ny iray tamin'ireo tanora avy ao Veles izay nantsoin'ny “Meta” tamin'ny volana Aprily.

Lehilahy iray hafa avy ao Veles izay niasa tamin'ny tranonkala maromaro ihany koa niaiky ary nilaza fa tsy misy intsony ny tranonkala niasany ary tamin'ny Lohataona ny lahatsoratra farany navoaka.

From the Facebook page of another website linked to an owner in Macedonia. World News Politics has more than 860, 000 followers on Facebook.

Tao amin'ny pejy Facebook-n'ny tranonkala iray hafa izay ao Makedonia ny tompony. Manana mpanjohy maherin'ny 860.000 ao amin'ny Facebook ny World News Politics (Vaovao Politika Manerantany).

Tranonkala Makedoniana  malaza momba ny teknolojiam-baovao IT.com.mk kosa naneho hevitra [9] momba ny fitsipahan'i [10]Marc Zuckerberg ny “hevitra adala” fa nisy fiantraikany tamin'ny fifidianana ny Facebook, tamin'ny alalan'ny filazana momba ny orinasa mpandoto hevitra ara-politika Makedoniana . Raha tokony hametraka ny mpiseraserany amin'ny resadresaka na “efitra manako”, nilaza i Zuckerberg fa ny algoritiman'ny sehatra media sosialiny dia mbola manome fahafahana amin'ny fampidirana vaovao maro isan-karazany.

Ваквото рационализирање од првиот човек на Facebook доаѓа откако Buzzfeed и другите медиуми директно го обвинија Facebook за ширење дезинформации и ја посочија и Македонија како делумен виновник, но и откако победата на Доналд Трамп за претседател на САД остави многумина во шок, кои пак сега се обидуваат да објаснат што се случи, и во некои случаи и директно бараат виновник за да посочат со прст.

Марк Закерберг не ја адресираше директно Македонија или македонските е-печалбари, но во контекст на таа тема посочи дека работат на подобрување на алгоритмот и спречување на ширење на дезинформации преку платформата.

По интересот за текстот кој го објавивме вчера [11], сакаме да потенцираме и дека пред да ги обвините овие корисници кои ние ги нарекуваме е-печалбари за срамотење на Македонија и да ги напаѓате за нивните обиди за печалба, треба да ја погледнете и локалната медиумска сцена од друг агол и ќе забележите дека тие само го реплицираат она што го гледаат на локално ниво од многу медиуми кои дневно ги бомбардираат и им ставаат clickbait линкови и спонзорираат секакви текстови на Facebook, без разлика на колку тоа е етички или не… Го земаат истиот метод и го применуваат на глобално ниво, а разликата е во тоа што на глобално ниво функционирa AdSense и пазарот е многу поголем.

Nilatsaka taorian'ny fanomezan-tsiny mivantana nataon'ny Buzzfeed sy ny haino aman-jery hafa ny Facebook  amin'ny fanapariahana vaovao diso sy nanondro an'i Makedonia ho meloka amin'ny ampahany ireo fanamarinan-tena avy amin'ny mpitarika ny Facebook, sy taorian'ny fandresen'i Donald Trump tamin'ny fifidianana izay nanafintohina olona maro, ary ankehitriny izy miezaka manazava izay nitranga, ary mitady olona omena tsiny amin'ny toe-javatra sasany.

Tsy miresaka mivantana amin'i Makedonia na ireo mpanararaotra antserasera (e-profiteers) Makedoniana i Mark Zuckerberg, fa amin'izany toe-javatra izany, nanamarika izy fa miasa amin'ny fanatsarana ny algoritimany ny Facebook mba hisorohana ny fampielezana vaovao diso amin'ny alalan'ny sehatr'izy ireo.

Taorian'ny fahalianana ilay lahatsoratra mikasika ny “fandraisana anjara ara-tantara amin'ny fampandrosoana ny aterineto izay navoakanay omaly, [11]te hanoritra izahay fa na dia talohan'ny nanombohanao nanome tsiny ireo mpiserasera antsointsika ho “mpanararaotra antserasera” noho ny fanalam-baraka an'i Makedonia sy ny fanakianana ny ezak'izy ireo mba hahazoany tombontsoa, dia tokony hijery ny sehatra fampitam-baovao ao an-toerana amin'ny zoro hafa aloha ianao. Tokony Hahamarika ianao fa maka tahaka fotsiny ny zavatra hitany ao an-toerana izy ireo, amin'ny alalan'ny fampitam-baovao marobe midaroka azy ireo isan'andro amin'ny rohy manintona am-pitaka mba hovakiana (clickbait), haino aman-jery izay manohana ireo karazan-dahatsoratra rehetra ao amin'ny Facebook, na manaraka etika izany na tsia … Nandray izany fomba izany ihany koa izy ireo ary nampihatra izany tamin'ny sehatra manerantany. Ny hany mahahafa azy dia mandeha amin'ny sehatra manerantany ny AdSense, ary midadasika kokoa ny tsena.

Andro vitsy mialoha ny fifidianana tao Etazonia, mbola nisarika ny sain'ny media iraisampirenena indray ity orinasa an-trano ity, indrindra taorian'ny namoahan'ny Buzzfeed izany tamin'ny alalan'ny lahatsoratra roa lehibe, ny voalohany momba ny milina mamokatra vaovao hosoka [12]ary ny faharoa momba ny fampiasana ny vondrona Facebook ho sehatra mpandoto fanehoan-kevitra [13]. Niresaka tamin'ny tompona tranonkala iray tahaka izany ny haino aman-jerim-panjakana iraisampirenena ao Alemaina Deutsche Welle [14], nilaza ity tompon'ny tranonkala ity fa tsy manao izany noho ny fitiavany an'i Trump izy fa mba hahazoany vola sahaza isam-bolana eo amin'ny 600 ka hatramin'ny 1.000 Euro ($ 665 – $ 1109) kosa eo ny famoahana lahatsaratra momba azy [Trump].

Sary namboarina: Veles an'i Trump. (Nandritra ny vanim-potoana komonista, Titov Veles, midika hoe Veles an'i Titos no anaran'ny tanàna, ho fanomezam-boninahitra an'i Josip Broz – Tito [18], komandy lehibe Yogoslavy.)
Sioka: Trololo (tenin-jatovo ao an-toerana milaza ny fandotoan-dresaka ara-politika.)

Ny teknika ampiasan'ity karazana mpamoaka vaovao antserasera ity dia heverina fa “ara-dalàna” ao anatin'ny sehatry ny haino aman-jery Makedoniana, ary nohatsarain'ireo haino aman-jery mpanohana ny fanjakana sy ny mpanao fampielezan-kevitry ny antokon'ny fitondrana ankehitriny eo ambany elatra ankavanana mpandrendri-bahoaka nandritra ny folo taona farany. Efa nampiasaina tany an-kafa ao amin'ny faritra [19], indrindra ao Serbia ny karazana paikady tahaka izany.